Andininy
Protestanta Malagasy
1
ANAKA, raha raisinao ny teniko, Ary raketinao ao am-ponao ny didiko,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|296D2B1F-B930-45D9-BBD7-06CF761CCBDE
2
Ka atongilanao amin'ny fahendrena ny sofinao, Ary ampitandremanao fahalalana ny fonao;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A588B938-2C61-42E2-92D7-394A0A08442B
3
Eny, raha miantso ny fahalalana hianao Ary manandratra ny feonao hahazo saina,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|57A19816-DDEE-46CC-B4BC-7E28E78758C1
4
Raha mitady azy toy ny fitady volafotsy hianao Ary mikatsaka azy toy ny fikatsaka harena afenina:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|72F1CFBA-AED8-4A6A-906F-5361A7E3F3B8
5
Dia ho fantatrao marina ny fahatahorana an'i Jehovah, Ary ho hitanao ny fahalalana an'Andriamanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7BE2E216-7CD4-4348-8F72-6E7E7AA208C8
6
Fa Jehovah no manome fahendrena; Avy amin'ny vavany no ihavian'ny fahalalana sy ny fahazavan-tsaina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7A0F409A-9AD0-46CF-A5D9-8261044CF8DD
7
Izy mitahiry fanambinana [Na: teny fahendrena.] ho an'ny mahitsy Sady ampingan'izay mandeha tsy misy tsiny;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A68BEE72-EA4E-4709-B52E-29F57E954E8D
8
Ka dia mitandrina ny làlan'ny fahamarinana Izy Ary miambina ny làlan'ny olony masina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BD036EF0-32A5-4256-AB2C-0532E1A8BDEE
9
ary amin'izay dia ho fantatrao ny fahamarinana sy ny rariny Ary ny hitsiny, dia ny làlana tsara rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E7E4C2F0-1964-4739-ADDB-180BCA985B62
10
Raha latsaka ao am-ponao ny fahendrena, Ary [Na: Fa ho tafiditra ao am-ponao ny fahendrena, Ka ho.] mamin'ny fanahinao ny fahalalana,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0FB0E4D3-2536-468A-81A4-22BB43F9A46D
11
Dia hiaro anao ny fisainana mazava, Ary hiambina anao ny fahalalana,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B2F1524F-F3CF-4E29-B2F2-C92690950AEA
12
Ka hamonjy anao amin'ny làlan-dratsy Sy amin'ny lehilahy izay miteny fitaka,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2DE888EC-0726-4CE4-823C-FE63E8B65CE0
13
Izay mahafoy ny làlan'ny fahamarinana Mba hizorany amin'ny làlan'ny fahamaizinana,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|517F9B7D-9C36-48D5-B1EE-A30EE055FAEC
14
Dia izay faly hanao ratsy Sy finaritra amin'ny fitaky ny ratsy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D4276E34-48F6-42EA-A4C4-14B3B1A713E2
15
Dia izay melo-dàlana Sy maniasia amin'ny alehany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1B768908-9745-478B-BC94-948C7D607CC0
16
Ary hamonjy anao amin'ny vehivavy jejo [Heb. vehivavy tsy vadinao.] koa izany, Dia amin'ny vahiny janga izay mandrobo amin'ny teniny,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B75A98F8-3340-4A74-ABAD-7B8D0113D34A
17
Izay mahafoy ny vadin'[Heb. sakaizan'.] ny fahatanorany Sy manadino ny fanekeny teo amin'Andriamaniny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|53296B47-06FA-4439-986D-7C16E286BE5C
18
Fa ny tranony milentika ho amin'ny fahafatesana, Ary ny alehany mankany amin'ny maty.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C1FB4AB7-871F-4CCE-917B-605D3EE90C0E
19
Tsy misy afa-miverina izay mankany aminy, Na mihazo amin'ny làlan'aina,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C8E8E116-70BC-4BA8-9980-F7991CDFE462
20
Handehananao amin'ny làlan'ny tsara fanahy Sy hitandremanao ny alehan'ny marina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8EA20772-D657-45F6-86A9-FA179014B2B7
21
Fa ny olona mahitsy no honina amin'ny tany, Ary ny tsy manan-tsiny ihany no ho sisa mitoetra ao;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|07E42A68-FA8D-4850-B31D-03F3853EDD86
22
Fa ny ratsy fanahy kosa hofongorana amin'ny tany, Ary ny mpivadika hongotana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AB9FB753-58F4-429E-92F0-3AD5BBC30096
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany