Andininy
Protestanta Malagasy
1
Aza mialona ny olona ratsy fanahy, Na maniry ho namany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C9CF3ED0-3F02-4D7F-AAB0-D7CF1E402C32
2
Fa fandravana no saintsainin'ny fony, Ary fampahoriana no tenenin'ny molony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|68B89755-4DE3-4451-BD4D-51442A922767
3
Fahendrena no anaovana trano; Ary fahalalinan-tsaina no mampaharitra azy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1754EEB0-E5AF-4ECD-BCF2-03ECBD783436
4
Sady fahalalana no hamenoana ny efi-trano Amin'izay harena soa sy mahafinaritra rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B58840D5-33B8-45E3-8495-B17D95C8417C
5
Be hery ny lehilahy hendry, Eny, mitombo hery ny olona manam-pahalalana
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D7063A27-5CC2-485F-B62A-4BD59076E941
6
Fa ny fahaizana mandamina tsara no entonao miady, Ary raha maro ny mpanolo-tsaina, dia misy famonjena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0AE1E943-528E-4BE5-A366-53420B76B6A2
7
Avo tsy takatry ny adala ny fahendrena, [Na: Ataon'ny adala ho haingohaingo foana ny fahendrena.] Tsy mba mahaloa-bava eo am-bavahady izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0E14C9B0-5F0B-472C-9B82-B4BC6E97FE79
8
Izay misaintsaina hanao ratsy Dia atao hoe mpamoron-tsain-dratsy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9A54D670-7856-496C-B970-D1F390B08DFC
9
Ota ny fikasan'ny hadalana; Ary fahavetavetana eo imason'ny olona ny mpaniratsira.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7EB6B883-5444-4777-95C1-B2F92D87B66D
10
Raha reraka amin'ny andro fahoriana hianao, Dia kely ny herinao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8F5FBDFD-BE49-43E3-8E3F-8AADEEA6AF07
11
Vonjeo izay entina hovonoina, Ary enga anie ka mba harovanao izay mangozohozo efa ho mby eo am-pamonoana!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|92448226-8857-424C-B9F7-F35A43507242
12
Raha hoy hianao: Tsia, tsy mahalala izany [Na: io.] izahay, Moa Izay mandanja ny fo tsy hihevitra izany va? Ary Izay mandinika ny fanahinao tsy hahalala izany va? Eny, hovaliany araka ny ataony avy ny olona rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3BE80790-C473-4D25-A485-709BE04E2D29
13
Anaka, homàna tantely, fa tsara izany, Ary ny toho-tantely, fa ho mamy eo am-bavanao; [Heb. lanilaninao.]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9C634EC7-B9DF-45A3-97CA-0D8ADE96E234
14
Ary aoka ho toy izany no hianaranao fahendrena ho an'ny fanahinao; Fa raha azonao izany, dia hisy hiafarana, Ka tsy ho foana ny fanantenanao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8675740A-B6F2-4291-839A-B82B45841975
15
Aza manotrika ao akaikin'ny tranon'ny marina hianao, ry ilay ratsy, Aza ravanao ny fonenany
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A91D7BE5-FF24-48E2-9977-CCDA7DB491D0
16
Fa potraka impito ny marina, nefa tafarina ihany; Ary ny ratsy fanahy kosa solafaka, raha azom-pahoriana. [Na: ka idiran-doza.]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ED2ECADF-0D26-4143-AB69-62CDFE0DF89B
17
Aza faly, raha lavo ny fahavalonao, Ary aza ravoravo ny fonao; raha tafintohina izy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D1499F1D-61C8-453A-9A6A-666954C700FD
18
Fandrao hitan'i Jehovah izany ka ataony ho ratsy, Ary ampialainy aminy ny fahatezerany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|476C91B7-C43D-4141-98C8-844ACA0B59FF
19
Aoka tsy hirehitra ny fahatezeranao noho ny amin'ny mpanao ratsy, Ary aza mialona ny ratsy fanahy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9AB1AACA-C524-476E-A622-2434B29F93E7
20
Fa tsy hisy fanantenana [Heb. farany.] ho an'ny ratsy; Eny, ho faty ny jiron'ny ratsy fanahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9C4DD15E-CE73-449E-A642-98F2FB2160B4
21
Anaka, matahora an'i Jehovah sy ny mpanjaka; Ary aza mikambana amin'izay miovaova; [Na. hafa saina noho izany.]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|65DDE0C1-6537-4AD7-838B-2260D66751BC
22
Fa ho tampoka no hitrangan'izay hanjo ireny; Ary iza no mahalala izay loza hiseho amin'ny androny? [Heb. taonany.]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0A1C53EF-0E48-4E1F-A5E6-4CFE1463C06C
23
Izao koa no tenin'ny hendry: Tsy mety raha mizaha tavan'olona amin'ny fitsarana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|376AA3C2-EC63-42A7-8B23-0448ACCA6485
24
Izay manao amin'ny meloka hoe: Marina hianao, Dia hozonin'ny olona sady ho halan'ny firenena;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|69FC0034-FBAE-4E78-B175-8DA9C45992DD
25
Fa izay mitsara marina kosa no hahita soa Sy hahazo fitahiana tsara.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5A082C39-0E25-4013-A527-443B9D56E702
26
Izay mahavoa tsara amin'ny famaliana Dia manoroka ny molotra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FF9CC314-F515-43F1-9E14-162FA238A806
27
Amboary ny asanao any ivelany, Ary ataovy lavorary ny any an-tsaha; Ka rehefa vita izany, dia mahazo manao ny tranonao hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|859DE1D6-3E9D-4B4A-B31D-201B8030FE7C
28
Aza mety ho vavolombelona foana hanameloka ny namanao; Moa hamitaka amin'ny molotrao va hianao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DFA3CF33-0FD2-4D80-B8CC-3B272FE92E71
29
Aza manao hoe: Araka izay nataony tamiko no mba hataoko aminy kosa, Hovaliako ny olona araka izay nataony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5232F7A8-D19F-4010-8049-4A417650B707
30
Nandalo ny sahan'ny kamo Sy ny tanimboaloboky ny tsy ampy saina aho;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|86946F20-521E-4EEA-BBDA-034652B589DE
31
Ary, indro, feno sampivato izy Sady voasaron'ny amiana, Ary nirodana ny ampiantany vatony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D96188FC-DBB8-4907-8957-B68CF018A6C0
32
Dia nojereko ka noheveriko tsara, Eny, hitako ka nahazoako anatra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5E0F672A-DADC-4B93-9A20-8DE3DF74C3A7
33
Mbola hatory kely ihany, mbola ho renoka kely ihany. Mbola hanohon-tànana kely hatory;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2F915186-718F-4D2D-8D59-572047515C01
34
Dia ho tonga toy ny mimaona hamely ny alahelonao, Ary ny fahantranao ho toy ny jiolahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A95BB0A8-C873-4DC8-B1C2-D454A3A38318
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany