Andininy Protestanta Malagasy 1 Ho an'ny mpiventy hira. Hampiarahina amin'ny valiha. Nataon'i Davida. Henoy ny fitarainako, Andriamanitra ô; tandremo ny fivavako. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7C39F22B-2540-4AA5-B843-4A31E7AF0FA7 2 Any am-paran'ny tany no hiantsoako Anao raha reraka ny foko; ento aho ho any amin'ny vatolampy izay avo ka tsy tratro; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6A673749-43FA-4014-B1C9-7185BC896130 3 Fa aroko Hianao sy tilikambo mafy handosirako ny fahavalo. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BFE01836-C9F1-4994-AB1A-22B998C4BEC3 4 Aoka hitoetra ao an-tranonao mandrakizay aho; aoka hialoka ao ambanin'ny fanomban'ny elatrao aho, qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C6116203-6ED2-41A3-A81F-BBC67E5C47BF 5 Fa Hianao, Andriamanitra ô efa nandre ny voadiko; efa nomenao ahy ny lovan'izay matahotra ny anaranao. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2826E79D-A02B-4A5C-85F9-D9FDD3300CBA 6 Halavao ny andron'ny mpanjaka; aoka ny taonany hahatratra ny taranaka maro. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|38AF89FF-061D-41E3-9EA6-49AB347FC52D 7 Aoka hitoetra eo anatrehan'Andriamanitra mandrakizay izy; famindram-po sy fahamarinana no tendreo hiaro azy; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8F629EBC-BBC0-4081-B1EC-7C1D9CDDFC1F 8 Ka dia izany no hankalazako ny anaranao mandrakizay, mba hanefako isan'andro ny voadiko. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CE658D04-3EC3-443E-8F5F-51175F388B55
|