Ohabolana 1: 1-33

Andininy
Protestanta Malagasy
1
NY Ohabolan'i Solomona, zanak'i Davida, mpanjakan'ny Isiraely:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|03427573-F930-4930-8DD9-6171CF85EB94
2
Hahalalana fahendrena sy fananarana Ary hahafantarana ny tenin'ny fahalalana;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|38094EED-80B2-4A43-A669-45F5583BD2C6
3
Hahazoana fananarana mampahahendry, Dia fahamarinana sy rariny ary fahitsiana;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|991BA1E1-BFD1-4F6D-AA75-47490A04C270
4
Hanomezam-pahendrena ho an'ny kely saina Ary fahalalana sy fisainana mazava ho an'ny zatovo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B1502F9D-0C83-44EC-8CF4-26D6CD7DA3DF
5
Aoka ny hendry hihaino ka hitombo saina; Ary aoka ny manam-panahy hahazo fitarihana tsara;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0F6F6457-C51B-4662-BBD0-5675546BC260
6
Hahafantarana ohabolana sy fanoharana Ary ny tenin'ny hendry sy ny teny saro-pantarina ataony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E6AF79E6-B5E7-42DD-9246-8F56F9E1D204
7
Ny fahatahorana an'i Jehovah no fiandoham-pahalalana; Fa ny adala manamavo ny fahendrena sy ny famaizana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5DF0463D-A06E-44FB-8B5E-B95E1C8B9F95
8
ANAKA, mihainoa ny ana-drainao, Ary aza mahafoy ny lalàn-dreninao;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E9CA9474-8009-41EB-8992-F5DF237952F6
9
Fa fehiloha tsara tarehy amin'ny lohanao izany Ary rado amin'ny vozonao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2DCDAAB7-5AF4-4CD5-8584-F46623BC51EA
10
Anaka, raha taomin'ny mpanota hianao, Aza manaiky.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E53B35B4-4C75-468F-A129-F7A2DDF1EBF2
11
Raha hoy izy: Andeha hiaraka isika, Aoka isika hanotrika handatsa-dra; Andeha hamitsahantsika tsy ahoan-tsy ahoana ny tsy manan-tsiny;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0AA93CE0-23E3-4730-9666-86278B391051
12
Aoka isika hitelina azy velona tahaka ny fitelin'ny fiainan-tsi-hita [Heb. Sheola.] Ary hanao azy telimoka toy ny latsaka any an-davaka;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|773D0FE5-97E0-4742-989D-A490DA133E6C
13
Dia ho azontsika ny fananana saro-bidy rehetra, Ka hofenointsika babo ny tranontsika;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3A291553-2370-44F5-B261-18442F56E4C7
14
Avia mba hiara-miloka eto aminay; Aoka ho iray ihany ny kitapom-bolantsika rehetra:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8C34D1C8-D006-42A4-8C13-026490CA6055
15
Anaka, aza miara-dàlana aminy hianao; Arovy ny tongotrao tsy hankamin'ny alehany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F6EFB23E-F226-4C4F-8993-1BC6BACD3F21
16
Fa ny tongony mihazakazaka ho amin'ny ratsy Sady faingana handatsa-dra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|29A67CC1-A987-47F6-9CBD-23B2CDF9DCDC
17
Fa velarim-poana ny fandrika, Raha hitan'ny vorona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C0167AF7-C44A-40C5-8021-C87069875EFE
18
Fa ireny dia manotrika handatsaka ny ran'ny tenany ihany; Mamitsaka hahafaty ny tenany ihany izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D342AC2A-615C-4B6D-BBCC-8B6FBDCD689F
19
Toy izany no iafaran'izay rehetra fatra-pila harena; Fa hipaoka ny ain'izay fatra-pila azy izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2D335ABD-CAA5-4EA6-9BA7-8FA8C3F94A33
20
NY fahendrena miantso mafy eny ivelany; Manandratra ny feony eny an-kalalahana izy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A00BE647-3F06-4C43-9E76-64D5AE7E1196
21
Mitory ao amin'izay fivorian'ny maro be mireondreona izy; Eo anoloan'ny vavahady sy ao an-tanàna no ilazany ny teniny hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|904AF301-F160-4E4C-8F42-49265EBD11AF
22
Ry kely saina, mandra-pahoviana no hitiavanareo ny fahadalana, Sy hifalian'ny mpaniratsira amin'ny faniratsirana, Ary hankahalan'ny adala ny fahalalana?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A0679AC2-C71B-42E5-AC24-C903318E7385
23
Miverena hianareo hihaino ny fananarako; Indro, haidiko aminareo ny fanahiko, Ary hampahafantariko anareo ny teniko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1E1C6F04-FBB8-4861-93A1-F468CE2E3223
24
Satria efa nantso Aho, fa nandà hianareo; Efa naninjitra ny tànako Aho, fa tsy nisy nitandrina;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DC464AD8-AC78-4722-A663-BDF8D1D11ACA
25
Fa nolavinareo ny saina rehetra natolotro, Sady tsy nety nanaiky ny anatro hianareo:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EEFBFDB7-3289-4F55-803F-320258A5AC41
26
Izaho kosa hihomehy, raha tonga ny fandringanana anareo; Handatsa Aho, raha tonga ny mahatahotra anareo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|56678425-0634-4B2A-A895-D94EDCFCA608
27
Raha tonga ny zava-mahatahotra anareo tahaka ny rivo-doza Ary ny fandringanana anareo toy ny tadio, Ka manjo anareo ny fahoriana sy ny fangirifiriana,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E9A72A9F-817F-4EC9-A95C-CA498AF251F8
28
Dia vao hantso Ahy izy, fa tsy hamaly Aho; Dia vao hitady Ahy fatratra izy, fa tsy ho hitany Aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|20970B81-6318-4305-95C2-B1C7CE7F6556
29
Satria nankahala ny fahalalana izy Ary tsy nifidy ny fahatahorana an'i Jehovah,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E5E6079A-F619-43D2-BED1-7F5FF532736B
30
Tsy nekeny ny saina natolotro, Notsiratsirainy avokoa ny anatro rehetra,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4ED384C3-EF1C-4D42-9A62-F11F34F8A9D4
31
Dia hihinana ny vokatry ny alehany izy Ka ho voky ny fihendreny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3337086B-5B06-430C-A876-62A9527CF204
32
Fa ny fihemoran'ny kely saina hahafaty azy, Ary ny fiadanan'ny adala handringana azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|785AD2C4-953B-4717-8D4B-375117DD93DD
33
Fa izay mihaino Ahy kosa hitoetra tsy manana ahiahy, Eny, handry fahizay izy ka tsy hatahotra ny ratsy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|91D34D47-E461-4B77-999F-36D29A9B3494
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany