Andininy
Protestanta Malagasy
1
ARY hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Mankanesa ao amin'i Farao; fa Izaho efa nanamafy ny fony sy ny fon'ny mpanompony, mba hanehoako izao famantarako izao eo aminy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2ADBDED8-D9A7-427D-BDCF-4BFFFAE24E43
2
ary mba holazainao ho ren'ny zanakao sy ny zafinao izay zavatra nataoko teto Egypta sy izay famantarana nataoko teo aminy, mba ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A906C20D-8502-4391-A9AD-96965455E1AD
3
Ary Mosesy sy Arona dia nankao amin'i Farao ka nanao taminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Hebreo: Mandrapahoviana no handavanao tsy hanetry tena eo anatrehako? alefaso ny oloko mba hanompo Ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8136CE09-6EE0-4D66-BE92-08676F33F138
4
Fa raha mandà ka tsy mandefa ny oloko hianao, indro, hahatonga valala amin'ny taninao rehetra Aho rahampitso;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2B1337E5-DD32-4AE2-A197-502B32B85AA5
5
dia handrakotra ny tany rehetra ireny, ka tsy ho hita ny tany; dia hohaniny ny sisan'ny havandra, izay navela ho anareo, ka hohaniny avokoa ny hazo rehetra izay maniry ho anareo any an-tsaha;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0A0865C6-24D6-4EF3-B4DB-452D49E11293
6
dia hameno ny tranonao sy ny tranon'ny mpanomponao rehetra ary ny tranon'ny Egyptiana rehetra ireny; ary tsy mbola hitan'ny rainao na ny raibenao izay toy izay hatr'izay andro niainany tety ambonin'ny tany ka mandraka andro-any. Dia nihodina izy ka niala teo amin'i Farao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|39745BC8-E1AC-456F-814F-554E8B36BD7F
7
Ary hoy ny mpanompon'i Farao taminy: Mandra-pahoviana no ho fandrika amintsika iny lehilahy iny? alefaso ireo olona ireo hanompo an'i Jehovah Andriamaniny; tsy mbola fantatrao va fa efa simba Egypta?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E205ED9F-BD9C-46A8-9697-D2F0999C4F62
8
Dia nisy nampiverina an'i Mosesy sy Arona hankao amin'i Farao indray: ary hoy izy taminy: Mandehana, manompo an'i Jehovah Andriamanitrareo; nefa iza avy moa no handeha?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5A29F32A-ED82-4149-A823-1B2632D31693
9
Ary hoy Mosesy: Ny tanora sy ny antitra aminay ho entinay handeha, ary ny zanakai-lahy sy ny zanakai-vavy sy ny ondry aman-osinay ary ny ombinay ho entinay handeha; fa hisy andro firavoravoanay ho an'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F42396E1-6E2F-474F-BB88-3F5FBF7C1D3C
10
Fa hoy Farao taminy: Aoka homba anareo ihany anie Jehovah, raha handefa anareo mbamin'ny zanakareo madinika aho; mitandrema, fa misy ratsy eo anoloanareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0EAA1FF3-15C6-4CB4-AB10-B8066E0D8701
11
Tsy izany, fa mandehana hianareo lehilahy lehibe ka manompoa an'i Jehovah, fa izany no tadiavinareo. Ary izy roa lahy dia noroahina hiala teo anatrehan'i Farao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B3E2709E-9F13-452E-93A8-D46851171850
12
Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Ahinjiro ambonin'ny tany Egypta ny tànanao hihavian'ny valala, dia hiakatra ho eto amin'ny tany Egypta ireny, ary dia hihinana ny zava-maniry amin'ny tany, dia izay rehetra sisan'ny havandra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6D2AB87C-7811-48F6-AB2E-7C93FD8582E6
13
Dia nahinjitr'i Mosesy tambonin'ny tany Egypta ny tehiny, ary Jehovah nitondra rivotra avy any atsinanana hankany amin'ny tany mandritra iny andro sy iny alina iny; ary nony maraina dia nitondra ny valala ny rivotra avy any atsinanana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|011F07B5-93C3-4BC6-961E-88D7A8F00848
14
Ary ny valala niakatra ho amin'ny tany Egypta rehetra, dia nipetraka nanerana ny tany Egypta rehetra; ary nampahory indrindra ireny, ka tsy nisy valala toy izany tany aloha, ary ato aoriany koa tsy hisy toy izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FF991211-6226-4EAF-9501-F3DD4A9B1262
15
Fa nandrakotra ny tany rehetra ireny, ka efa maizina ny tany; ary nohaniny ny anana rehetra teo amin'ny tany sy ny voankazo rehetra, izay sisan'ny havandra; ka dia tsy nisy sisa ny zava-maitso eran'ny tany Egypta reherra, na tamin'ny hazo, na tamin'ny anana tany an-tsaha.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2C0BC079-CF17-4EF1-8392-147E43980817
16
Ary Farao dia nampaka an'i Mosesy sy Arona faingana ka nanao hoe: Efa nanota tamin'i Jehovah Andriamanitrareo sy taminareo aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4D9FEDDF-087C-4F3A-A1BF-037A668E309D
17
Ary ankehitriny, masìna hianao mamela ny fahotako izao indray mandeha izao ihany, ka mangataha amin'i Jehovah Andriamanitrareo hampialany amiko izao mahafaty iray loha izao monja.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BFE097D2-3B19-4805-99F9-0B15643253EA
18
Dia niala teo amin'i Farao izy ka nangataka tamin'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C712FD5E-A1CD-4922-8E6B-6A2E5A46D383
19
Ary Jehovah nahatonga rivotra mahery indrindra avy andrefana kosa, izay nitondra ny valala ka namarina azy tao amin'ny Ranomasina Mena; dia tsy nisy sisa intsony ny valala eran'ny tany Egypta rehetra, na dia iray akory aza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|18B897AE-3027-457E-9206-064C0D0B8F12
20
Nefa Jehovah nanamafy ny fon'i Farao, ka tsy nandefa ny Zanak'Isiraely izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F7EB4F5E-0DE8-4CDA-8018-6C602D7B9393
21
ARY hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Ahinjiro manandrify ny lanitra ny tananao, mba hisy aizina amin'ny tany Egypta, dia aizina azo tsapaina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|652907AF-02FC-4301-9B76-2FF0ACAB7262
22
Dia nahinjitr'i Mosesy nanandrify ny lanitra ny tànany; dia nisy aizim-pito eran'ny tany Egypta rehetra hateloana,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|027FDFF4-4196-4B13-B23A-D01C27F6C455
23
koa tsy mba nifankahita ny olona, na niala tamin'izay nitoerany, hateloana; fa ny Zanak'Isiraely rehetra kosa nisy mazava teo amin'ny fonenany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|67E1C053-3EFC-41CF-AE1B-A61CF84F189E
24
Ary Farao dia nampaka an'i Mosesy ka nanao hoe: Mandehana hianareo, manompoa an'i Jehovah; fa ny ondry aman-osinareo sy ny ombinareo ihany no aoka havelanareo; ary ny zanakareo madinika dia aoka hiaraka aminareo koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CB7F625E-19D3-49D9-A605-67C920843024
25
Ary hoy Mosesy: Hianao no hanolotra eto an-tànanay izay fanatitra dorana sy fanatitra hafa alatsa-dra haterinay ho an'i Jehovah Andriamanitray;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E7526FA2-D902-488E-AFE8-39C7F665AC93
26
ary ny omby aman-ondrinay dia ho entinay hiaraka aminay koa; fa tsy hisy havela na dia ny kitrony iray aza, satria ireny no hangalanay hanompoana an'i Jehovah Andriamanitray; ary tsy mbola fantatray izay ho entinay manompo an'i Jehovah mandra-pahatonganay any.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0EB86A91-E68E-432D-A0F4-5FFF17E61F59
27
Ary Jehovah dia nanamafy ny fon'i Farao, ka tsy nety nandefa azy izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|044F410A-9065-4921-ABD2-42642F7581D2
28
Ary hoy Farao taminy: Mialà amiko; koa mitandrema, fa aoka tsy hahita ny tavako intsony hianao; fa amin'izay andro hahitanao ny tavako dia ho faty hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EFFD2866-7709-4CAF-8495-10A79B1B772C
29
Ary hoy Mosesy: Marina izay nolazainao; fa tsy hahita ny tavanao intsony aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2A25490C-4138-4621-BA83-4F2F0E454A63
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany