Andininy Protestanta Malagasy 1 Tsara ny sombi-mofo maina misy fiadanana Noho ny trano feno hena misy fifandirana. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3FF2A6BF-0F36-4D43-8BD8-39694017C3D6 2 Ny mpanompo hendry dia hanapaka ny zanaka manao izay mahamenatra Sady hizara lova amin'ny mpirahalahy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|50BF49DB-3D34-4035-95E7-9562777C46C7 3 Ny memy ho an'ny volafotsy, ary ny fatana fandrendrehana ho an'ny volamena; Fa Jehovah ihany no Mpamantatra ny fo. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FB123E7E-CA78-4EC4-8ED1-9527531B35F7 4 Ny mpanao ratsy mampandry sofina amin'ny molotra mandainga; Ary ny mpandainga mihaino ny lela mampidi-doza. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5DD44C54-E55C-4790-B954-03FF18DF6826 5 Izay mihomehy ny malahelo manala baraka ny Mpanao azy; Ary izay faly amin'ny fahorian'ny sasany dia tsy maintsy hampijalina. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A447D46A-F22E-4C32-9FED-9FFE6600C5C9 6 Satroboninahitry ny antitra ny zafiny; Ary voninahitry ny zanaka ny rainy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1E03A3AD-F519-419D-AEBD-147C9F77FC58 7 Ny teny jadona tsy tandrifiny halahatry ny adala, Koa mainka fa tsy tokony ho an'ny zanak'andriana ny molotra mandainga. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C6A26C04-8650-44F9-9000-106D10227A9A 8 Ny kolikoly dia toy ny vato soa eo imason'izay mahazo azy, Ka na aina na aiza alehany dia ambinina ihany. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|24B28943-C874-4B2E-93BD-9E7C0F106851 9 Izay te-ho be fitiavana dia manaron-keloka; Fa izay mamohafoha teny mampisaraka ny tena mpisakaiza. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0C95A9A7-CA8E-4343-A170-A2D33FE9E3CD 10 Ny anatra dia manan-kery kokoa amin'ny hendry Noho ny kapoka injato amin'ny adala. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|79448536-2D8D-4219-8A12-D8172A6650D6 11 Ny maditra dia fatra-pitady ny ratsy, Ka dia iraka lozabe no irahina hamely azy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7F8E126B-8892-4B01-A3F7-576053A80AC5 12 Aleo mifanena amin'ny bera very anaka Toy izay amin'ny adala feno hadalana. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A20596B2-91FB-42AE-8699-A7C977AF5E5B 13 Izay mamaly ratsy ny soa, Ny ratsy tsy hiala ao an-tranony. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|73906F30-8E95-4498-BB7B-E231AD6E2D59 14 Ny fiandohan'ny ady dia toy ny manata-drano, Koa ilaozy ny fifandirana, dieny tsy mbola mifandramatra. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4E92EE1A-68E8-4251-AF2F-15EEB8251810 15 Izay manamarina ny meloka, na izay manameloka ny marina, Dia samy fahavetavetana eo imason'i Jehovah. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F0397872-EB7A-4F22-A80A-1DCB659E620A 16 Hatao inona re ity vola an-tànan'ny adala? Hamidy fahendrena va? -tsy manan-tsaina izy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6FEAD8E2-64A3-461C-8D9D-B018E6E2F4DA 17 Izay tena sakaiza tokoa dia tia amin'ny andro rehetra, Sady miseho [Heb. ateraka.] ho rahalahy hamonjy amin'ny fahoriana. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|80C56B00-BAE3-4801-8FCC-B58CB174447D 18 Olona tsy ampy saina izay mifandray tànana Hiantoka eo anatrehan'ny sakaizany. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0FE61E1E-1DD5-44EF-8772-F58D7DADD853 19 Izay tia ady dia tia heloka; Ary izay manao vavahady avo mitady fahasimbana. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3BBB5BA6-5222-4D8A-A502-C765DBFE83A1 20 Izay madì-po tsy hahita soa; Ary izay manana lela mandainga hivarina any amin'ny loza. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E8EFC914-70BE-4868-A38B-7F1B789E18B3 21 Izay miteraka adala hahazo alahelo; Ary ny rain'ny adala tsy ho faly. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|68B36B7B-6A7D-431D-8EC3-FF5916AD7AB1 22 Ny fo ravoravo mahasalama tsara; Fa ny fanahy kivy mahamaina ny taolana. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9C96624D-B459-41E4-B473-D3BEA1A63311 23 Ny ratsy fanahy mandray kolikoly avy any anaty lamba Ho entiny mamadika ny rariny. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|487938CD-5F16-48FF-9D2D-12FA4E085723 24 Eo anoloan'ny manan-tsaina ny fahendrena; Fa ny mason'ny adala dia mibirioka any amin'ny faran'ny tany. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|54AF31EB-773D-439E-9241-D13973F6A8A8 25 Ny zanaka adala mampalahelo ny rainy Sady fahoriana mangidy amin'ny reniny niteraka azy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|41A96F12-D0A5-4980-87DB-CA75199AA586 26 Tsy mety raha mampijaly ny marina, Na mamely ny manan-kaja noho ny fahamarinany. [Na: tsy amin'ny rariny.] qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DA0E5967-036E-4824-AF63-57D91E4C31C7 27 Izay mahafihim-bava no manam-pahalalana; Ary izay mahatsindry fo no manan-tsaina. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E9B18094-723F-4B04-BCFB-7C8E6F04FA71 28 Na ny adala aza, raha tsy miteny, dia atao ho hendry, Ary izay mahafihim-bava dia toa manan-tsaina. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8D94D8C9-E52C-49CA-9A16-09C1D71275F2
|