Andininy
Protestanta Malagasy
1
[BOKY FAHEFATRA]Fivavak'i Mosesy, lehilahin'Andriamanitra. Tompo ô, efa fonenanay hatramin'ny taranaka rehetra Hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C2B0D6F5-A849-4B70-9FD2-00D2FD94E49E
2
Fony tsy mbola ary ny tendrombohitra, Na voaforonao ny tany sy izao rehetra izao, Dia Andriamanitra Hianao hatramin'ny taloha indrindra ka mandrakizay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9AC7EEC4-316B-4BF7-8F9A-B2756055EB69
3
Mamerina ny olona ho amin'ny vovoka* Hianao Ka manao hoe: Miverena, ry zanak'olombelona.[Heb. fahatorotoroana]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9A42D4F3-E948-476D-A774-51E93CE01C74
4
Fa eo imasonao ny arivo taona dia toy ny fandalon'ny omaly, Ary tahaka ny fotoam-piambenana iray amin'ny alina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5850F708-E691-43B1-8AB3-E8CEBAEA3E0A
5
Manindao azy tahaka ny riaka Hianao torimaso izy; Amin'ny maraina tahaka ny ahitra mora miova izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|86AFC082-B1D9-4A18-BB91-8B5713A75BFF
6
Amin'ny maraina mamony izy, nefa mora miova*; Amin'ny hariva voajinja izy ka maina.[Na: Amin'ny maraina dia tahaka ny kolokolon'ahitra izy]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FCB1B1ED-C1F3-476E-A298-BB6809571CEE
7
Fa lanin'ny fahatezeranao izahay, Ary raiki-tahotra noho ny fahaviniranao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F932EBD3-6164-49FA-9D20-6096E0870C5A
8
Ny helokay efa nataonao teo anatrehanao, Ary ny fahotanay miafina teo amin'ny fahazavan'ny tavanao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D98B7C99-23A4-4EFB-9BC4-A3027408E442
9
Fa ny androanay rehetra efa lasa amin'ny fahatezeranao; Efa laninay toy ny eritreritra ny taonanay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4499D58D-A3B5-4F16-AD8B-9AB1803E25EF
10
Fito-polo taona no andron'ny taonanay Ary raha tàhiny mateza aza, dia valo-polo taona, Nefa fahasasarana sy zava-poana ny voninahiny, Fa mihelina faingana izany, ka lasa manidina izahay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C07E2F1E-A33F-4830-85C3-D5E777CC224C
11
Iza no mahafantatra ny herin'ny fahatezeranao sy ny fahaviniranao Araka izay tokony ho fahatahorana Anao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CD1C180D-AB23-4B13-B0DD-E887036B7D26
12
Mampianara anay hanisa ny andronay, Hahazoanay fo hendry.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1A8AC6F1-9612-4F9C-A166-25DA5A6ACCF7
13
Miverena, Jehovah ô! Mandra-pahoviana? Ary mba aneneno ny amin'ny mpanomponao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|11F60B32-E268-4DEB-9230-DBE053B23F40
14
Vokiso ny famindram-ponao nony maraina izahay, Mba hihobianay sy hifalianay amin'ny andro rehetra hiainanay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7207301E-BDC0-4AA7-939C-44415C1CF217
15
Mampifalia anay araka ny andro nampahorianao anay Sy ny taona nahitanay loza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|38421610-00BE-451C-A203-CBDFBE06E249
16
Aoka hiseho amin'ny mpanomponao ny asanao, Ary ny voninahitrao amin'ny zanany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|40661389-0F7A-4474-B5D8-76832B798DE2
17
Ary aoka ho aminay ny fahasoavan'ny Tompo Andriamanitray; Ary ampitoero aminay ny asan'ny tananay; Eny, ny asan'ny tananay, ampitoero izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|39DF2ED5-972B-48D8-A0E2-6DF839C52A57
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany