Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ny fikasan'ny fo no amin'ny olona; Fa ny famalian'ny lela dia avy amin'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|63079B6F-64F3-4814-9C42-CC7F8DAE8A12
2
Ataon'ny olona ho madio avokoa ny làlana rehetra alehany; Fa Jehovah ihany no mpandanja ny fanahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1A1E13A9-C68B-4D86-8CDC-1FAD32C65745
3
Ankino amin'i Jehovah ny asanao, Dia ho lavorary izay kasainao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D70BED43-5F58-4B15-95AB-B98D42D59619
4
Ny zavatra rehetra nataon'i Jehovah dia samy misy antony avokoa; Eny, ny ratsy fanahy koa aza dia nataony ho amin'ny andro hahitan-doza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DD6E674B-0CD9-43FB-AE95-8CB8EECCB90F
5
Fahavetavetana eo imason'i Jehovah izay rehetra miavonavona am-po, Azo itompoana tokoa fa [Heb. Azo ifandraisan-tànana; na: Hatramin'ny taranaka fara mandimby dia.] tsy maintsy hampijalina izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CA6BF370-D94D-4114-834E-715FFC9A5A85
6
Ny famindrampo sy ny fahamarinana no avotra amin'ny heloka; Ary ny fahatahorana an'i Jehovah no analavirana ny ratsy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|07DC9027-F834-4A8D-91DD-09726474CA8C
7
Raha sitrak'i Jehovah ny alehan'ny olona, Na dia ny fahavalony aza dia hampihavaniny aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D80BE6CD-034A-4896-A6BC-101A0998E654
8
Aleo ny kely omban'ny fahamarinana Toy izay ny harem-bevava azo amin'ny tsy rariny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CF1AE1EC-3407-41C9-9C9F-ADB3B16421B6
9
Ny fon'ny olona mihevitra tsara ny halehany; Fa Jehovah ihany no mahalavorary ny diany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FF6B46FA-ED18-4BC4-98F2-01A5CFFB1566
10
Ny teny marina dia eo amin'ny molotry ny mpanjaka, Ary tsy diso teny izy, raha mitsara.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FF112CD0-68FB-4B40-9D4A-AD5815E5D52D
11
An'i Jehovah ny fandanjana sy ny mizana marina, Avy aminy [Heb. Asany.] avokoa ireo vato rehetra an-kitapo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1484643C-0911-4178-87B4-1BE89CE60209
12
Fahavetavetana eo imason'ny mpanjaka ny fanaovan-dratsy; Fa fahamarinana no iorenan'ny seza fiandrianana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D3FBF78F-5F3E-4AE1-BCBA-DAFB8502B03C
13
Sitraky ny mpanjaka ny molotra marina, Ary izay miteny mahitsy no tiany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7979A80A-14AD-4092-90B5-816780EAA743
14
Ny fahatezeran'ny mpanjaka dia iraky ny fahafatesana. Fa ny olon-kendry mampionona izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B1050601-D2B8-4ADF-9725-16C7B9F56ADB
15
Amin'ny fahamiramiranan'ny tarehin'ny mpanjaka dia misy fiainana, Ary ny fankasitrahany dia toy ny rahona amin'ny fararano.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|307016A9-D645-44AF-81A8-3A22E57D16AC
16
Tsara ny mahazo fahendrena noho ny volamena, Ary tsara ny mahazo fahalalana noho ny volafotsy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|824DCEE6-C33E-4A51-A554-96738D760BD3
17
Ny manalavitra ny ratsy no làlamben'ny marina, Ary izay mitandrina ny alehany no miaro ny ainy. [Na. fanahiny.]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|081B768A-39DA-4E53-B6AE-8E4DD561A507
18
Ny fiavonavonana mialoha ny fahasimbana, Ary ny fanahy mirehareha mialoha ny fahalavoana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0681298B-41B3-4C34-974E-436D90AF2652
19
Tsara ny malemy fanahy ao amin'izay manetry tena Noho ny mizara babo amin'izay miavonavona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FCBA3D1B-F571-497A-8BDE-A18A5FEC804E
20
Izay mandinika ny teny no hahita soa; Ary izay matoky an'i Jehovah no ho sambatra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ACF4EA8F-BC13-4939-82B6-C007AE167EED
21
Izay hendry am-po dia lazaina hoe manan-tsaina, Ary ny hamamian'ny molotra mampandroso fahendrena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|58EBA262-C0EC-4F43-A7E0-80642A6E4291
22
Loharanon'aina ny fahazavan-tsaina amin'izay manana izany; Fa ny famaizana ataon'ny adala dia fahadalana ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1627A449-58CB-421C-B673-029E302A49E5
23
Ny fon'ny hendry mahahendry ny vavany Sady manampy fahendrena eo amin'ny molony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A66CFD34-D422-4465-8D5E-CEE639B08BBE
24
Toho-tantely ny teny mahafinaritra, Ka sady mamin'ny fanahy no mahatsara ny taolana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D42F3DA0-F5F9-4ABA-8266-6EBF44857761
25
Misy làlana ataon'ny olona ho mahitsy, Kanjo làlana mivarina any amin'ny fahafatesana no iafarany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|86B40F74-FF7C-49D2-B48E-42F0EC3E8637
26
Ny fahanoanan'ny mpiasa dia mampiasa azy, [Heb. miasa ho azy.] Fa ny tendany [Heb. vavany.] no manesika azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B56549BA-D3A3-4754-BB24-E70D065A83BD
27
Ny ratsy fanahy mihady lavaka fanimbana, Sady misy toy ny afo mahamay eo amin'ny molony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|988E1F3B-BB7C-4E13-972D-8DD930DDAAAA
28
Ny mpivadibadika mamafy ady; Ary ny mpibitsibitsika mampisaraka ny tena mpisakaiza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DF4A9959-AA71-48CF-B0EF-CE40DF331BFF
29
Ny lozabe mitaona ny namany Ka mitarika azy amin'ny làlana tsy tsara.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|38048F54-DD69-47A4-845B-C531776950D4
30
Izay manakimpy ny masony hieritreritra ny ratsy Sady manaikitraiki-molotra dia efa mikasa hanao ratsy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D9AE65C5-00C3-4807-9DFD-E41F49F32BF3
31
Satroboninahitra tsara tarehy ny volo fotsy, Ao amin'ny làlan'ny fahamarinana no ahazoana azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6C94D7DB-748C-4B9D-B1EE-A43DBD6EEA45
32
Tsara ny mahatsindry fo noho ny mahery, Ary izay mahazaka ny fanahiny noho izay mahafa-bohitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0B9952CF-A64F-415E-B643-A2C34BD54FEC
33
Ny filokana dia atsipy ao am-pofoany; Fa avy amin'i Jehovah ihany no isehoan'ny fitsarany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B4918193-530E-42CA-A60F-BC253C34D477
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany