Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ny famaliana mora dia mampianina ny fahatezerana mafy; Fa ny teny maharary mahatonga fahasosorana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|52BB5480-73DB-4ECE-A482-9053D305B4D3
2
Ny lelan'ny hendry mampiseho fahalalana tsara; Fa ny vavan'ny adala miboiboika fahadalana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CC9F8483-23D1-4F13-BBD7-BB5E05BCF9EC
3
Ny mason'i Jehovah amin'izao rehetra izao, Mijery ny ratsy fanahy sy ny tsara fanahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F5B0EBC4-94E3-48D2-BEBB-A5B55E02C3B3
4
Ny teny [Heb. lela.] malemy dia hazon'aina; Fa ny vava ratsy mandratra ny fanahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FBB6F7E9-A030-4D4A-92AD-C7A16A9C14E5
5
Ny adala maniratsira ny famaizan-drainy; Fa izay mitandrina ny fananarana no hita ho hendry.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|11E1ED44-B454-4328-AC45-691A1D797323
6
Ao an-tranon'ny marina misy harena be; Fa ny fitomboan'ny haren'ny ratsy fanahy dia misy loza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BDE78EF6-3A75-4697-A28E-57E5BEB5AF70
7
Ny molotry ny hendry mampiely fahendrena; Fa tsy mba toy izany ny fon'ny adala.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|12427C98-2A79-45BD-B90D-C267F39A030A
8
Ny fanatitry ny ratsy fanahy dia fahavetavetana eo imason'i Jehovah; Fa ny fivavaky ny marina no sitrany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|21074C8C-EC3E-4C5A-ACB8-BA1FE30752A9
9
Fahavetavetana eo imason'i Jehovah ny làlan'ny ratsy fanahy; Fa Izay fatra-panaraka ny fahamarinana no tiany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|77B12041-0222-4A0E-AC8A-EF5B1DC1E4EA
10
Famaizana mafy no hihatra amin'Izay mivily làlana. Eny, izay mankahala anatra dia ho faty.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B59E7815-9476-43F0-9FD9-24A4D0BE322B
11
Ny fiainan-tsi-hita [Heb. Sheola.] sy ny fandringanana aza dia miharihary eo anatrehan'i Jehovah, Koa mainka ny fon'ny zanak'olombelona!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|350738D9-4AF0-4104-B2CB-81FF6D4A3B06
12
Tsy tian'ny mpaniratsira Izay mananatra azy, Ary tsy mety manatona ny hendry Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8EBB3823-99F4-496A-9C57-38A59176161A
13
Ny fo ravoravo mahamiramirana ny tarehy; Fa ny alahelon'ny fo mahareraka ny fanahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1868576D-470C-4B5B-9CE0-ACE2256A7742
14
Ny fon'ny manan-tsaina mitady fahendrena; Fa ny vavan'ny adala mankamamy ny fahadalana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1FAF13CB-3C30-4BF0-8BC4-74646970CDB9
15
Ratsy avokoa ny andron'ny ory; Fa ny faharavoravoam-po dia fanasana mandrakariva.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|86EE269A-02F6-4A96-A535-46D5A8EF0CA9
16
Aleo ny kely misy ny fahatahorana an'i Jehovah Toy izay harena be misy ahiahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|55FAE75F-AD53-4E95-911A-38902CE871C8
17
Aleo sakafo anana ampian-tsetsetra [Heb. fitiavana.] Toy izay omby mifahy asian-dromoromo. [Heb. fankahalana.]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8E0E8595-D844-4F22-8FEE-04CB2A5F21CC
18
Izay malaky tezitra manetsika ady; Fa izay mahatsindry fo mampitsahatra fifandirana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7A7871A6-96C7-4AD9-B214-0D14DC419187
19
Ny làlan'ny malaina dia toy ny fefy tsilo Fa ny làlamben'ny marina dia voalamina tsara.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4CE66234-955C-400F-A1D8-337186B1C1BA
20
Ny zanaka hendry mahafaly ny rainy; Fa ny adala manao tsinontsinona an-dreniny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0DC63A79-46F8-4362-8905-92E333B202DB
21
Ny fahadalana dia fifalian'ny tsy ampy saina; Fa ny manan-tsaina kosa mizotra mahitsy
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A99987BE-99B3-4F96-9A86-62C87F28E1D8
22
Ho foana ny fikasana, raha tsy misy mpisaina; Fa raha maro ny mpanolo-tsaina, dia tanteraka izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|11D6D92D-11D8-44FA-BE3F-0E29F2DE3CCA
23
Faly ny olona, raha mahavaly tsara ny vavany, Ary endrey ny hatsaran'ny teny atao amin'izay andro mahamety azy!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D3402372-BE84-4998-AE9D-527E072F0E34
24
Làlan'aina ho any ambony no alehan'ny hendry, Hanalavirany ny fiainan-tsi-hita [Heb. Sheola.] any ambany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2E764584-4617-4E3A-AF17-BA02FC002467
25
Ravan'i Jehovah ny tranon'ny mpiavonavona; Fa ny fari-tanin'ny mpitondra-tena aoriny mafy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0D734E4B-7638-4C82-9A24-AB494E7673B6
26
Fahavetavetana eo imason'i Jehovah ny hevi-dratsy; Fa madio ny [Na: Fa ny madio manao.] teny mahafinaritra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|674D0A35-B7F7-441A-A95D-C08D87E7F080
27
Izay fatra-pila harena dia mampidi-doza amin'ny ankohonany; Fa izay mankahala kolikoly no ho velona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0317CBE8-4C25-4A6B-98D2-3E1BB5A9914A
28
Ny fon'ny marina mihevitra vao mamaly; Fa ny vavan'ny ratsy fanahy kosa miboiboika faharatsiana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DDBC28D8-62AD-4B1A-8637-A13C04316190
29
Jehovah dia lavitra ny ratsy fanahy; Fa ny fivavaky ny marina no henoiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|61EB48AA-BC96-4F53-BB47-1C0E996A7BFF
30
Ny tarehy miramirana [Heb. Ny fahazavan'ny maso.] mahafaly ny fo; Ary ny filazan-tsoa mamelombelona ny taolana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7DDE5167-D485-4A8A-9E7A-51E550EDF506
31
Ny sofina izay mihaino anatra mahavelona Dia miara-mitoetra amin'ny hendry.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6A436F07-4880-437A-B99E-62DD46BECD64
32
Izay mandà anatra dia manary tena; Fa izay mihaino ny fananarana no mahazo fahalalana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DA9EA2AF-48F3-4E05-A11D-8B88DEFE0CD2
33
Ny fahatahorana an'i Jehovah dia fananarana mampahahendry; Ary ny fanetren-tena mìaloha ny fisandratana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9C36288A-D454-4ADC-BE3F-43F19EBB37A0
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany