Andininy
Protestanta Malagasy
1
Rano velona eo an-tànan'i Jehovah ny fon'ny mpanjaka, Ka tarihiny amin'izay tiany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ACFFDA1C-38F4-408C-880E-640182581BC6
2
Ataon'ny olona ho marina avokoa ny làlana rehetra alehany; Fa Jehovah ihany no Mpandanja ny fo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|80E48D90-0B21-4E61-87CE-50B4DEE31471
3
Ny hanao izay marina sy mahitsy No sitrak'i Jehovah mihoatra noho ny fanatitra alatsa-dra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ADF59D7A-FFDE-4217-8C0C-0E7ADB3BEE01
4
Ny fiandranandran'ny maso sy ny fiavonavon'ny fo Izay jiron'[Na: asan'.] ny ratsy fanahy-dia ota.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0E0BB6CD-6414-42ED-B956-B7298882ABDA
5
Ny hevitry ny mazoto dia mampanan-karena; Fa ny maimaika rehetra dia halahelo ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5B418C7C-BE78-42B5-B4BC-68A08E8712FD
6
Ny fahazoan-karena amin'ny lela mandainga Dia fofonaina mihelina ho an'izay mitady fahafatesana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F66131A1-228C-4800-A37B-0FE66D4118F7
7
Ny fitohatohan'ny ratsy fanahy hamongotra azy, Satria mandà tsy hanao izay marina izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7736CBF2-69E5-46DA-BF22-CBCD4C42D70C
8
Miolikolika ny làlan'ny mavesa-keloka; Fa mahitsy ny ataon'ny madio.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|55FFED3F-11B6-418C-88EA-AEFAFFEAA25C
9
Aleo mitoetra eo an-joron'ny tampon-trano Toy izay hiray trano amin'ny vehivavy tia ady.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|27C67B0E-2B90-41D7-A638-B1245F0D5180
10
Ny fanahin'ny ratsy fanahy maniry ny ratsy, Ka na dia ny havany aza tsy mahita fitia eo imasony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F5BF9667-3C91-4D62-92D7-9C024209558A
11
Raha ampijalina ny mpaniratsira, dia ho hendry ny kely saina; Ary raha toroan-kevitra ny hendry, dia hahazo fahalalana izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1A279286-2665-4653-8783-64C53B7D94F6
12
Ny Iray Marina no mandinika ny tranon'ny ratsy fanahy Ka mamarina azy ho amin'ny loza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AED97AFA-4503-4BA7-ACD1-60C5862FFA6B
13
Izay manentsin-tadìny amin'ny fitarainan'ny malahelo, Dia mba hitaraina kosa izy, fa tsy hohenoina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|11E14489-C0F2-4C8E-B0AD-6B8FA1871ED4
14
Ny fanomezana mangingina mampionona ny fahatezerana, Ary ny kolikoly amin'ny takona mampitsahatra ny fahavinirana mafy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6D74764B-B79E-4458-A205-E5EF547C3728
15
Fifalian'ny marina ny hanao araka ny rariny; Fa zava-mahatahotra ny mpanao ratsy kosa izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2B02911F-2848-424B-AC8A-F4B2C04AC3BD
16
Ny olona izay mivily miala amin'ny làlan'ny fahendrena Dia hitoetra ao amin'ny fivorian'ny fanahin'ny maty.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C9871506-906C-4226-A740-C1807003DB64
17
Izay tia fanaranam-po dia olona halahelo, Eny, izay tia divay sy diloilo tsy mba hanan-karena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B1489103-D5A6-4D48-B0DF-83623FDC6704
18
Ny ratsy fanahy dia ho avotry ny marina, Ary ny mpivadika ho solon'ny mahitsy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3698D9A3-08B8-4474-B29F-9561B901461D
19
Aleo mitoetra any an-efitra Toy izay amin'ny vehivavy tia ady sady foizina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5B587F2D-12A4-4793-A743-4884FB79421E
20
Harena mahafinaritra sy diloilo no ao amin'ny tranon'ny hendry; Fa ny adala mandany azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F5838C9D-335D-4387-A969-D5FCED531F95
21
Izay fatra-panaraka fahamarinana sy famindrampo Dia hahazo fiainana sy fahamarinana ary voninahitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F497EF30-EFF7-4E66-B9B6-2FED1CC4C9CF
22
Ny hendry mananika ny vohitry ny mahery Ka mandrodana ny fiarovana mafy izay itokiany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|40068D5B-0195-4BE1-9552-36D56D3CFA34
23
Izay miambina ny vavany sy ny lelany Dia miaro ny fanahiny tsy ho azom-pahoriana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|60245B4E-4A46-4408-AFA6-5D562CDF79B8
24
Izay mirehareha sy miavonavora no atao hoe mpaniratsira, Dia izay olona fatra-piavonavona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|95158483-89CF-4D0B-A677-FE0BDFFBAD72
25
Ny fanirian'ny malaina hahafaty azy, Satria ny tànany tsy mety miasa tsinona;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FEE3CE6D-3D3D-4738-B896-436C33499783
26
Maniry fatratra mandritra ny andro izy; Fa ny marina kosa manome ka tsy mba mahihitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1ABDB56A-BBCD-4C2D-B89A-80DC731DF042
27
Ny fanatitry ny ratsy fanahy dia fahavetavetana, Ka indrindra raha amin'ny sain-dratsy no itondrany azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|022526AD-3D38-4402-BD54-481DF2D359AA
28
Ho faty ny vavolombelona mandainga; Fa izay mihaino dia hiteny mandrakariva.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8C132F7D-F6DC-4D44-866A-1B1BD225EB3C
29
Ny ratsy fanahy mampiseho ny fahasahisahiany amin'ny tarehiny; Fa ny marina kosa dia mihevitra izay halehany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0CC933DC-0133-4695-8ECF-C943848A8AA8
30
Tsy misy fahendrena, na fahalalana, Na fisainana mahaleo an'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4A0270A8-4176-4895-8878-BFB8C43B1F19
31
Voaomana ny soavaly ho amin'ny andro iadiana; Fa an'i Jehovah ihany ny fandresena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4902EB7C-30AD-4695-A5FD-66AD4C9F523C
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany