Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ny mizana mandainga dia fahavetavetana eo imason'i Jehovah; Fa ny vato marina no ankasitrahany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B98AB843-8AEF-4AFB-A820-CC74A93E088A
2
Raha tonga ny fiavonavonana, dia tonga koa ny fahafaham-baraka; Fa ao amin'ny manetry tena no misy fahendrena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|24A633ED-B636-4E35-83B1-6B2608A586DA
3
Ny fahitsian'ny mahitsy no mitarika azy; Fa ny faharatsian'ny mpivadika mahatonga fandringanana amin'ny tenany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3B4306A2-A476-4A0E-9962-289BD2022826
4
Ny harena dia tsy mahasoa amin'ny andro fahatezerana; Fa ny fahamarinana no mamonjy tsy ho azon'ny fahafatesana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3452CBB7-A749-411A-B46F-5C49CA15FBE2
5
Ny fahamarinan'ny marina mandamina ny alehany; Fa ny ratsy fanahy lavon'ny haratsiany ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|20E23C5D-B5B1-417B-BC64-F80A1489FFC1
6
Ny fahamarinan'ny mahitsy mamonjy azy; Fa ny mpivadika dia voafandriky ny filàny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FF3F6A16-DA7D-4AC5-ADC9-992AD147EE85
7
Raha maty ny ratsy fanahy, dia foana ny fanantenany, Eny, foana ny fanantenan'ny mpanao ratsy. [Na: mahery.]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|39D9B0CA-4E42-452B-B504-ED2E5EACA280
8
Ny marina dia vonjena amin'ny fahoriana; Fa ho avy kosa ny ratsy fanahy hisolo azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|66B0449F-1256-44E4-9F8E-66723218D92E
9
Ny vavan'ny mpihatsaravela-tsihy [Na: ratsy fanahy.] no animbany ny namany; Fa ny fahalalana no hanafahana ny marina. [Na: Ny fahalalan'ny marina no hanafahana ny namany.]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AA22E6B1-2942-4181-9ECE-445E27618AE5
10
Raha miadana ny marina, dia ravoravo ny tanàna; Fa raha ringana ny ratsy fanahy, dia velona ny hoby.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|69ED32C2-561F-4074-A1C5-5C1B38EDC2CF
11
Ny fisaoran'[Na: Ny fitahiana avy amin'.] ny marina no isandratan'ny tanàna; Fa ny vavan'ny ratsy fanahy no aharavany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0A60E7A3-D27A-4486-B5AB-E60D9C093683
12
Tsy ampy saina izay manamavo ny namany; Fa izay hendry dia mangina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|97667DAD-47A2-4414-8E59-6EB2E1250F23
13
Izay mandehandeha manaratsy dia manambara ny hevitra afenina; Fa ny olona mahatoky tsy mba tia lazalaza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0F80F52C-3836-4E45-9344-F18757E34783
14
Raha tsy misy mpitondra, dia rava ny firenena; Fa handry fahizay, raha maro ny mpanolo-tsaina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D58B3333-FB39-4555-9A1A-1D748D642738
15
Hahita loza tokoa ny mianto-bahiny; Fa mitoetra tsy manana ahiahy ny tsy tia antoka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|433EAEEC-3407-4F1F-99F3-5D7BADEB6C8E
16
Ny vehivavy tsara tarehy mahazo dera; Ary ny mpanao an-keriny mahazo harena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|23E0D13D-3651-4F0C-98C9-8C2A6D0D7617
17
Ny olona mamindra fo dia mahazo soa ho an'ny tenany; Fa ny lozabe dia todìn'ny halozany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D67D7359-16BF-4DB4-84E5-1E3ADCB28E7D
18
Ny ratsy fanahy dia mahazo valiny tsy mahasoa; Fa izay mamafy fahamarinana no mahazo izay tena tambiny tokoa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ABA48203-9FD8-49A9-89A0-923BB70D8E38
19
Ny tena fahamarinana dia mamantana any amin'ny fiainana; Fa izay fatra-panaraka ny ratsy dia iharan'ny fahafatesana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F94C1773-2679-4E83-8207-2DFCFD105FF4
20
Fahavetavetana eo imason'i Jehovah ny meloka am-po; Fa ankasitrahany kosa izay mandeha tsy misy tsiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6173E703-5D8B-4935-A720-92B26E62C8D3
21
Azo itompoana tokoa fa [Azo ifandraisan-tànana fa; na: Hatramin'ny taranaka fara mandimby dia.] tsy maintsy hampijalina ny ratsy fanahy; Fa ny taranaky ny marina no hovonjena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|47691E84-2475-4187-9808-608B41A1ECF4
22
Toy ny kavim-bolamena eo amin'ny oron-kisoa Ny vehivavy tsara tarehy tsy manam-pahendrena. [Na: efa niala tamin'ny fahendrena.]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EB6D7E34-3164-47F7-9D03-035FC97ACC27
23
Ny soa ihany no irin'ny marina; Fa fahatezerana no fanantenan'ny ratsy fanahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2C5820E0-39ED-4A0C-811A-492280857275
24
Misy mahafoy, [Heb. mamafy.] nefa mitombo fananana ihany; Ary misy fatra-pahihitra loatra, [Na: mihazona ny hareny.] nefa tonga malahelo ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8E7CAFAA-2926-411B-8CA3-A473B0A5DB59
25
Izay manisy soa olona hohatavezina; Ary izay mandena dia mba holemana kosa. [Heb. Ary izay mampisotro dia mba hampisotroina kosa.]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DF07693C-7BC2-4BE3-A492-A0E84E2AC352
26
Izay tsy mamoaka ny variny dia ozonin'ny olona; Fa saotra no ho amin'ny lohan'izay mivarotra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B7756D17-0A29-4E42-A08D-570D6AFA46F6
27
Izay fatra-pikatsaka ny tsara no mitady ny mahafinaritra; Fa izay mitady ny ratsy dia hiharan'izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|597DB394-1882-4BD4-A01E-539F670E70CD
28
Izay matoky ny hareny dia ho lavo; Fa ny marina ho tahaka ny ravina maitso.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A442AC33-9D7C-4D67-B0AD-720C4F2AF914
29
Izay mampidi-doza amin'ny ankohonany dia mandova ny rivotra; Ary ny adala dia tonga mpanompon'ny hendry.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4CD8F896-EDA9-4784-9B5A-E8B8DE31DCCF
30
Ny vokatry ny marina dia hazon'aina, Ary ny hendry dia mahataona olona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2C112EAB-811A-4E73-9017-360919E3BCC4
31
Indro, ny marina aza dia valiana ety an-tany, Koa mainka fa ny ratsy fanahy sy ny mpanota!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1ED12084-D5A3-4BAE-AC32-7CC3FEC03056
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany