Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ho an'ny mpiventy hira. Hampiarahina amin'ny sodina. Salamo nataon'i Davida. Jehovah ô, henoy ny teniko; fantaro ny eritreritro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B21355A3-9419-4F54-9C57-87951666D8AD
2
Henoy ny feon'ny fitarainako, ry Mpanjakako sy Andriamanitro ô;fa Hianao no ivavahako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|90AA1A79-518C-41A4-B52F-CA8A31C97005
3
Jehovah ô, maraina no handrenesanao ny feoko; maraina no hivavahako* aminao, ka hanandrandra aho.[Heb: handaharako]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|52B8ED40-51AB-499E-A816-514D58591AA2
4
Fa tsy Andriamanitra mankasitraka izay ratsy Hianao; tsy hitoetra aminao ny ratsy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|58E4454C-BFBF-4618-BD57-80F555772D1D
5
Tsy hahazo mijanona eo imasonao ny mpirehareha; halanao ny mpanao ratsy rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|02BBAC1C-B5F7-4388-8FDC-A0751A27BCE4
6
Haringanao ny mpiteny lainga;ny olona mpandatsa-drà sy mpamitaka dia ataon'i Jehovah ho zava-betaveta.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E4A3AC4E-DAE8-489B-A52C-2F6265613C60
7
Fa izaho kosa noho ny haben'ny famindram-ponao dia hiditra ao an-tranonao; hiankohoka manatrika ny lapanao masina amin'ny fahatahorana anao aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|104B7BD7-C79D-4D2A-958E-129D9E196CDC
8
Jehovah ô, tariho amin'ny fahamarinanao aho noho ny amin'ny mpampahory ahy; ataovy marina eo anoloako ny lalanao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AA9D5200-4E9C-40A4-A38B-CD259D268574
9
Fa tsy misy azo itokiana ny aloaky ny vavany; ny ao anatiny dia tena faharatsiana*; fasana misokatra ny tendany. Mandambolambo ny lelany izy.[Na: lavaka mitanatana]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2EF41C7B-626D-4A21-9FE3-31595AFFFAF0
10
Helohy izy, Andriamanitra ô; Aoka ho lavon'ny saina ataony izy; Roahy izy noho ny haben'ny fahotany, satria efa niodina taminao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|50532620-5827-43C7-96FC-3624B7CA39FF
11
Dia hifaly izay rehetra mialoka aminao, hihoby mandrakariva izy, koa miarova azy Hianao; ka dia ho ravoravo aminao izay tia ny anaranao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|867B0DAF-568A-418D-8711-E947C9EEA481
12
Fa Hianao, Jehovah ô, mitahy ny marina; fankasitrahana no ataonao manodidina azy toy ny ampinga lehibe.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6B862A1E-6F5C-45B0-9650-E2FA0DA07022
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany