Andininy
Protestanta Malagasy
1
Aleo ho tsara laza toy izay ho be harena, Ary tsara ny fitia noho ny volafotsy sy ny volamena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E00CEECB-BB53-4906-AD90-50E8DEC043C7
2
Mihaona ny manan-karena sy ny malahelo; Fa Jehovah no Mpanao azy roa tonta.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|041C3DB1-ED0D-40CB-AD1E-9D19E2DC58C7
3
Ny mahira-tsaina mahatsinjo ny loza ka miery; Fa ny kely saina kosa mandroso ka voa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|378B956B-FCE5-4283-893A-D773730C4812
4
Ny valin'ny fanetren-tena sy ny fahatahorana an'i Jehovah Dia harena sy voninahitra ary fiainana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|18CA069B-A525-4588-84D7-817188B9DB85
5
Tsilo sy fandrika no amin'ny alehan'ny maditra; Fa izay te-hiaro ny ainy dia manalavitra izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|519F391A-6D61-407B-8AED-91F65C198DD1
6
Zaro amin'izay làlana tokony halehany ny zaza, Ka na rehefa antitra aza izy, dia tsy hiala amin'izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|85E49C0E-1ADF-43D0-87A6-5F365FDAE5A6
7
Ny manan-karena dia manapaka ny malahelo, Ary izay misambotra dia mpanompon'ny mampisambotra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E1565293-3861-4BF6-BCD5-DA8D4DA7292B
8
Izay mamafy heloka dia hijinja fahoriana, Ary ho levona ny tsorakazon'ny fahatezerany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A05BB3FF-7855-4BCE-85A4-BED57488FBD4
9
Izay manana maso miantra hotahina, Satria anomezany ho an'ny malahelo ny haniny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BB7C672B-893C-4E62-A602-C44FE6A84B43
10
Roahy ny mpaniratsira, dia ho afaka ny fifandirana, Eny, hitsahatra ny ady sy ny fahafaham-baraka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EC80F2CD-C6DE-42D6-8808-E6BAE2D5C13E
11
Izay tia fahadiovam-po, dia milaza soa ny molony. Sady sakaizan'ny mpanjaka izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B6D6B994-6BD6-4C04-BD9F-069066534FDF
12
Ny mason'i Jehovah miaro ny manam-pahalalana; Fa ny tenin'ny mpivadika dia foanany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8D51C887-A03B-41EC-96B0-D2991A9C6887
13
Hoy ny malaina: Misy liona any ivelany; Ho fatin'ny sasany any an-dàlambe aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C0397214-BDDF-4FEC-8DDC-7CA6F21AF563
14
Ny vavan'ny vehivavy jejo [Heb. vehivavy tsy vadiny] dia lavaka lalina; Izay voaozon'i Jehovah no ho latsaka ao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6DE22612-5839-46A7-94AC-4D86E599ED0F
15
Miraikitra amin'ny fon'ny zaza ny hadalana; Fa ny tsorakazo famaizana no hampanalavitra izany aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C95CC2D6-10B5-48BD-A6B5-E2DB7A2A723F
16
Izay mampahory ny malahelo dia mampitombo ny hareny; Fa izay manome ho an'ny manana kosa dia mampihena ny hareny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C7A05A3D-5D5E-495A-AB9F-3257F42ABFDF
17
ATONGILANO ny sofinao, ka henoy ny tenin'ny hendry, Ary ampitandremo ny fahalalako ny fonao;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|34444F64-E809-4201-92C8-8D15EA3EC8E1
18
Fa mahafinaritra raha voatahirinao ao an-kibonao izany, Koa aoka samy ho eo amin'ny molotrao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DDDF297C-1F35-437D-B43F-EB2844843635
19
Hianao dia hianao no nampahafantariko izany, Mba hitokianao amin'i Jehovah.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5274743F-EBC8-41A7-BD5A-1AA47206731C
20
Tsy efa nanoratra zava-tsoa ho anao va aho, Izay misy hevitra tsara sy fahalalana,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|65E89146-A55B-484A-827D-526DAB0FD785
21
Mba hampahafantariko ny fahamarinan'ny teny mahatoky hianao, Sy hahazoanao teny holazaina amin'izay naniraka anao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|06927518-B491-49BA-A165-DB1B9BF4887A
22
Aza manosihosy ny malahelo, saingy malahelo izy; Ary aza dia manifakifa ny ory eo am-bavahady;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4FB5864E-6F2A-454D-AB40-35D886CCFC71
23
Fa Jehovah anie ka hisolo vava azy amin'ny adiny. Ary hanimba ny ain'izay manimba azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|58712F44-B8AA-4E96-94EF-3983B2B99B6F
24
Aza misakaiza amin'ny olona mora tezitra, Ary aza miara-dia amin'ny olona foizina,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5DB3DEFC-1219-418B-AB9F-59C6BE9DFF37
25
Fandrao hianao mianatra ny fanaony Ka mahazo fandrika ho an'ny ainao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2B0E9CB0-1C1E-4D47-A2BC-775B65B41CB7
26
Aza mety ho isan'ny mifandray tanana, Na izay mianto-trosa;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|49CB0FD7-95C5-4F7F-BC39-52EA15EFD1DB
27
Raha tsy manan-kaloa hianao, Nahoana no dia halainy ny lafika andrianao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9D8FF64E-D17D-4A96-8A7A-F2161E1737CB
28
Aza manakisaka ny fari-tany ela, Izay naorin'ny razanao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|48AE148F-64EC-4349-8D57-4F9B6608104B
29
Mahita olona mailaka amin'ny raharahany va hianao? Eo anatrehan'ny mpanjaka no hitsanganany, Fa tsy hitsangana eo anatrehan'ny olona ambany izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E37BF895-78C6-41EE-B2C8-B74D1A30FAE8
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany