Andininy
Protestanta Malagasy
1
ARY rehefa hitan'ny olona fa efa ela ka tsy mbola nidina avy tao an-tendrombohitra ihany Mosesy, dia niangona ho eo amin'i Arona izy ka nanao taminy hoe: Mitsangana, ka anaovy andriamanitra izahay, hitarika antsika eo aloha; fa ilay Mosesy iny, izay lehilahy nitondra antsika niakatra avy tany amin'ny tany Egypta, dia tsy fantatray izay nanjo azy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EEAA2FB0-0560-4C8B-BE51-C3970B647703
2
Ary hoy Arona taminy: Romboty ary ny kavim-bolamena, izay eny amin'ny sofin'ny vadinareo sy ny zanakareo-Iahy ary ny zanakareo-vavy, ka ento ety amiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CDDAEF59-3A84-4086-A4CF-CA41C62C9F2F
3
Ary ny olona rehetra dia nandrombotra ny kavim-bolamena izay teny amin'ny sofiny ka nitondra azy ho eo amin'i Arona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D6B19C45-059B-4528-A846-47E4E54E671F
4
Ary izy nandray azy tamin'ny tànan'ny olona, dia namboatra azy tamin'ny fandraka ka nanao azy ho ombilahy kely anidina; dia niteny ny olona ka nanao hoe: Io no andriamanitrao, ry Isiraely, izay nitondra anao niakatra avy tany amin'ny tany Egypta.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F5D7ED55-FB58-45EC-99B7-0F2CDDD1E2AC
5
Ary raha hitan'i Arona izany, dia nanao alitara teo anoloany izy; ary dia niantso Arona ka nanao hoe: Andro firavoravoana ho an'i Jehovah rahampitso.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|65E635ED-9DC0-4DAF-9FFA-E28D86A685EC
6
Dia nifoha maraina koa ny olona ka nanatitra fanatitra dorana sy nitondra fanati-pihavanana; ary nipetraka hihinana sy hisotro ny olona, dia nitsangana hilalao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A8C17522-69A1-453D-A953-E1236185D1A1
7
Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Mandehana midina hianao; fa efa nanao ratsy ny olonao izay nentinao niakatra avy tany amin'ny tany Egypta.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1603F8E7-80A3-4EF7-8FD5-8577766BFD28
8
Nalaky nivily niala tamin'ny lalàna izay nasaiko nalehany izy ka efa nanao ombilahy kely anidina ho azy; ary efa niankohoka teo anatrehany sy namono zavatra hatao fanatitra taminy izy ka nanao hoe: Io no andriamanitrao, ry Isiraely, izay nitondra anao niakatra avy tany amin'ny tany Egypta.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0BEE8CEE-F358-463B-8176-8ACC14CE7ED2
9
Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Efa hitako io firenena io, fa, indro, firenena mafy hatoka izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2378E1C6-A61B-4517-8C15-B2C73792563C
10
Koa ankehitriny avelao hirehitra aminy ny fahatezerako, ka haringako izy; fa hahatonga anao ho firenena lehibe Aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1D3B28F9-2A5F-40C6-8021-4DABF72D6066
11
Fa Mosesy nifona tamin'i Jehovah Andriamaniny ka nanao hoe: Jehovah ô, nahoana ny fahatezeranao no mirehitra amin'ny olonao, izay nentinao nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta tamin'ny hery lehibe sy ny tànana mahery?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CE49DFAF-089A-493C-B2D4-69FD0DD8D440
12
Nahoana ny Egyptiana no avela hilaza hoe: Mba hahita loza no nitondrany ireny nivoaka, hamonoany azy eny an-tendrombohitra sy handringanany azy tsy ho ambonin'ny tany? Mialà amin'ny fahatezeranao mirehitra, ka manenena ny amin'ny loza izay hanjo ny olonao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2850B84B-7F88-4791-AE0C-04E002A614C1
13
Tsarovy Abrahama sy Isaka ary Isiraely mpanomponao, izay nianiananao tamin'ny tenanao sy nilazanao hoe: Hahamaro ny taranakareo Aho ho tahaka ny kintana eny amin'ny lanitra; ary izany tany rehetra nolazaiko izany dia homeko ny taranakareo, ary izy handova izany mandrakizay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C3FD69A9-9AC1-47A8-A738-CE80BC4EB46C
14
Ary Jehovah dia nanenina ny amin'ny loza izay nokasainy hamelezana ny olony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EC7087BC-B74B-4E85-97A6-8B9C4511655B
15
Ary Mosesy nihodina ka nidina avy tao an-tendrombohitra, nitondra ny vato fisaka roa nisy ny Vavolombelona teny an-tànany; ny vato fisaka nosoratana teo amin'ny lafiny roa: dia teo anatrehany sy teo am-badika no nisy ny soratra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CD6D4042-5B9F-4D66-95F8-81F221882D52
16
Ary ny vato fisaka dia asan'Andriamanitra, ary ny soratra dia soratr'Andriamanitra, voasoratra teo amin'ny vato fisaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0F61B146-EF49-4F2D-833E-EB309A191293
17
Ary rehefa ren'i Josoa ny fitabataban'ny olona izay nihorakoraka, dia hoy izy tamin'i Mosesy: Misy tabataban'ady atsy an-toby.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|24ECD8EF-907B-4FF9-85FA-1B2183720301
18
Fa hoy kosa izy: Tsy feo fihobian'ny mahery na feo fitomanian'ny resy no reko, fa feon'ny mihira.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4B3CBA0E-83B4-482F-B716-F77F4B3E1D3F
19
Ary raha nanakaiky ny toby izy, dia nahita ny ombilahy kely sy ny dihy; ary nirehitra ny fahatezeran'i Mosesy, dia natontany ny vato fisaka teny an-tànany ka novakivakiny teo am-bodin'ny tendrombohitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7EE92BA4-A7C2-4A76-BBBF-2ABD5E64D1F9
20
Dia nalainy ilay ombilahy kely izay efa nataon'ny olona ka nodorany tamin'ny afo, ary notorotoroiny ho vovoka, dia nafafiny tambonin'ny rano ka nampisotroiny ny Zanak'Isiraely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AED03DE5-06D7-4793-B619-F0024524161B
21
Ary hoy Mosesy tamin'i Arona: Inona no nataon'ity firenena ity taminao, no nitondranao heloka lehibe taminy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AB285C6B-0208-4C7C-8E8D-BE6928C7F8EF
22
Fa hoy kosa Arona: Aoka tsy hirehitra ny fahatezeranao, tompoko, fa hianao mahalala ny toetry ny olona, fa mpanao ratsy izy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B2AE0359-8D9B-4FCF-86C6-32308E107877
23
ary hoy izy tamiko: Manaova andriamanitra ho antsika, hitarika antsika eo aloha; fa ilay Mosesy iny, izay lehilahy nitondra antsika niakatra· avy tany amin'ny tany Egypta, dia tsy fantatray izay nanjo azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BDB27E3F-8E9E-4024-8A7F-DDC17FAAE4E3
24
Ary hoy izaho taminy: Na zovy na zovy manam-bolamena, aoka handrombotra izany izy, ka dia nomeny ahy; ary natsipiko tao anaty afo izany, ka io ombilahy kely io no nivoaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9653319A-4E16-44E4-AB07-096FD0D72C98
25
Ary rehefa hitan'i Mosesy fa natondraka hanaram-po amin'izay tsy mety ny olona, satria efa natondrak'i Arona ho fanakorana eo amin'ny fahavalony izy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DE038968-E7AD-4F47-980C-9FE3A5075DB1
26
dia nijanona teo amin'ny vavahadin'ny toby Mosesy ka nanao hoe: Izay rehetra an'i Jehovah mankanesa ety amiko. Ary ny taranak'i Levy rehetra niangona teo aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|59F8A7A5-3ECF-41D4-A8B4-FB1CA5DD584C
27
Dia hoy izy taminy: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Samia manao ny sabany eo am-balahany avy hianareo, dia mandrosoa sy miverimberena amin'isam-bavahadin'ny toby, ary samia mamono ny rahalahiny avy sy ny sakaizany avy ary ny namany avy hianareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3895D967-AA3B-480F-93FD-704580412955
28
Dia nanao araka ny tenin'i Mosesy ny taranak'i Levy; ary nahafatesana tokony ho telo arivo lahy ny olona tamin'izany andro izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|92C1A34C-9C47-4BA9-AECB-474FEAAD9540
29
Fa Mosesy efa nilaza hoe: Manokàna ny tenanareo ho an'i Jehovah hianareo anio; eny, samia mamono ny zanany sy ny rahalahiny avy, mba hahazoanareo fitahiana anio.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5D9879C5-5D6B-40EB-82ED-981B4CF7A27C
30
ARY nony maraina dia hoy Mosesy tamin'ny olona: Efa nanao fahotana lehibe hianareo; ary ankehitriny, dia hiakatra ho amin'i Jehovah aho, fa angamba hahazo manao fanavotana ny amin'ny fahotanareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CB22A348-11DD-44C0-99E7-7F36A8741598
31
Ary Mosesy dia niverina ho ao amin'i Jehovah ka nanao hoe: Indrisy! efa nanao fahotana lehibe ity firenena ity ka efa nanao andriamani-bolamena ho azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|25946852-2147-4FFA-B5D9-541B77EE2259
32
Ary ankehitriny, enga anie ka hamela ny fahotany Hianao! fa raha tsy izany, mifona aminao aho, vonoy eo amin'ny bokinao izay nosoratanao ny anarako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BFBA98DA-BFCB-4444-AEC5-44F1F458412E
33
Fa hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Na iza na iza nanota tamiko, dia hovonoiko ny anarany eo amin'ny bokiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B05971DD-0A48-434B-84E8-5708E77CB1AD
34
Mandehana ankehitriny, ka ento ny olona ho any amin'izay efa nolazaiko taminao; indro, ny Anjeliko no hitarika anao eo aloha; ary amin'izay andro hamaliako dia hamaly azy noho ny fahotany Aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1DC6F881-A26D-4021-843E-88C4BD16BC90
35
Ary Jehovah namely ny olona, satria nanao ny ombilahy kely izy, dia ilay nataon'i Arona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2DAA6C59-94B9-4F1B-8166-E4F180973913
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany