Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ny zanaka hendry mihaino ny fananaran-drainy; Fa ny mpaniratsira tsy mety mihaino, na dia anarina mafy aza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|70988E00-29E3-46F8-9BC9-E16A87242641
2
Ny vokatry ny vavan'ny olona no ahazoany soa; Fa ny hampidi-doza no mahafaly ny mpivadika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|89429040-C434-4465-AFBA-DC17F65B0542
3
Izay mahambim-bava no miaro ny ainy; [Na: ny fanahiny.] Fa izay vavana dia haringana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7A921C99-F104-419A-9F4A-CA8043D727EE
4
Ny fanahin'ny kamo maniry, fa tsy mba mahazo; Fa ny fanahin'ny mazoto hohatavezina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BCFA5A39-450D-4546-B464-ECE03A46602F
5
Ny lainga dia halan'ny marina; Fa ny ratsy fanahy manao izay maharikoriko sy mahamenatra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BD61A763-C63C-4249-AF3D-13D6632D2409
6
Ny fahamarinana miaro izay mandeha tsy misy tsiny; Fa ny haratsiana mamotraka ny mpanota.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EAEF3AE2-B5AE-4CAB-8D42-0720A88A3C9F
7
Misy mihambo ho manan-karena, nefa tsy manana na inona na inona; Misy kosa mody malahelo, nefa manana harena be.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CE8D3B5D-2D5E-4278-AFB5-E93AE314374E
8
Ny haren'ny olona dia avotry ny ainy; Fa ny levilevy tsy mampiraika ny malahelo akory.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C3878320-0934-435C-ADE8-C056765E7367
9
Ny fahazavan'ny marina dia tsara firehitra; [Heb. mifaly.] Fa ny jiron'ny ratsy fanahy ho faty.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0D9A3387-130D-4CB9-B06C-B1AE6C44E1DA
10
Fifandirana ihany no vokatry ny fiavonavonana; Fa ao amin'ny mino anatra no misy fahendrena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|05B72AB9-B326-4C31-B89A-D3DBAB12863B
11
Ny harena azoazo foana dia mihena làlandava; Fa izay mahavatra mitsimpona no mampitombo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2F1D6D58-796A-48E6-B516-9D42440CD5DA
12
Ny fanantenana tsy azo vetivety dia mankarary am-bavafo; Fa hazon'aina ny faniriana tanteraka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|85BEA3BD-EE88-4293-9023-1D4325B7FC2C
13
Izay manamavo ny teny ho voasingony; [Na: mahavery tena.] Fa izay matahotra ny didy no hahazo valim-pitia.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A46EABCE-8BE6-4A38-9272-76509194CA29
14
Ny fampianaran'ny hendry dia loharanon'aina Ka mampivily tsy ho ao amin'ny fandriky ny fahafatesana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5FEDD963-71D2-4791-8F63-9D918DA4FFC9
15
Ny fahendrena tsara dia ahazoam-pitia; Fa sarotra ny làlan'ny mpivadika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D158E624-87F4-4A66-9502-B05699AAA9C6
16
Ny mahira-tsaina, rehetra miasa amin'ny fahalalana; Fa ny adala kosa mampiseho hadalana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1C97C8E5-F7C7-42DD-9FEC-C3ED0EA359F7
17
Ny iraka ratsy fanahy idiran-doza; Fa ny iraka mahatoky dia famelombelomana. [Na: fanasitranana.]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|71E515AC-4614-473B-B792-FE96362EAAA4
18
Fahalahelovana sy henatra no ho an'izay mandà famaizana; Fa izay manaiky anatra no homem-boninahitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9A3C7584-D3B7-49A1-99A6-836069C9956B
19
Mamin'ny fo ny faniriana tanteraka; [Na: efa mitranga.] Fa fahavetavetana eo imason'ny adala ny hiala amin'ny ratsy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DA765CF8-271F-4A57-AC35-9728B0B18FD4
20
Izay miara-dia amin'ny hendry dia ho hendry; Fa izay misakaiza amin'ny adala dia hidiran-doza. [Na: ho ratsy.]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D0C91285-0F98-4273-BBCA-B00AC712EEF1
21
Ny mpanota dia enjehin'ny loza Fa hovalian-tsoa ny marina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E2A3609F-CEDD-4F32-BDAB-2D3AE5C3D74C
22
Ny tsara fanahy mahenina lova ny zafiny; Fa ny haren'ny mpanota kosa voatahiry ho an'ny marina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|60CDD814-ADFA-4976-8039-F63667F2FCA5
23
Ny tanin'ny malahelo izay voasa dia ahazoana hanina be; Fa maro no ringana noho ny fanaovany izay tsy rariny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0512A8A9-05D8-435B-969F-8FECF3D3AAA4
24
Izay mitsitsy ny tsorakazony dia tsy tia ny zanany; Fa izay tia zanaka dia manafay azy, raha mbola kely.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DCAE8CD2-EED8-4060-96B3-8FB860327EA5
25
Ny marina mihinana ka voky tsara; Fa noana ny kibon'ny ratsy fanahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D61CC790-AFDB-4678-AEBC-A630B4EFF470
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany