Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ho an'ny mpiventy hira. Al-shoshanim-edoth. Salamo nataon'i Asafa. Ry Mpiandry ny Isiraely ô, mihainoa, Hianao Izay mitondra an'i Josefa toy ny ondry; Hianao, Izay mipetraka amin'ny kerobima, mamirapiratra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B3DD5585-8447-4ADF-A673-CACE72304655
2
Fohazy ny herinao eo anoloan'i Efraima sy Benjamina ary Manase, ka avia hamonjy anay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FA3E20AA-73BC-4C45-A7ED-B5A20126D8A3
3
Andriamanitra ô, ampodio izahay, ka ampamirapirato ny Tavanao, ary aoka hovonjena izahay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|50F66901-DDB1-4914-B97B-3AF3D6F6E5C4
4
Jehovah, Andriamanitry ny maro ô, mandra-pahoviana no hanetroka amin'ny fivavaky ny olonao* ny fahatezeranao?[Na: na dia mivavaka aza ny olonao]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E3890B84-F262-42E0-8CE5-ED84E3BFCC5B
5
Mampihinana azy mofo len-dranomaso Hianao, ary mampisotro azy ranomaso tovozina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E61CB970-092B-46EB-8CA9-C4BD381A98F1
6
Ataonao ho fifandirana amin'ny mifanila fonenana aminay izahay; ary ny fahavalonay mifaly handatsa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|446C94FA-25D6-416C-84D7-7DB25F265D59
7
Andriamanitry ny maro ô, ampodio izahay, ka ampamirapirato ny tavanao, ary aoka hovonjena izahay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FA1CF34F-891E-4F95-BD52-EA3056E877C0
8
Nisy voaloboka nafindranao avy tany Egypta; nandroaka ny jentilisa Hianao ka namboly azy kosa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2554A8AC-C236-474C-A1EE-C04E4DA41D83
9
Nitevy teo alohany Hianao, dia namaka lalina izy ka nameno ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E0535AB6-10A4-4030-B967-2E70924BEB04
10
Nanaloka ny tendrombohitra ny alokalony, ary ny sampany nanaloka ny sedera andrian-kazo*.[Heb: sederan'Andriamanitra]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|79DEB89B-7500-42DC-822C-29F9247FA3DB
11
Nampisandrahaka ny rantsany hatramin'ny ranomasina izy, ary ny sakeliny hatramin'ny Ony*.[Eofrata]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|826B805F-5C96-4389-A035-17D953C6CBF9
12
Nahoana no noravànao ny fefiny ka anotazan'izay rehetra mandalo eny an-dalana izy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B1FDADC7-2626-4811-A548-31793DEA1C66
13
Ny lambo avy any an'ala mitrongy azy; ary izay bibi-dia any an-tsaha mandàny azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C6BE2CC4-DC2B-4AE1-AD11-E111D4C66711
14
Ry Andriamanitry ny maro ô, miverena, ka tsilovy any an-danitra, ary jereo, ka vangio ity voaloboka ity.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E17C02A4-AB5F-454F-8428-9EA38522CCB8
15
Arovy* izay nambolen'ny tananao ankavanana sy ny zanaka izay nampaherezinao ho Anao.[Na: Dia]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7BCE126A-60E2-494B-B9CA-C5AA6BBC3212
16
Voadotry ny afo izy sady voakapa; fongotry ny fananaran'ny tavanao izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EA8BCF39-2382-42DA-9A05-5224A05D1EFD
17
Aoka ny tananao ho amin'ny lehilahin'ny tananao ankavanana, dia amin'ny zanak'olombelona izay nampaherezinao ho Anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A0301ED3-BEA6-4364-A963-332B6E65EA51
18
Dia tsy hihemotra hiala aminao izahay; velomy izahay, dia hiantso ny anaranao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|89C7C3FF-20D2-4633-B180-A2A833751252
19
Ry Jehovah, Andriamanitry ny maro ô, ampodio izahay; ampamirapirato ny tavanao, ary aoka hovonjena Izahay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|261519E4-9167-4A2F-8066-7EE35A6D88B7
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany