Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ho an'ny mpiventy hira. Nataon'i Davida. Ho fampahatsiarovana. Andriamanitra ô, faingàna hanafaka ahy; Jehovah ô, faingàna hamonjy ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|914EA7CE-8D30-486D-8B98-124D72407C64
2
Aoka ho menatra sy hangaihay izay mitady ny aiko; aoka hiamboho sy ho afa-baraka izay faly amin'ny manjo ahy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|50F345AF-35BE-4497-AD56-90C83B70A51B
3
Aoka hiamboho noho ny fahamenarany izay manao hoe: Hià! sakoa izay!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D14B83D2-9FEA-43B4-9D24-B7A58B3A15FE
4
Aoka hifaly sy ho ravoravo aminao izay rehetra mitady Anao; ary aoka izay tia ny famonjenao hanao mandrakariva hoe: hankalazaina anie Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EAA311D3-F324-40B5-B27E-F687461E28AB
5
Fa izaho dia ory sy malahelo; faingàna hankaty amiko, Andriamanitra ô; Mpamonjy sy Mpanafaka ahy Hianao; aza ela, Jehovah ô.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D0BCB578-C143-4501-931B-6F555A65B186
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany