Andininy
Protestanta Malagasy
1
Toy ny orampanala amin'ny lohataona, Ary toy ny ranonorana amin'ny taom-pijinjana, Dia toy izany ny voninahitra tsy tandrifiny ho an'ny adala.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6C03EA91-AE4C-47C6-ACAF-733F052FE70F
2
Toy ny vorona mivezivezy sy ny sidintsidina manidina, Dia toy izany ny fanozonam-poana: tsy mba hihatra izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6D3E5763-BE7C-4DA8-AC27-A1BA9883622D
3
Ny karavasy ho amin'ny soavaly, ny lamboridy ho amin'ny boriky, Ary ny tsorakazo kosa ho amin'ny lamosin'ny adala.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|95FD64B9-8642-41A3-B320-A8630551DEA2
4
Aza mamaly ny adala araka ny hadalany, Fandrao mba adala tahaka azy koa hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7038B998-C1A2-4828-BF94-715E4FA5DCBF
5
Valio ny adala araka ny hadalany, Fandrao dia manao azy ho hendry izy
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EEC11A21-2869-4166-8B69-4E9B394D40BE
6
Manapaka ny tongony sady misotro loza Izay mampitondra teny ny adala.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|228F3D6A-4CE2-4DDD-A29C-931D98616A9A
7
Mikepikepika ny tongotry ny malemy tongotra, Dia toy izany ny ohabolana eo am-bavan'ny adala.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8D1C7A99-E9DC-4123-B205-35DBB1588095
8
Toy ny manisy vato eo amin'ny antsamotady, Dia toy izany ny manome voninahitra ny adala.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0239E3B1-7110-45B1-AD2B-8C128D6415C1
9
Toy ny tsilo eny an-tànan'ny olona mamo, Dia toy izany ny ohabolana eo am-bavan'ny adala.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C6D60AF9-74D1-4429-BD9E-ED07F5898E4F
10
Ny mpiasa mahay dia mahavita ny zavatra isan-karazany; Fa izay manakarama ny adala dia toy ny manakarama izay sendra mandalo. [Na: Toy ny mpandefa zana-tsipìka mahavoa ny olona rehetra, Dia toy izany ny manakarama ny adala, sy manakarama izay sendra mandalo.]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6987669D-98DA-4D52-83B2-8ED9FB97DC40
11
Toy ny amboa miverina amin'ny loany, Dia toy izany ny adala miverina amin'ny hadalany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ECF1ED70-FAC5-4DE1-9831-2166CFFBF92E
12
Hitanao va ny olona manao azy ho hendry? Ny adala misy hantenaina kokoa noho izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BFC04374-333C-44A3-923E-6306CD1321A0
13
Hoy ny malaina: Misy liona any an-dàlana, Misy liona atsy an-dàlambe.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|29C79FF1-F96A-473C-B073-E6C2CAB845E8
14
Toy ny varavarana mihodina amin'ny saviliny, Dia toy izany ny kamo eo amin'ny fandriany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4E24C834-9D0E-4317-B1C3-E85A6E8E90BC
15
Ny malaina mangarona ny eo an-doviany, Nefa ny hampakatra azy ho amin'ny vavany dia mahasasatra azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B78CC94F-046B-49E6-8FF4-A3015E8F8C3C
16
Ny kamo manao ny tenany ho hendry Mihoatra noho ny olona fito izay mahavaly tsara.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F8E63403-B1EB-4555-AF30-70CDB1966BF1
17
Izay mandalo ka mitsaraingona amin'ny ady tsy azy Dia mandroritra amboa amin'ny sofiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6B5FC7E7-824F-4848-AAAC-F0CEB59DC99C
18
Toy ny adala izay manely afo Sy zana-tsipìka ary fahafatesana,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2D4AECCD-68CC-4676-BB53-C016CB41BDA3
19
Dia toy izany ny olona mamitaka ny namany Ka manao hoe: Tsy vosobosotra ihany va no ataoko?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1F6C093D-1A23-47CC-902E-FF30CA67945C
20
Raha tsy misy kitay intsony, dia maty ny afo; Ary raha tsy misy mpifosafosa intsony, dia mitsahatra ny fifandirana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|37B3AB49-DD46-4C5B-A31D-7CEE57B160D9
21
Toy ny arina atao amin'ny vainafo Sy ny kitay hazo atao amin'ny afo, Dia toy izany, ny olona tia ady mandrehitra fifandirana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EC4103E0-412B-4584-B99C-5BCF230BFE3D
22
Ny tenin'ny mpifosafosa dia toy ny hanim-py Ka mikorotsaka ao anaty kibo indrindra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9654C777-4BD6-4F3E-A531-D5A713CA3E3C
23
Tavim-bilany misy ankosotra taim-bolafotsy Ny molotra mihatsaravelatsihy [Heb. mirehitra.] sy ny fo ratsy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4C62F26E-FB43-4541-8BED-1937D4FE470A
24
Ny mpandrafy dia mody ho hafa amin'ny molony Sady manafim-pitaka ao am-pony;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|08300E60-0122-4C8B-A903-8A7C53DCEB81
25
Koa na dia miteny soa aza izy, aza mino azy; Fa fahavetavetana fito no ao am-pony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6CBE1A92-834C-41D0-AC47-B8A1D24A0DE9
26
Ny lolompo dia miafina ao amin'ny fitaka; Nefa ny haratsiany dia haharihary eo am-pahibemaso.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|64A8CD3B-A941-418F-9657-8E04EC1832E0
27
Izay mihady lavaka no ho latsaka ao, Ary izay manakodiadia vato no hikodiavany. kosa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A6D998E7-604A-4867-AD37-AEDD4F8B6C88
28
Halan'ny lela mandainga izay efa nampahoriny, Ary ny vava mandrobo dia mampididoza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|17CFCAE9-ADB9-420E-86A6-01A1DC073E6F
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany