Andininy
Protestanta Malagasy
1
Izay tia fananarana no tia fahalalana; Fa izay mandà anatra dia biby.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|130821EC-6864-42B9-93BF-2583CECB214F
2
Ny tsara fanahy mahazo sitraka amin'i Jehovah; Fa ny mamoron-tsain-dratsy hohelohiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|15470B8D-EEB5-47EF-A598-76DD4FFCABA7
3
Tsy maha-tafatoetra ny olona ny haratsiana; Fa ny fàkan'ny marina tsy mba hihetsika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|78999818-DC39-4A17-8D13-5C13E21550DB
4
Ny vehivavy tsara dia satroboninahitry ny lahy; Fa ny vehivavy manao izay mahamenatra kosa dia tahaka ny lo ao anatin'ny taolana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2ED599BC-CAB3-4017-A5AF-71891C669D66
5
Rariny ny hevitry ny marina; Fa fitaka ny fisainan'ny ratsy fanahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|986D21A0-4BC7-4F08-B0CC-6B23AB9D13F6
6
Ny tenin'ny ratsy fanahy dia otrika ho enti-mandatsa-dra; Fa ny vavan'ny marina hamonjy azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DCE14950-7B98-4CFC-88F3-C77B42A6C711
7
Haringana ny ratsy fanahy ka tsy ho ao intsony; [Na: Vetivety foana dia tsy ao intsony ny ratsy fanahy.] Fa ny mpianakavin'ny marina haharitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A19DA381-A87F-440B-A818-4830176BC933
8
Araka ny fahendren'ny olona no hiderana azy; Fa izay meloka am-po dia hatao tsinontsinona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0AB3F82C-31FC-4486-AB50-B91069DB0ED1
9
Aleo ambany toetra, nefa manana mpanompo iray, Toy izay mihambo ho be voninahitra, nefa tsy manan-kohanina akory.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EF3C8243-3012-4B80-9EF1-AC3FF8B711B3
10
Ny marina mitsimbina ny ain'ny bibiny; Fa fahasiahana kosa no famindrampon'ny ratsy fanahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B199C4F1-F065-494F-B9FE-43950D7AD27A
11
Izay miasa ny taniny dia ho voky hanina; Fa izay manaraka ny olom-poana [Na: ny zava-poana] dia tsy ampy saina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D9C6DFB6-65A0-4082-BBC3-437847DD3222
12
Ny mpanota maniry ny hazan'[Na: ny fandriky] ny ratsy fanahy; Fa ny fàkan'ny marina mitrebona. [Na: fa ny marina ataon'Andriamanitra miorim-paka.]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EB88D91E-9EBD-444C-BB74-7628CA066182
13
Amin'ny fahotan'ny molotra dia misy fandrika ahitan-doza; Fa ny marina ho afaka amin'ny fahoriana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BACDD0B7-139D-4601-9F0C-C36D891AE44F
14
Ny vokatry ny vavan'ny olona no mahavoky soa azy, Ary ny asan'ny tànany hitsingerina aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|559A972B-5BCE-4E58-85BF-DAEC1A31EE10
15
Ny làlan'ny adala dia mahitsy eo imasony; Fa izay mino anatra no hendry.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D275710D-6361-46D2-9EF5-38B4B0FE53D3
16
Ny fahasosoran'ny adala dia fantatra miaraka amin'izay; Fa izay mahatsindry fo amin'ny fanalam-baraka no hendry.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FEB2D867-2ECA-4768-8431-C0DD2B08BDDF
17
Izay olona mahatoky dia manambara ny rariny; Fa ny vavolombelona mandainga kosa miteny fitaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C09803F5-C350-4ABD-A7E6-FE06B423EDB4
18
Misy mandefalefa teny tsy tsaroana ka tonga toy ny fanindron'ny sabatra; Fa ny lelan'ny marina dia fanasitranana kosa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B8F709ED-C0A1-4768-AA9E-ED8B408AB43E
19
Ny molotra marina ampitoerina ho mandrakizay; Fa ny lela mandainga dia indray mipì-maso monja.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FEBAC62E-ACC3-46BF-9BCD-29EE39B42311
20
Fitaka no ao am-pon'izay mamoron-tsain-dratsy; Fa hafaliana no amin'izay misaina fiadanana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7A761D36-2F49-4F07-8041-D16FAF5FAEBE
21
Tsy misy ratsy manjo ny marina; Fa heni-doza [Heb. henika ny ratsy.] ny ratsy fanahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0EAD745A-4944-4A48-80C5-D99B4302B473
22
Fahavetavetana eo imason'i Jehovah ny molotra mandainga; Fa izay olona mahatoky no ankasitrahany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AB1C0785-D76D-404D-92BF-A38D7997A04B
23
Ny olon-kendry tsy mba mampideradera fahalalana foana; [Heb. manafina fahalalana.] Fa ny fon'ny adala mamoaka fahadalana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|797D3BA5-E4A6-4EC6-955B-49553DE3466D
24
Ny tànan'ny mazoto no hanapaka; Fa izay miraviravy tànana dia hampanompoina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F9FE6DB3-A018-4829-9091-D0116A75AD1C
25
Ny alahelo ao am-pon'ny olona dia mampitanondrika azy; Fa ny teny soa no mahafaly azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|843751B9-0D8E-4F9A-8116-AE84879EB699
26
Ny marina dia mitari-dàlana ny namany; Fa ny alehan'ny ratsy fanahy kosa no mampivily azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2C8AB6AD-C670-459C-9E8B-BFDCA74BE52C
27
Ny kamo tsy mety mihaza; [Na: tsy mahatono izay nohazainy.] Fa fananana soa ho an'ny olona ny zoto.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7A30E27F-7D45-4313-A8DA-D8321AB88AEB
28
Amin'ny làlan'ny fahamarinana no misy fiainana, Ary ny tsi-fahafatesana no làlan-kalehany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4B5FE180-7BE5-48C3-95FB-086B3128F088
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany