Andininy
Protestanta Malagasy
13
Mamindrà fo amiko, Jehovah ô; mitsinjova ny fahoriako avy amin'izay mankahala ahy, Ry Mpanandratra ahy ho afaka amin'ny vavahadin'ny fahafatesana,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E890B8E3-09D4-4E20-AD48-948893EE1AF3
14
Mba holazaiko avokoa ny fideràna Anao rehetra; eo am-bavahadin'i Ziona zanakavavy no hifaliako amin'ny famonjenao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4D1D8F4A-DBEA-4612-9ADE-8437C4C60B62
15
Ny jentilisa efa latsaka tamin'ny lavaka izay nohadiny, ny fandrika harato izay nafeniny efa nahazo ny tongony,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F4802C06-70F3-4352-B283-D62FAC0E899A
16
Jehovah efa nanao izay mampiseho ny tenany ho Mpitsara; namandrika ny ratsy fanahy tamin'ny asan'ny tànany Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8F0144E2-76E6-4A55-9F6A-FCA3AD31AD22
17
Hiverina ho any amin'ny fiainan-tsi-hita* ny ratsy fanahy, dia ny jentilisa rehetra izay manadino an'Andriamanitra.[Heb. Sheola]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6FC8BC44-DDD5-400C-A643-CEAC078CE4A8
18
Fa tsy ho mandrakizay no hanadinoana ny malahelo; ary tsy ho very mandrakizay ny fanantenan'ny mahantra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D460B991-71DB-4DA5-A685-27C27F34600D
19
Mitsangàna, Jehovah ô, aoka tsy hahery ny olona; aoka hotsaraina eo anatrehanao ny jentilisa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E3038871-A9F7-47AB-B1DD-D74383A4B863
20
Asio fampahatahorana* izy, Jehovah ô; aoka ho fantatry ny jentilisa fa olona ihany izy. [Na: fampianarana]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4B670FF2-7791-4CCB-AD16-7CC6BB6B7D54
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany