Andininy
Protestanta Malagasy
1
Izay olona anarina matetika ka mihamafy hatoka Dia ho torotoro tampoka, ka tsy hisy fahasitranana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AC8D1187-99F6-4A5B-B2AF-141164A94B48
2
Raha mihamaro ny marina, dia faly ny vahoaka; Fa raha ny ratsy fanahy no manapaka, dia misento kosa izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|08CE01C5-9A55-4E76-AA5D-F90036CFD75C
3
Izay tia fahendrena no mahafaly ny rainy; Fa izay misakaiza amin'ny vehivavy janga dia mandany harena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9587C1AC-BCF0-47F1-AA8E-675A15D2B435
4
Ny rariny no ampandrian'ny mpanjaka ny tany; Fa izay mandray tambitamby [Na: mampandoa harena.] no mandrava azy kosa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|78C51FD2-7DB7-4392-9DAC-25DC76AAEA62
5
Izay olona mandrobo ny namany Dia mamela-pandrika ny tongony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4B564587-3093-4B24-813F-21C625444AC7
6
Misy fandrika amin'ny heloky ny olon-dratsy; Fa ny marina mihoby sy mifaly.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3EFCA8F9-28E4-4B7A-90C8-BD2B878C3265
7
Ny marina mihevitra ny adin'ny malahelo; Fa ny ratsy fanahy tsy hahalala fahendrena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EDF2243C-CFAF-4B01-8001-31F63EFAEE69
8
Ny mpaniratsira mampihotakotaka [Na. mampirehitra.] ny tanàna; Fa ny hendry mampionona fahatezerana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3060486C-0962-4757-A0E1-EABFCAC001CE
9
Raha iadian'ny hendry ny adala, Dia tezitra sy mihomehy izy, ka tsy hisy fitsaharana
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|419682F8-6B63-4CE2-8EF6-82002B5CFA40
10
Ny olona mpandatsa-dra mankahala ny tsy misy tsiny; Fa ny mahitsy kosa miahy ny ainy. [Na: Ary mitady ny ain'ny mahitsy.]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8E755B9B-4652-4EED-B496-7BF8F3BC2B2C
11
Ny fahatezeran'ny adala dia avoakany avokoa; Fa ny hendry kosa manindry fo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E5AFBD44-AB4E-4156-97B8-893DBFC38D28
12
Raha mihaino lainga ny mpanapaka, Dia ho ratsy fanahy ny mpanompony rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AD1056E4-4683-4C0B-9CA3-1F69E1F94FD5
13
Mihaona ny malahelo sy ny mpampahory. [Na: mpampanàna vola.] Jehovah no manazava ny mason'izy roa tonta.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|41E3D979-038B-42F1-8DFD-57B22A935EA1
14
Izay mpanjaka mitsara marina ny malahelo, Dia haharitra mandrakizay ny seza fiandrianany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|71CCCD19-A294-4A73-9B63-7EDB5AEDF949
15
Ny tsorakazo sy ny anatra no manome fahendrena; Fa ny zaza aranana mampahamenatra ny reniny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0B3AEC2E-82BC-4347-AF9B-68AB3FC54F8B
16
Raha maro ny ratsy fanahy, dia mitombo ny ota; Fa ny marina ho faly mahita ny fahalavoany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7BAC595D-F732-4311-8733-7D94902D426C
17
Faizo ny zanakao, dia ho famelombelomana ny fonao izy Sy ho fifalian'ny fanahinao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E49402E2-3ADA-46AB-8A09-21D092EB711A
18
Raha tsy misy fahitana, dia atondraka hanaram-po amin'izay tsy mety ny olona; Fa raha mitandrina ny lalàna kosa izy, dia sambatra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CEC3A7C2-FA3E-4B3B-AA68-EC176F8D8418
19
Raha teny fotsiny ihany, dia tsy ampy hananarana ny mpanompo; Fa na dia fantany aza, tsy hankatoaviny. [Heb. tsy misy valiny.]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|972A2A4C-1074-4EBF-889A-BE37791EFFE0
20
Hitanao va ny olona faingam-bava? Ny adala aza misy hantenaina kokoa noho izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|47BE721A-ABBA-4CBC-9C3A-B0E39733E046
21
Ny mpanompo izay nampihantaina hatry ny fony mbola kely Dia hihambo ho zanaka any am-parany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7A8CD911-C209-449A-AC0D-4C7961B09BBD
22
Ny olona mora tezitra manetsika ady; Ary ny olona masiaka dia be fahadisoana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D7A0D2EC-ED84-4DBC-A9B4-43E1D4EF1472
23
Ny fiavonavonan'ny olona no hampietry azy; Fa hahazo voninahitra kosa ny manetry tena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|706CB4BF-E323-426E-854D-891ABD7AD289
24
Izay miray tetika amin'ny mpangalatra dia manary tena; Mandre ny fampianianana izy, nefa tsy mety milaza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|06FCAFD2-7EE1-4A6F-B7D4-0542A1B4695B
25
Mamandrika ny tahotra olona; Fa izay matoky an'i Jehovah no hovonjena. [Heb. hatao amin'ny avo.]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A25913E3-72C3-401E-A9B7-6031A6472457
26
Maro no mila sitraka amin'[Heb. mitady ny tavan'.] ny mpanapaka, Fa avy amin'i Jehovah ny fitsarana ny olona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7F6191D9-BDD4-4989-BB37-7BB90C38FF64
27
Ny meloka dia fahavetavetana eo imason'ny marina; Ary ny mahitsy làlana dia mba fahavetavetana eo imason'ny ratsy fanahy kosa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BF87B373-27A1-4A97-8B8F-88B8A53CE5A1
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany