Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ho an'ny mpiventy hira. Al-jedotona. Salamo nataon'i Asafa. Ny feoko dia mankany amin'Andriamanitra, ka mitaraina aho; eny, ny feoko mankany amin'Andriamanitra, ka mihaino ahy Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B20A430B-E3E3-4A53-915D-405CB9702464
2
Tamin'ny andro fahoriako no nitadiavako ny Tompo; ny tanako nasandratra nony alina ka tsy vizana; ny fanahiko tsy nety nampiononina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|69138AD0-32E8-47F8-B61C-88EAEFA0C88D
3
Ta-hahatsiaro an'Andriamanitra aho, ka dia nisento; te-hieritreritra aho, ka dia reraka ny fanahiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EFA14EF2-E519-400D-ADEA-6165CCAB1CD0
4
Mampiari-tory ny masoko Hianao; mitebiteby aho ka tsy mahateny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6925C5ED-C3BA-4386-A318-27FA143D3B01
5
Nihevitra ny andro fahiny aho, dia ny taon-dasa ela.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|253A53A4-7E23-4FB0-B097-E3BE1A458683
6
Ta-hahatsiaro ny nitendreko valiha tamin'ny alina aho; te-hidinidinika amin'ny foko aho, ary ny fanahiko nanontany mafy hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|47FE2F64-03CB-4C62-9B56-2EF22E6C56BA
7
Hanary mandrakizay va ny Tompo? Tsy hankasitraka intsony va Izy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1ED58704-B6D2-4C1A-B3E9-CF69235C1FD2
8
Efa nitsahatra mandrakizay va ny famindram-pony? Efa tapitra mandrakizay va ny teniny?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|52D74CB8-1890-498F-854E-54C7522F508F
9
Efa nanadino hamindra fo va Andriamanitra? Efa nohidiany an-katezerana va ny fiantràny?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6253C0AC-8CEF-45A2-8F79-6FC959268FD4
10
Ary hoy izaho: Izao no mahararirary ny foko, dia ny niovan*'ny tanana ankavanan'ny Avo Indrindra.[Na: Nefa tsarovako ny taon']
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0EDD644C-94A8-4759-9985-783C6B7C525D
11
Hampahatsiaro ny asan'i Jehovah aho, fa ta-hahatsiaro ny fahagagana nataonao fony taloha;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5530478A-90CD-40E7-A047-C6BAAEF243C0
12
Eny hisaina ny asanao rehetra aho, ary hihevitra ny nataonao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2C4C7441-4AFE-4C63-9228-47F6D97FAA8D
13
Andriamanitra ô, amin'ny fitoerana masina* ny lalanao; iza no andriamani-dehibe tahaka an'Andriamanitra? [Na: amin'ny fahamasinana]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7E9F77D9-7CE2-4C6B-A1D4-0CDE90478A2C
14
Hianao no Andriamanitra Izay manao fahagagana; efa nampahalala ny herinao teny amin'ny firenena Hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|313C8B44-ACA9-4A68-B5E0-07FE088B28F1
15
Navotan'ny sandrinao ny olonao, dia ny taranak'i Jakoba sy Josefa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E6C4206A-7C46-4A3A-BE37-04825A52D46B
16
Ny rano be nahita Anao, Andriamanitra ô, ny rano be nahita Anao ka toran-kovitra; eny, nanonjanonja ny lalina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|91083BD1-9C56-4267-A99C-05F17FBE9EB5
17
Nandatsaka ranonorana ny rahona; nikotrokotroka ny lanitra; nifanaretsaka koa ny zana-tsipìkanao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|81D640C7-4C43-4065-91F8-A229E1756E34
18
Ny fikotrokotroky ny kotrokorana dia teo amin'ny tadio*; nahazava izao rehetra izao ny helatra; nihovotrovotra sy nihorohoro ny tany.[Na: dia nikodiadia]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C29B46C3-C379-493E-B277-E66FCA9B9589
19
Tany amin'ny ranomasina ny lalanao, ary ny nalehanao dia tany amin'ny rano mandriaka, ka tsy fantatra ny dian-tongotrao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|21008D25-6634-4F56-9335-BB98DE8531CB
20
Ny tanan'i Mosesy sy Arona no nitondranao ny olonao toy ny ondry.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2C6BE6AD-8597-4655-9FEA-82BD2528221A
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany