Andininy
Protestanta Malagasy
1
Sigaiona nataon'i Davida, izay nohirainy ho an'i Jehovah noho ny tenin'i Kosy Benjamita. Jehovah Andriamanitro ô, Hianao no ialofako; vonjeo aho amin'izay rehetra manenjika ahy, ka afaho;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3883C81A-30D8-427A-9876-DCD7021C4BF3
2
Fandrao ny fanahiko viravirainy tahaka ny fanaon'ny liona, ary kepokepohiny, ka tsy misy mamonjy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|394F6321-3548-466F-B17F-3AE0B8777F60
3
Jehovah Andriamanitro ô, raha nanao izany aho; raha misy heloka eto an-tanako;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1BD24584-C185-4D29-B864-B268693F48E2
4
Raha namaly ratsy izay tsara fihavanana tamiko aho, novonjeko aza izay nampahory ahy tsy ahoan-tsy ahoana* [Na: Ka nandroba izay nampahory ahy tsy ahoan-tsy ahoana]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AA4C06A1-18F6-44B2-A614-545FD9897D5B
5
Dia aoka ny fahavalo hanenjika ny fanahiko ka hahatratra azy; eny, aoka izy hanitsaka ny aiko amin'ny tany, ary hampandry ny voninahitro amin'ny vovoka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|348A1E9D-9EC7-4114-A1E4-4030BCA3959E
6
Jehovah ô, mitsangàna amin'ny fahatezeranao; misandrata hisakana ny fisafoaky ny mpampahory ahy; ary mifohaza hanampy ahy, fa didy marina no navoakanao;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1A7CB5C4-5185-4754-9505-91A612AD9E17
7
Aoka ny firenena maro hivory manodidina Anao; ary miverena ho any amin'ny avo eo amboniny Hianao,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|97821B38-BC64-40F5-B38A-56EEE6301EAB
8
Jehovah hitsara ny firenena; Jehovah ô, tsarao aho araka ny fahamarinako sy ny tsi-fananako tsiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0DE4AD1E-80EC-4B29-BFC3-94CEA88194E2
9
Aoka ho tapaka ny ratsy ataon'ny ratsy fanahy, fa ampitoero kosa ny marina; fa Andriamanitra marina no mamantatra ny fo sy ny voa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|22B1D5E4-B18C-4B84-877B-5996EF3345B5
10
Ny ampingako dia ao amin'Andriamanitra, Mpamonjy ny mahitsy fo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6C7ECF3F-31C6-420C-AD8C-CACCB39F0752
11
Mpitsara marina Andriamanitra, eny Andriamanitra Izay tezitra isan'andro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E0410E84-950B-44D6-B5AC-166E041DF826
12
Raha tsy ibebahana* Izy, dia hanasa ny sabany; efa manenjana ny tsipìkany Izy ka manamboatra azy,[Na: iverenana]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2D31E180-F492-4A36-AC91-0DFFB38FF876
13
Ary ireo dia kendreny amin'ny fiadiana mahafaty; ny zana-tsipìkany ataony mirehitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A30E4B46-7211-44CE-9A8A-1504F5B2DBDD
14
Indro, efa marary hiteraka zava-poana ireo; eny, torontoronina fampahoriana izy ary mitera-doza*; [Heb: lainga]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|554551BE-1087-480A-9EA7-0B5341D39B47
15
Mihady lavaka izy ka manalalaka izany, dia latsaka ao anatin'ny longoa nataony ihany izy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7F7728BA-BDC2-42AE-8E85-FDC4EBB6B148
16
Mitsingerina ho eo an-dohany ihany ny fampahoriany; ary eo an-tampon-dohany ihany no ianjeran'ny loza nataony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|04CDD800-0D1F-45A1-BA10-F687CC27FB92
17
Hidera an'i Jehovah araka ny fahamarinany aho, ary hankalaza ny anaran'i Jehovah Avo Indrindra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DD1448BB-DA8E-4113-B1CD-4459BC24FA6F
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany