Andininy
Protestanta Malagasy
1
Nataon'i Solomona. Andriamanitra ô, omeo ho an'ny mpanjaka ny fitsarànao,ary ho an'ny zanaky ny mpanjaka ny fahamarinanao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F0EE1D77-C9A2-4F1F-BA9C-CA1D8A5DC7E0
2
Hitsara* ny olonao amin'ny fahamarinana izy. Ary ny malahelolonao amin'ny fahitsiana.[Na: Aoka, etc]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|384515D0-413D-4D6B-AED4-5DF35B4313E4
3
Ny tendrombohitra hahavokatra fiadanana ho an'ny olona, eny, ny havoana koa amin'ny fahamarinana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FB6DE1E6-210D-46E0-A449-A9C52D03C792
4
Hitsara2 ny olona ory izy sy hamonjy ny zanaky ny mahantra ary hanorotoro ny mpampahory.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5AB84D3D-A06C-4125-AC0F-8D414F284B01
5
Hatahotra2 anao ny olona, raha mbola maharitra koa ny masoandro sy ny volana hatramin'ny taranaka fara mandimby.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D1930416-3EEA-4D5E-ABCC-591950A68451
6
Hidina2 tahaka ny ranonorana amin'ny saha voajinja izy, tahaka ny ranonorana mivatravatra amin'ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E3226688-C352-4190-9C0A-6337A7CF08A2
7
Ny2 marina hitrebona amin'ny androny, ary ho be ny fiadanana mandra-paha-tsy hisy volana intsony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|055468FD-ADD2-438D-9087-77F64C027657
8
Ary hanjaka hatramin'ny ranomasina ka hatramin'ny ranomasina izy, ary hatramin'ny ony* ka hatramin'ny faran'ny tany.[Eofrata]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|20741ACB-E536-48B6-9280-0928110178E4
9
Ny mponina any an-efitra handohalika eo anatrehany; ary ny fahavalony hilelaka ny vovoka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|83506D37-1ADF-4868-AC42-FE49E79816EF
10
Ny mpanjakan'i Tarsisy sy ny nosy handoa hetra; ny mpanjakan'i Sheba sy Seba hanatitra fanomezana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1A45C84D-1A05-4726-9177-BA9C5A80F3D0
11
Ary ny mpanjaka rehetra hiankohoka eo anatrehany; ny firenena rehetra hanompo azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|10CC75F5-E539-40D5-990F-7BF54A4EBC83
12
Fa hamonjy ny mahantra mitaraina izy sy ny ory tsy manan-kamonjy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BCC5972A-C257-4D79-9CED-BC2903DBA70F
13
Hiantra ny reraka sy ny malahelo izy ary hamonjy ny fanahin'ny malahelo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|822B8CE2-F6B2-4573-B118-6DE4E58D388E
14
Hanavotra ny fanahiny amin'ny fampahoriana sy ny fanaovana an-keriny izy; ary ho zava-dehibe eo imasony ny ràny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BE5DD472-CBAD-4609-A731-FE471D490BDF
15
Dia ho velona ireny ka hanome azy* volamena avy any Sheba, ary hanao fifonana ho azy mandrakariva, izy, ary isan'andro no hisaorany azy.[Na: Dia ho velona Izy ka homena]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B5F1FB2C-6F16-452D-96FC-F14E9C8D1DD7
16
Hahavoka-bary betsaka ny tany na dia any an-tampon'ny tendrombohitra aza; hirondrona tahaka ny any Libanona ny fahavokarany; ary ny ao an-tanàna hidokadoka tahaka ny ahitra amin'ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|909AF2BB-5726-41D0-8ACD-942222211686
17
Ho mandrakizay ny anarany; raha mbola maharitra koa ny masoandro, dia hanorobona ny anarany; ary izy ho fitahiana ny olona; ny firenena rehetra hanao azy ho sambatra*.[Izaho Gen.xxii. 18]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0A637D49-2A17-438C-88D1-FC73479D28B1
18
Isaorana anie Jehovah Andriamanitra, Andriamanitry ny Isiraely; Izy irery ihany no manao fahagagana;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|610F6458-06CC-4D79-83B2-0E886BA46C0C
19
Ary isaorana mandrakizay anie ny anarany malaza; ary aoka ny tany rehetra ho henika ny voninahiny. Amena dia Amena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|430C1FD5-0456-4262-B285-3ADB944CFC2F
20
Tapitra ny fivavak'i Davida, zanak'i Jese.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EEA3CEEB-58C7-45B7-9226-E95682CB28BC
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany