Andininy
Protestanta Malagasy
1
Jehovah no Mpanjaka mitafy voninahitra Izy; Jehovah mitafy, eny, misikina hery Izy; Ary izao rehetra izao nampitoerina ka tsy hihetsika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8A75AE20-A38E-40C7-B391-243C7176FA0E
2
Ny seza fiandriananao nampitoerina hatramin'ny fahagola; Hatrizay hatrizay Hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5BF70C84-DE1E-45F2-A9AB-372D54C4ADF6
3
Manandra-peo ny riaka, Jehovah ô, Eny, manandra-peo ny riaka; Mampirohondrohona ny feony ny riaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7C77AD16-F23D-439D-AD07-D1145EAC45BD
4
Mihoatra noho ny rano sady be no mahery, Eny, mihoatra noho ny onjan-dranomasina lehibe, Ny voninahitr'i Jehovah any amin'ny avo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E60B12F8-7113-41FC-BF72-A20C0F58324C
5
Ny teni-vavolombelonao dia marina indrindra; Fahamasinana no mendrika ny tranonao mandritra ny andro maro, Jehovah ô.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B7E2E6A3-0FEF-4369-9158-97B0F0973212
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany