Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ho an'ny mpiventy hira. Hampiarahina amin'ny valiha. Salamo nataon'i Asafa. Tonon-kira. Andriamanitra dia fantatra eo amin'ny Joda; malaza eo amin'ny Isiraely ny anarany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|55F827CF-560D-4199-BE36-267B590D7D02
2
Naoriny ao Salema ny tranolainy, ary any Ziona ny fonenany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7647BEAC-357C-4169-948F-4D587F77C223
3
Teo no nanapatapahany ny zana-tsipìka manelatra, sy ny ampinga sy ny sabatra ary ny fiadiana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1A1CD1A5-2007-4C80-8D1C-7FB6289F4CE5
4
Mamirapiratra Hianao sady be voninahitra miseho avy any amin*'ny tendrombohitra fitohàna.[Na: noho]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|03A569DB-4E74-4DD3-8AC3-9F122AEB65EA
5
Voababo ny mahery fo; renoky ny torimasony izy; ary samy ankona tsy nahahetsika* ny tànany avokoa ny olo-mahery rehetra.[Heb. nahita]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A52DB55D-E44C-4892-93BB-28318142AF74
6
Noho ny teny mafy nataonao, ry Andriamanitr'i Jakoba, dia sondrian-tory ny kalesy sy ny soavaly.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8A6E23F4-C7C7-47F2-AA0E-6AB6AD8ABE7B
7
Hianao no mahatahotra; ka iza no mahajanona eo anatrehanao, rehefa miseho ny fahatezeranao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A4735089-D8C3-4B18-A003-74BF8D79E33E
8
Avy tany an-danitra no nampandrenesanao fitsaràna. Raiki-tahotra ny tany ka sina,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CB11B29A-1CB8-405B-BAA4-856731F7EF5F
9
Raha nitsangana hitsara Andriamanitra mba hamonjy ny mpandefitra rehetra ambonin'ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AD012A2D-088C-4CB6-AA86-E994DF12A9A0
10
Fa ny fahatezeran'ny olona hidera Anao tokoa; ny fahatezerana sisa dia isikinanao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2F576D61-7848-44C3-BCFD-97FCF2D05C9B
11
Mivoadia, ka efao ny voadinareo amin'i Jehovah Andriamanitrareo; aoka izay rehetra manodidina Azy hitondra fanatitra ho an'Izay mahatahotra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1DA6A1F1-602B-4C7B-A5E7-6495FA477607
12
Manapaka ny reharehan'ny lehibe Izy sady tahotry ny mpanjakan'ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1D8D9BA2-BB84-47FB-88E0-3551F270EA45
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany