Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ny vehivavy hendry [Heb. fahendren'ny vehivavy.] dia samy manao ny tranony; Fa ny adala [Heb. fahadalana] kosa mandrava ny tranony amin'ny tànany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CCE68DC4-1754-44AA-9CB1-A3357EB3A809
2
Mandeha mahitsy izay matahotra an'i Jehovah; Fa mivily làlana kosa izay maniratsira Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5840E946-30FC-4B8C-BE1B-5FAC7EE7A256
3
Eo am-bavan'ny adala misy tsorakazon'ny fiavonavonana; Fa ny molotry ny hendry miaro ny tenany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2CE6CE39-6C91-4C26-981D-7C8757CE073C
4
Raha tsy misy omby, dia foana ny fihinanam-bilona; Fa be ny fitomboan-karena azo amin'ny herin'ny omby.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0A4079EA-EC7C-45A2-A9F6-3ECF60137B70
5
Ny vavolombelona mahatoky tsy mba mety mandainga; Fa mamoaka lainga kosa ny vavolombelona tsy mahatoky.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|91889209-1F6C-418B-A368-F10802A89C4E
6
Ny mpaniratsira mba mitady fahendrena, fa tsy mahita; Fa ny manan-tsaina mora mahazo fahalalana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A6F21C6F-1EE6-4901-876D-1904EFAB6B30
7
Mialà eo anatrehan'ny olona adala, Fa tsy ho hitanao aminy ny molotry ny fahalalana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5AC5911A-C592-494A-99FB-6A5AF14F1C7F
8
Ny mitandrina ny alehany no fahendren'ny mahira-tsaina; Fa fitaka ny hadalan'ny adala.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5EBACA02-6B80-4912-9719-057008D3D2CC
9
Ny adala ihomehezan'ny fanati-panonerana; [Na. Ihomehezan'ny adala ny heloka.] Fa ao amin'ny marina no misy fankasitrahana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|852E8D7F-7BA5-43AF-856F-12CF14554E0D
10
Ny fo no mahalala ny fangidian'ny alahelony; Ary tsy raharahan'ny olon-kafa ny hafaliany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|24DA59C5-2494-435D-A1AD-D1C19E7BA8D5
11
Ravana ny tranon'ny ratsy fanahy; Fa ambinina ny lain'ny marina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A4CF00B7-E495-46F6-AC3D-EE62777D9D6C
12
Misy làlana ataon'ny olona ho mahitsy, Kanjo làlana mivarina any amin'ny fahafatesana no iafarany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A1A8D6E0-EC4E-41D3-BB7C-C4039F2E1745
13
Na dia mihomehy aza, dia ory ihany ny fo, Ary ny faran'ny hafaliana dia alahelo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D08CE698-F759-4F82-A56A-2B4B81A19930
14
Ny mihemotra am-po dia ho voky ny alehany; Fa ny tsara fanahy kosa ho voky ny azy ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C654E2D9-A52B-4DB5-A538-8E5B9AE49AF3
15
Ny kely saina mino ny teny rehetra; Fa ny mahira-tsaina mandinika ny diany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|34E99F4D-4BA0-4C28-B9A9-A93837F62861
16
Ny hendry matahotra ka mivily tsy ho amin'ny ratsy; Fa ny adala fatra-pirehareha [Na: misafoaka.] ka matokitoky foana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C18E086B-9843-4DAC-94CF-F5BE6164C7EA
17
Izay malaky tezitra dia manao adaladala; Ary ny olona mamoron-tsain-dratsy dia ankahalaina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|75A86C65-549D-44F7-B76F-6C1CF76B9174
18
Ny kely saina dia handova fahadalana; Fa ny mahira-tsaina mahazo ny fahalalana ho satroboninahiny. [Na: mandray fahalalana.]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|871C8C30-2E15-4C7D-B5A6-AEA47DCEB974
19
Ny ratsy fanahy miondrika eo anatrehan'ny tsara fanahy, Ary ny meloka dia eo am-bavahadin'ny marina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|728BF232-F943-4301-B2E8-4DB5E00CDE46
20
Ny malahelo dia halan'ny havany aza; Fa ny manan-karena no tian'ny maro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|08CD18C0-5C59-41C9-A727-A323D95297BF
21
Izay manao tsinontsinona ny namany dia manota; Fa endrey ny fahasambaran'Izay mamindra fo amin'ny ory!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|83A6AE20-D7F9-4A52-9B77-DA5FDCCA4BBA
22
Tsy mivily va izay manao asa [Na: misaina ny.] ratsy? Fa famindrampo sy fahamarinana no ho an'Izay manao asa [Na: misaina ny.] tsara.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|27802464-EC36-4B27-A7B5-31BB90658450
23
Ny fisasarana rehetra misy valiny avokoa; Fa ny molotra mibedibedy foana tsy mba ahazoana na inona na inona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7587A178-4D19-4043-8A90-574CCB492EF8
24
Satroboninahitry ny hendry ny hareny; Fa ny fahadalan'ny adala dia fahadalana ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AD9502FE-8CE0-455E-A01F-3AD092FF0B9E
25
Ny vavolombelona marina mamonjy ain'olona; Fa izay mamoaka lainga dia tena fitaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3507170A-CE47-4AD1-B4CF-8838EA580385
26
Ny fahatahorana an'i Jehovah dia fiarovana mahatoky. Ary ny zanany hahazo fialofana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|92F3B876-87B6-4F45-8397-D7D639D5A0E5
27
Ny fahatahorana an'i Jehovah no loharanon'aina, Hanalavirana ny fandriky ny fahafatesana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AC89F5B1-5ED0-4814-9909-3FF39BD1AA03
28
Ny fahabetsahan'ny vahoaka no voninahitry ny mpanjaka; Fa ny havitsiany kosa no fietreny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2D7ED423-F65A-45E4-A05E-FA1B0B6A5C84
29
Be saina Izay mahatsindry fo; Fa ny malaky tezitra mampiseho ny fahadalany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|205DF0B7-E056-41B5-80D4-E206B002FCC7
30
Ny fo mionona no fiainan'ny nofo; Fa ny fahamaimaizan-tsaina dia mahalo ny taolana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|84B93ECC-8A07-4FEB-9E62-8E37FFE52CDC
31
Izay mampahory ny mahantra dia manala baraka ny Mpanao azy; Fa ny mamindra fo aminy kosa dia manome voninahitra Azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|69F0FD1B-4973-4ABD-847D-0A538D01A97F
32
Ny ratsy fanahy azera [Na: roahina.] noho ny haratsiany; Fa ny marina matoky, na dia mby ao amin'ny fahafatesana aza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E1B261FA-1AFC-4476-9F2C-FAF4894F8C93
33
Mandry tsara ao am-pon'ny manan-tsaina ny fahendrena; Fa ny an'ny adala kosa dia miharihary.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C8F1CD31-6B38-4FD7-881B-045A5DAC79C5
34
Ny fahamarinana manandratra ny firenena; Fa ny ota kosa dia fahafaham-baraka amin'ny olona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|67DC07BA-8A91-4F27-9981-DA4BD8AE59FD
35
Ny fankasitrahan'ny mpanjaka dia amin'ny mpanompo hendry; Fa ny fahatezerany kosa amin'ny manao Izay mahamenatra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0077FFEE-BBFA-4391-B600-C0D86384BBD1
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany