Andininy
Protestanta Malagasy
1
Raha mipetraka hiara-komana amin'ny mpanapaka hianao, Dia hevero tsara izay eo anatrehanao, [Na: anoloanao.]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|87D1A9BD-32AD-4264-B1BC-BA1E76265B0B
2
Ka andraso antsy ny tendanao, Raha dia liana loatra hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A394D167-3DE6-40B8-95E3-1748AED8B2E4
3
Aza mitsiriritra ny hanim-piny, Fa hani-mamitaka izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9D00176C-4B5D-468B-BE5D-524328D6573F
4
Aza manasa-tena hanan-karena, Aza entina amin'izany ny fahendrenao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|992A3146-1089-480C-9254-F057ACE00EDF
5
Moa hampanarahinao azy va ny masonao, nefa tsy ao intsony izy? Fa maniry elatra tokoa izy Ka manidina toy ny voromahery ho eny amin'ny lanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EDC8AA42-A0F4-419A-B273-5801D4A22C1C
6
Aza homana ny mofon'izay ratsy fijery, Ary aza mitsiriritra ny hanim-piny;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8095FAA3-0E1E-4D39-91E8-523B61887990
7
Fa tahaka ny heviny ao am-pony ihany no toetrany Hoy izy aminao: Mihinàna, misotroa; Kanjo tsy sitrany hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9721EBB1-B63A-4321-89BA-11BA1855383C
8
Izay sombiny kely voatelinao aza dia mbola haloanao, Ka ho very foana ny teny mahafinaritra nataonao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|337F452E-1A5D-4B82-9354-A5B9CC444673
9
Aza miteny amin'[Heb. an-tsofin'.] ny adala; Fa hohamavoiny foana ny fahendren'ny teninao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C90F9519-0423-4AB1-BB6D-3732BDA71886
10
Aza manakisaka ny fari-tany ela, Ary aza manitatra mankamin'[Heb. miditra amin'.] ny sahan'ny kamboty;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|53C4D03C-CFD4-4AF2-AFC8-B074A378A48E
11
Fa mahery ny Mpanavotra azy, Izy no hisolo vava azy amin'ny adiny aminao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8CC7AD62-49A4-4BC2-96DD-D110F2147D95
12
Ampiekeo famaizana ny fonao, Sy tenim-pahalalana ny sofinao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B8F1B46B-44F7-4FE3-9794-44FCC2C36CFF
13
Aza tsy manafay zanaka, Fa tsy dia ho faty izy tsy akory na dia asianao ny hazo aza; [Na: fa tsy ho faty izy, raha asianao ny hazo.]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D281C6D8-7482-447E-AB38-A310B551A0EC
14
Raha mamely azy amin'ny hazo hianao, Dia ho voavonjinao tsy ho any amin'ny fiainan-tsi-hita [Heb. Sheola.] ny fanahiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|67DAD159-2971-4F60-A151-C7C2B1AD0292
15
Anaka, raha hendry ny fonao, Dia ho faly koa ny foko, dia ny foko;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B5331486-88E4-4519-A090-6C018F48D002
16
Eny, ho ravoravo ny fanahiko, [Heb. voako.] Raha miteny marina ny molotrao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E2F3410A-DDE6-4DA2-AC0A-290AE350BDE5
17
Aoka tsy hialona ny mpanota ny fonao; Fa matahora an'i Jehovah mandritra ny andro;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C3D0ED67-AD4F-4044-B4F4-598DCDF1154B
18
Fa raha mbola hisy koa ny farany, Dia tsy ho foana ny fanantenanao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|668F9C1F-4A77-4731-AD0D-AF89338D652B
19
Mihainoa hianao, anaka, ka hendre, Ary ampizory amin'ny làlana ny fonao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|90D12743-83D3-4127-A5DA-DEAA1E29AD40
20
Aza misakaiza amin'izay mpiboboka divay Sy izay fatra-pitia hena;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9B2E4F41-389F-4C17-B4F8-B6DE6D0D7904
21
Fa halahelo izay mpiboboka sy izay fatra-pitia hena; Ary ny fitiavan-torimaso mampitafy voro-damba.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|80BF9492-2D2D-4ABA-9135-651CD5A1AE12
22
Maneke ny rainao izay niteraka anao. Ary aza manamavo ny reninao, saingy efa antitra izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|16F91118-F599-4EE4-802C-EAEEC2479F7B
23
Vidio ny marina, ka aza amidy, Dia ny fahendrena sy ny fananarana ary ny fahazavan-tsaina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|28D3B1E1-2159-4B8D-AA04-AF5F7D0FB22B
24
Hifaly dia hifaly ny rain'ny marina, Ary izay miteraka zaza hendry hanam-pifaliana aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B53BCE62-BB65-4CC9-A485-DD0162D808F8
25
Aoka ho faly ny rainao sy ny reninao, Eny, aoka ho ravoravo ny reninao izay niteraka anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BD4F0019-245A-49D1-948E-CA6B80533B2E
26
Anaka, atolory ahy ny fonao, Ary aoka ny masonao ho faly mijery ny làlako; [Na: Ary aoka ny masonao handinika ny làlako.]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DB069D5F-058C-4A59-97F6-610237014302
27
Fa ny vehivavy jejo [Heb. vehivavy tsy vadiny.] dia hady lalina, Ary ny vahiny janga lavaka éty;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0F376039-1619-44B8-9D74-8A1B29244BA7
28
Eny, manotrika toy ny jiolahy ireny Ary mahamaro ny olona mpivadika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|22402A43-67CA-43D5-876C-833E42FDDF09
29
An'iza ny Indrisy? An'iza ny Endrey? An'iza ny fifandirana? An'iza ny fitolokoana? An'iza ny ratra tsy ahoan-tsy ahoana? An'iza ny maso mivoara-mena? [Na: manjambena.]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6D7C2146-CD5F-444C-9CD8-0520DD98EBAF
30
An'izay mikikitra amin'ny divay, Eny, an'izay mandeha hanandrana divay voaharoharo zavatra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|827807FF-FE13-4E44-8E0A-3195145DB616
31
Aza mijery ny divay noho ny hamenany Sy ny fanganohanony eo anaty gilasy [Heb. kapoaka.] Ary ny fikoriany mahafinaritra;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6D4E305E-AB08-4F4A-94E4-73F38A0F5FB3
32
Fa amin'ny farany dia hanaikitra toy ny bibilava izy Ary hanindrona toy ny menarana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1D8C13BB-330C-42B3-8DD1-BDA397A77A2D
33
Koa ny masonao dia hijery vehivavy jejo, [Heb. vehivavy tsy vadiny.] Ary ny fonao hieritreri-dratsy. [Na: Ny masonao hahita zavatra hafahafa, Ary ny fonao hirediredy foana.]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0780F584-7ACB-4C69-9A9E-6D7258A75CFD
34
Eny, ho sahala amin'izay mandry ao amin'ny ranomasina hianao Sady ho tahaka izay mandry eo an-tendron'ny andrin-tsambo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D21AEC18-1256-492C-A059-24238B2D74BD
35
Nokapohiny aho, hoy hianao, fa tsy reko naharary ahy, Nandalasiny aho, fa tsy tsaroako; Rahoviana ange aho no hifoha mba hitadiavako azy indray?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B1ED0BAB-8585-4D8E-AF7F-CDDAE2AFDE44
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany