Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ho an'ny mpiventy hira. Al-jonathelem-rehokim. Miktama nataon'i Davida, fony nisambotra azy tany Gata ny Filistina. Mamindrà fo amiko, Andriamanitra ô, fa misafoaka manenjika ahy ny olona; miady amiko mandrakariva izy ka mampahory ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|84703EDC-FF78-4BF3-905A-78F3E3BE7E81
2
Misafoaka manenjika mandrakariva ny mpampahory ahy; maro tokoa no mirehareha miady amiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A72D4149-1BD0-456A-A513-C0D140DC79E3
3
Amin'ny andro atahorako no itokiako Anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C5CE6BBB-7D85-4765-BA90-863B1FEB5666
4
Andriamanitra no iderako ny teniny; Andriamanitra no itokiako, ka tsy mba hatahotra aho; inona no hataon'ny nofo amiko?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EBB9593F-D406-4405-8574-BF02683FAAC0
5
Manimba ny raharahako mandra-kariva ireny*; ny heviny rehetra dia ny hanisy ratsy ahy ihany.[Na: Mamily ny teniko mandrakariva ireny]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EAEBEE0A-67A0-4AA4-81D8-A8B917A31578
6
Miangona izy, miery izy, mitsongo-dia ahy izy, satria mikendry ny aiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C9E650B7-3762-48AE-9C81-2F2B477FDC4C
7
Amin'izany faharatsiany izany moa hisy hahafahany va*? Aripaho amin'ny fahatezeranao ny firenena. Andriamanitra ô.[Na: Ny faharatsiana no atao-ny ho famonjena azy]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FBFFECD0-EA41-4E23-93BA-06B8BEF6308C
8
Manisa ny firenireneko Hianao; ataovy ao an-tavoahanginao ny ranomasoko; tsy eo amin'ny bokinao va ireny?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E233E011-5CDE-462A-A509-8735B339F5EC
9
Amin'izay dia hiamboho ny fahavaloko amin'ny andro hiantsoako Anao; izao dia fantatro, fa momba ahy Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C7BCE00F-3D63-4B36-A7CD-6D05E7A6F83A
10
Andriamanitra no iderako ny teniny; Jehovah no iderako ny teniny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DCC1D316-87BC-4871-A0E8-3202F7664028
11
Andriamanitra no itokiako; ka tsy mba hatahotra aho; inona no hataon'ny olona amiko?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|33AB8D8B-B6A2-4F5B-8C33-E9F80F3C946F
12
Nivoady taminao aho, Andriamanitra ô, dia hanatitra fanati-pisaorana ho Anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|34539AFB-20AC-4E5C-AD80-B2193A22B012
13
Fa efa nanafaka ny fanahiko tamin'ny fahafatesana Hianao; eny, nanafaka ny tongotro Hianao mba tsy ho solafaka. Handehanako eo anatrehan'Andriamanitra amin'ny fahazavan'ny velona*.[Na: fahazavan'aina]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0F66172A-1BEF-437C-81F3-4929271DD8AE
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany