Andininy
Protestanta Malagasy
1
Tsara ny malahelo mandeha tsy misy tsiny Noho izay mandainga amin'ny molony sady adala.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0454D70C-A223-49ED-BD37-88690D89AED1
2
Tsy tsara raha tsy manam-pahalalana ny fanahy; Ary izay miezaka mosalahy dia ho diso làlana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|89294FC2-CF32-4D02-9910-EDB56E4EEB80
3
Ny fahadalan'ny olona no mahasimba ny alehany, Ka amin'i Jehovah no sosotra ny fony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1EFEC848-1EBD-4DAB-A7CC-746AA1277F89
4
Ny harena mahamaro sakaiza; Fa ny malahelo afoin'ny sakaizany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AA3900DC-29E1-47F8-B30A-D3191227539D
5
Ny vavolombelona mandainga tsy ho afa-tsiny, Ary izay mamoaka lainga tsy ho afa-miala.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6C9D1FA4-C173-475F-BC4E-27C61ABA45BA
6
Maro no mandambolambo andriana; Ary ny olona rehetra samy misakaiza amin'izay mpanome zavatra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D5D7CF31-63E0-413B-9304-665E7CDC1FC7
7
Ny malahelo dia halan'ny rahalahiny rehetra, Koa mainka fa ny sakaizany tsy hanalavitra azy va? Manandrandra amin'ny teny tsy misy [Heb. manenjika teny tsy misy.] izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AE87D97B-C7BA-4872-8500-D333FB26EE56
8
Izay mihary fahendrena no tia ny tenany, Ary izay mitandrina fahalalana hahita soa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FC115771-C727-4F0B-8302-4CE13023F26C
9
Ny vavolombelona mandainga tsy maintsy hampijalina, Ary ny miteny lainga ho very.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|80361102-B6E6-4017-AA2C-A37E14C92B61
10
Ny ho velona amin'ny fahafinaretana dia tsy tandrifiny ho an'ny adala, Koa mainka izay hanapahan'ny mpanompo ny zanak'andriana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|49593EE6-14C8-4944-B278-DF4B10B880B6
11
Ny fahendren'ny olona manindry ny fahatezerany, Ary voninahitra ho azy ny tsy mamaly fahadisoana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9E824A66-7A5D-430B-B74B-314DA3CA1823
12
Ny fahatezeran'ny mpanjaka dia toy ny fieron'ny liona tanora: Fa ny fitiany kosa toy ny ando amin'ny ahitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|427D2E40-FA92-4A75-992E-DDB1A8170007
13
Ny zanaka adala mahabe fahoriana ny rainy; Ary ny ady ataon'ny vehivavy dia toy ny rano mitete mandrakariva.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A396E401-B05B-4A19-BDE3-F77D188E8F64
14
Trano sy harena no lova avy amin'ny ray; Fa ny vady hendry kosa dia avy amin'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3B5B2D24-BFAD-4755-8ECD-6959AC5E758A
15
Ny hakamoana mahasondrian-tory, Ary ho mosarena ny olona malaina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A7F075BC-4EFB-4D27-9D70-F54F699ACF15
16
Izay mitandrina ny didy mitandrina ny ainy; [Na: ny fanahiny.] Fa izay tsy mihevitra ny alehany dia ho faty.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8987087B-431E-496B-98DF-6CEB45EC8C0D
17
Izay miantra ny malahelo dia mampisambotra an'i Jehovah, Ary izay nomeny dia honerany kosa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3DAC10DE-40EA-40D7-B7C7-A1C7B2BAE61C
18
Faizo ny zanakao, fa mbola misy azo antenaina ihany, Nefa aza dia entim-po loatra, fandrao mahafaty azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B93C00E8-F182-4500-8357-106B78AD450A
19
Ny lozabe tsy maintsy hampijalina; Ary na dia vonjenao aza izy, dia mbola hanahirana anao ihany indray.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FF659B75-9FBF-4DB5-8D20-C3799B9EBC1C
20
Henoy ny saina atolotra, ary raiso ny fananarana, Mba ho hendry hianao amin'izay hiafaranao. [Na: any aoriana.]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|35128A96-8626-4790-ACCF-9664AFCFA1AB
21
Maro ny hevitra ao am-pon'ny olona; Fa ny fisainan'i Jehovah no haharitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A1A785FB-05D6-4351-9EAE-D9E7849A827B
22
Fifaliana amin'ny olona ny manisy soa; Ary aleo ho malahelo toy izay ho mpandainga.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|189B11C7-BA2C-4F8C-B31D-AB8CDE25B1CE
23
Ny fahatahorana an'i Jehovah no ahazoana fiainana; Izay manana izany tsy mba handry fotsy sady tsy hiharan-doza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3B8E912A-C9E6-4EA4-A02E-00D8E10E5D96
24
Ny malaina dia mangarona ny eo an-dovia amin'ny tànany, Nefa ny mampakatra azy ho amin'ny vavany dia tsy zakany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B3C379E8-7428-42D1-9854-CB63C5790D51
25
Kapohy ny mpaniratsira, dia ho hendry ny kely saina; Ary anaro ny manan-tsaina, dia hahalala fahendrena izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|31A34D90-0E61-4A49-8650-435B003FEF02
26
Izay mitohatoha amin-drainy sy mandroaka ny reniny Dia zanaka mahamenatra sy mahafabaraka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ACBA461A-A6A9-4FC9-B1C6-D2457D119375
27
Anaka, mitsahara tsy hihaino anatra Izay mampanalavitra anao ny tenin'ny fahalalana. [Na: Anaka, raha dia minia manalavitra ny tenin'ny fahalalana hianao, Dia mitsahara tsy hihaino anatra.]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6939DC5E-F4CB-42C4-8458-2C23AC5A8472
28
Ny vavolombelona ratsy maniratsira ny fitsarana; Ary ny vavan'ny ratsy fanahy mitelina ny ratsy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0E1BD2B4-0223-4D80-844C-CC07DE80CA98
29
Vonona ho amin'ny mpaniratsira ny fanamelohana, Ary ny kapoka ho amin'ny lamosin'ny adala.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BBB4DB24-2922-4F2D-8519-39B5163BD05A
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany