Andininy Protestanta Malagasy 1 NY Ohabolan'i Solomona, zanak'i Davida, mpanjakan'ny Isiraely: 2 Hahalalana fahendrena sy fananarana Ary hahafantarana ny tenin'ny fahalalana; 3 Hahazoana fananarana mampahahendry, Dia fahamarinana sy rariny ary fahitsiana; 4 Hanomezam-pahendrena ho an'ny kely saina Ary fahalalana sy fisainana mazava ho an'ny zatovo. 5 Aoka ny hendry hihaino ka hitombo saina; Ary aoka ny manam-panahy hahazo fitarihana tsara; 6 Hahafantarana ohabolana sy fanoharana Ary ny tenin'ny hendry sy ny teny saro-pantarina ataony. 7 Ny fahatahorana an'i Jehovah no fiandoham-pahalalana; Fa ny adala manamavo ny fahendrena sy ny famaizana.
|