Andininy Protestanta Malagasy 1 Aza mirehareha ny amin'ny ho ampitso hianao; Fa na dia ny havoaky ny anio aza tsy fantatrao. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|88C7C0E1-3480-4FAD-B213-6EE7EC70237A 2 Aoka ny olon-kafa no hidera anao, fa tsy ny vavanao, Eny, ny vahiny, fa tsy ny molotrao. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|48D676ED-E7AA-4C1E-911B-09E1140C0F01 3 Mavesatra ny vato, ary mavesa-danja ny fasika; Fa ny fahasosoran'ny adala dia manoatra noho izy roa tonta. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BF87127F-838C-420E-BFEC-934021BFDF73 4 Masiaka ny fahavinirana, ary misafoaka ny fahatezerana; Fa iza no mahajanona eo anatrehan'ny fahasaro-piaro? qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6529771A-2C51-4CFD-84EB-06F7C1065899 5 Aleo anatra imaso Toy izay fitia afenina. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|42F201AE-BAE8-4DF4-B90C-17B142AB17B8 6 Azo itokiana hahasoa ny fery ataon'ny sakaiza; Fa tena fitaka ny fanorohan'ny fahavalo. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AD90501D-5031-4A47-902A-9F19A335217F 7 Hitsakitsahin'ny voky na dia ny toho-tantely aza; Fa mamin'ny noana na dia ny zava-mangidy rehetra aza. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|068173DC-E0A7-4DDE-8B1F-38A264108457 8 Toy ny voron-kely miala amin'ny akaniny ka mirenireny, Dia toy izany ny olona izay mirenireny miala amin'ny fonenany. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A9E845C0-40B1-420E-A05A-A56476F46168 9 Ny diloilo sy ny zava-manitra mahafaly ny fo, Ary ny hamamin'ny sakaiza dia avy amin'ny ana-panahy ataony. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EE08F27E-EB04-426B-8962-46AEC2B899AE 10 Aza mahafoy ny sakaizanao, na ny sakaizan-drainao, Ary aza mankany amin'ny tranon'ny rahalahinao amin'ny andro fahorianao; Fa tsara ny namana akaiky noho ny rahalahy lavitra. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CCB94089-8728-442D-873E-C6A80BB09FFA 11 Anaka, hendre, ary ampifalio ny foko, Mba hamaliako izay miteny ratsy ahy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E02771AD-7A97-4951-A8E9-ED0F5AC2A1BA 12 Ny mahira-tsaina mahatazana ny loza ka miery; Fa ny kely saina kosa mandroso ka voa. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AE9E4CB6-93E4-461A-A529-42A16CF32746 13 Alao ny lambany, fa efa niantoka olon-kafa izy, Ary tano ho solon'ny vahiny janga niantohany izy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F2C69930-BA5D-4697-BD53-9FE866CD2B6E 14 Izay mifoha maraina koa ka misaotra ny sakaizany amin'ny feo mahery, Dia isaina ho fanozonana izany. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1304AF42-A28E-4227-8F12-55679778398F 15 Tahaka ny fijononoky ny ranonorana be Ny vehivavy tia ady. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EB886710-F363-47ED-990F-ACD41F54DFE8 16 Izay misakana azy dia toy ny misakana ny rivotra, Sady toy ny mamihina [Na: mihatra amin'ny.] diloilo ny tànany ankavanana. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E6D4612B-E87E-4211-9758-99682C355946 17 Ny vy maharanitra ny vy, Toy izany, ny olona maharanitra ny tarehin'ny sakaizany. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B44ACBD9-85F1-4826-ABA8-65059ED72872 18 Izay miaro aviavy dia hihinana ny voany; Ary izay miambin-tompo dia homem-boninahitra. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|839DCD4F-7E5C-4A60-A6BA-FA0F8A969338 19 Toy ny tandindona eny anaty rano mifanahaka amin'ny tarehy, Dia toy izany no ifanahafan'ny fon'ny olona amin'ny an'olona. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|385847A9-9A85-4FCE-8295-73E883B30597 20 Ny fiainan-tsi-hita [Heb. Sheola.] sy ny fandringanana tsy mety voky, Dia toy izany no tsy ahamamoan'ny mason'ny olona. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ECA9E898-2F0D-44E6-AD84-9F0451FDE14A 21 Ny memy ho an'ny volafotsy, Ny fandrendrehana ho an'ny volamena, Ary ny toetry ny olona dia tsy maintsy ho araka izay zavatra derainy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|919B195E-ECB9-4380-B2CE-7734769BD3AF 22 Na dia miara-totoinao ny fanoto amin'ny vary eo an-daona aza ny adala, Dia tsy mba hiala aminy tsy akory ny fahadalany. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|36D619EA-F53C-43CD-9EE0-8B5EBD989888 23 Fantaro tsara ny tarehin'ny ondry aman-osinao, Ary miahia tsara ny andian'ny bibinao; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8CB89D2D-DE76-4101-8CFC-C1F6E18C8610 24 Fa ny harena tsy ho mandrakizay; Ary moa haharitra ho amin'ny taranaka rehetra va ny satroboninahitra? qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D573FF1F-F9A8-4061-984C-24316202BF43 25 Na dia lany aza ny ahitra, ka mitsiry ny solofony, Ary voataona ny zava-maniry any an-tendrombohitra, qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C42CAF8F-9A86-47AE-A83B-30DD6CD2BF68 26 Ny zanak'ondry dia hahazoanao fitafiana, Ary ny osy hamidinao tany; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DE0ECC35-336E-4B65-B8D1-214A0676A892 27 Ary ho ampy hosotroinao ny rononon'osy Sy ho an'ny ankohonanao, Ary hisy hiveloman'ny ankizivavinao. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D2293C43-6953-4079-A475-49D99DE31E13
|