Andininy
Protestanta Malagasy
1
ARY rehefa afaka izany, Mosesy sy Arona dia nankao amin'i Farao ka niteny taminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Alefaso ny oloko mba hanao andro firavoravoana ho Ahy any an-efitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|216C73E8-8961-4BF9-9D79-3EBCAE9F03F2
2
Fa hoy Farao: Iza moa Jehovah, no hekeko teny handefasako ny Isiraely? tsy fantatro izay Jehovah, ka tsy halefako ny Isiraely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B7659E92-0911-4758-B387-1F7B5EB14D00
3
Ary hoy izy roa lahy: Andriamanitry ny Hebreo efa nihaona taminay; koa trarantitra hianao, aoka handeha làlan-kateloana any an-efitra izahay hamono zavatra hatao fanatitra ho an'i Jehovah Andriamanitray; fandrao Izy hamely anay amin'ny areti-mandringana, na amin'ny sabatra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E3014646-315E-4DB9-8B55-8E803BC15BAD
4
Ary hoy ny mpanjakan'i Egypta taminy: Nahoana hianareo, ry Mosesy sy Arona, no manaketraka ny olona amin'ny asany? mandehana any amin'ny fanompoanareo mafy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C0F186A2-24A0-447D-97EE-04E458CDA65C
5
Ary hoy koa Farao: Indro, efa maro ankehitriny ny olona eto amin'ny tany, ka hianareo mampitsahatra azy amin'ny fanompoany mafy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A6484012-609B-4061-98EC-726A62605C5D
6
Ary tamin'izany andro izany Farao nandidy ny mpampiasa ny olona mbamin'ny mpifehy azy ka nanao hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|67232A38-B69E-4C7A-B96C-A2656DF96426
7
Aza omenareo mololo hanaovana biriky tahaka ny teo aloha intsony ny olona; fa izy ihany no aoka handeha hanangona mololo ho azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E0894FED-9689-4726-B4A6-97D356279CED
8
Kanefa ny isan'ny biriky izay fanaony teo aloha dia mbola hampanaovinareo azy ihany, fa aza ahenanareo; fa malaina izy, koa izany no itarainany hoe: Aoka izahay handeha hamono zavatra hatao fanatitra ho an'Andriamanitray.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|719255F2-1DF1-4EF4-A87A-A3F87CF4C7F6
9
Hamafio ny fanompoan'ny olona mba hifotorany amin'izany, fa aza avela hihaino izay lainga foana izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|413532AB-0D01-4ADE-A1A0-8773C7FC04C6
10
Dia nivoaka ny mpampiasa ny olona mbamin'ny mpifehy azy ka niteny tamin'ny olona nanao hoe: Izao no lazain'i Farao: Izaho tsy mba hanome mololo anareo intsony;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|71EB5D94-514D-43CF-83E9-672D72A5D75E
11
fa mandehana hianareo ka manangona mololo any amin'izay hahitanareo, satria tsy hahena ny fanompoanareo na dia kely akory aza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E402A3C9-716B-4846-A91C-93BA27B983A4
12
Dia niely eran'ny tany Egypta rehetra ny olona mba hifako vodivary ho solon'ny mololo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D8DEC5E3-A9B9-49A8-A41E-9D9B420459E1
13
Ary ny mpampiasa nandodona azy ka nanao hoe: Vitao ny asanareo, izay anjara-fanompoana isan-andro, tahaka ny fony mbola nisy mololo ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F7ADFF74-C722-4CE2-859E-8584028D891A
14
Ary ny mpifehy ny Zanak'Isiarely, izay notendren'ny mpampiasa avy amin'i Farao mba hifehy azy, dia nokapohina ka nanontaniana hoe: Ahoana no tsy nahavitanareo ny anjaranareo tamin'ny fanaovana ny biriky omaly sy andro-any, tahaka ny teo aloha ?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AF5979E5-D8FD-4A1F-A484-80475320DA0E
15
Dia nankao amin'i Farao ny mpifehy ny Zanak'Isiraely ka nitaraina taminy hoe: Nahoana no manao toy izany amin'ny mpanomponao hianao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B29711B9-65C9-48AB-BC7F-BEFAB8EF8A54
16
Tsy omena mololo tsinona izahay mpanomponao, nefa mbola asaina manao biriky ihany; ary, indreto, izahay mpanomponao no kapohina, ka manota ny vahoakanao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D2DFFC54-A98E-465A-929F-CEA3482F1174
17
Fa hoy Farao: Malaina dia malaina hianareo, ka izany no anaovanareo hoe: Aoka handeha izahay hamono zavatra hatao fanatitra ho an'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|299C7B88-BEDA-49C2-BCD6-61354373641B
18
Ary ankehitriny, mandehana, ataovy izay fanompoanareo, fa tsy hisy mololo homena anareo; nefa ny anjara-birikinareo dia mbola hatolotrareo ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|22448912-A92B-49E5-B908-3DBB202BD202
19
Ary hitan'ny mpifehy ny Zanak'Isiraely fa efa azon-doza izy noho ny nanaovana hoe: Tsy hahenanareo ny isan'ny birikinareo amin'ny anjara-fanompoana isan-andro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1E952F9E-5087-4290-8575-CDF28B047586
20
Ary izy ireo dia nihaona tamin'i Mosesy sy Arona, izay nijanona niandry azy, raha avy tany amin'i Farao izy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6372CB17-C656-4F0F-9E3D-8F34C2C6CA1E
21
dia hoy izy tamin'izy roa lahy: Jehovah anie hijery sy hitsara anareo, satria efa nataonareo mangidy hoditra eo anatrehan'i Farao sy eo anatrehan'ny mpanompony izahay, ka nasianareo sabatra eo an-tànany hamonoany anay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A543382E-706F-4E0E-AA7E-D9C80402E5AB
22
Ary Mosesy niverina ho any amin'i Jehovah ka nanao hoe: Tompo ô, nahoana no nahatonga loza tamin'ity firenena ity Hianao? nahoana re no naniraka ahy Hianao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E7DA2FA8-5051-49C9-8D3A-D9912B0FD406
23
Fa hatrizay nankanesako tao amin'i Farao mba hiteny amin'ny anaranao izay, dia nahatonga loza tamin'ity firenena ity izy; nefa tsy namonjy ny olonao akory Hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4D6BCA6A-E51C-4CC8-8A3E-285FB12E2B65
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany