Andininy Protestanta Malagasy 1 Ho an'ny mpiventy hira. Al-jedotona. Salamo nataon'i Davida. Andriamanitra tokoa no iantombenan'ny fanahiko; avy aminy ny famonjena ahy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3C2F6B48-881F-4D1F-96B6-6516DF684D43 2 Izy tokoa no vatolampiko sy famonjena ahy, dia fiarovana avo ho ahy ka tsy hangozohozo loatra aho. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|968347BD-E6FD-4F68-B063-C11DE7721E91 3 Mandra-pahoviana no hirohotanareo hamely olona sy handrodananareo rehetra azy toy ny manda mirona sy ny rova mihozongozona; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CCB4ABEB-E540-4D0B-8766-36472C3664FB 4 Misaina hanongana azy hiala amin'ny voninahiny ireny; lainga no ifaliany, misaotra amin'ny vavany izy, fa manozona amin'ny fony. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D180C41C-AB83-4F23-94CC-DB4A195F9EBC 5 Miantombena amin'Andriamanitra tokoa ianao, ry fanahiko; fa Izy no antenaiko. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|92E24495-9472-46EC-9765-1D4B6FC31D38 6 Izy tokoa no vatolampiko sy famonjena ahy, dia fiarovana avo ho ahy, ka tsy mba hangozohozo aho. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E504DCE2-8E3B-4311-A333-134DD17F620D 7 Andriamanitra no iankinan'ny famonjena ahy sy ny voninahitro; ny vatolampiko mafy sy ny aroko dia ao amin'Andriamanitra. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3B286891-7C5E-4F94-8FDC-71864D65296C 8 Matokia Azy mandrakariva ianareo, ry olona; loary eo anatrehany ny fonareo; Andriamanitra no aro ho antsika. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|818E0B52-DF3F-4D6F-93AD-511D37B533AC
|