Andininy
Protestanta Malagasy
1
Maskila nataon'i Asafa. Henoy ny lalàko, ry oloko; atongilano ny sofinareo amin'ny tenin'ny vavako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C5E3FCE0-DF32-4FBD-9698-10E17AC7D48D
2
Hiloa-bava hilaza fanoharana aho; hanonona teny saro-pantarina fony taloha aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|161337C5-A683-4A86-9DA9-DECB44F4716E
3
Izay efa rentsika sy fantatsika,ary nambaran'ny razantsika tamintsika,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FF9EF5AC-105E-4039-A8E9-74DC0B04C117
4
Dia tsy mba hafenintsika amin'ny zanany; fa hambarantsika amin'ny taranaka ho avy ny fiderana an'i Jehovah sy ny heriny ary ny fahagagana izay efa nataony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F1BCFAC8-7F47-464F-9622-695BF82D1664
5
Fa nanorina teni-vavolombelona teo amin'i Jakoba Izy, ary teo amin'Isiraely no nametrahany lalàna, izay nandidiany ny razantsika, hampahafantariny ny zanany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A6D89FA2-31A3-4897-B29C-B38DD02A3F6E
6
Mba hahafantatra izany ny taranaka ho avy - dia ny zaza mbola hateraka - ka hitsangana hitory izany amin'ny zanany kosa,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1ABD4111-68D2-4737-BF68-6B621E415E46
7
Mba hametraka ny fanantenany amin'Andriamanitra, ka tsy hanadino ny asany, fa hitandrina ny didiny;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5738D8F6-8447-4CB3-9769-6D90C58B317E
8
Mba tsy ho tahaka ny razany, izay taranaka maditra sy miodina, izy, dia taranaka izay tsy nampiomana ny fony, sady tsy marina tamin'Andriamanitra ny fanahiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5782BC68-6886-4DAE-B161-741FFF2F67E0
9
Ny zanak'i Efraima, izay nitondra tsipìka hitifirany, dia niamboho tamin'ny andro fiadiana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|12C25C7E-F37A-482D-A4CA-78817C7D353C
10
Tsy nitandrina ny fanekena amin'Andriamanitra izy, ary tsy nety nandeha araka ny lalàny;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E41D20EE-ECAB-4DA0-926B-818FD61F4339
11
Nanadino ny asany izy sy ny fahagagana izay nampahitàny azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A5F47275-D522-43CA-A23E-9B865DAF4E8F
12
Teo anatrehan'ny razany no nanaovany fahagagana tany amin'ny tany Egypta, dia tany amin'ny tany lemak'i Zoana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|06D1AE2A-05B2-4B56-A971-474CAB89D723
13
Nampisaraka ny ranomasina Izy ka nitondra azy nita, dia nampijanona ny rano ho toy ny antontan-javatra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A4DEDF97-1A2A-466C-B0D5-9D77B64A5F18
14
Ary ny rahona no nitondrany azy raha antoandro, sy afo mahazava nony alina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A4972A93-52D1-4EA4-92EF-7DE428C1C6C6
15
Namaky vatolampy tany an-efitra Izy, ka nampisotro azy nanaram-po tahaka ny amin'ny rano lalina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E50D43BA-5749-4B88-BBA0-6A8A0CF3AF4E
16
Ary nampivoaka rano mandriaka avy tamin'ny harambato Izy ka nampirotsaka rano ho tahaka ny ony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7B767F62-A696-4110-965B-E23F31A67DB5
17
Kanjo mbola nandroso nanota taminy ihany izy ireo, ka nampahatezitra ny Avo Indrindra tany an-efitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6DE78FB8-0696-4F6F-952D-EF60C53C5794
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany