Andininy
Protestanta Malagasy
1
ANAKA, aza manadino ny lalàko; Fa aoka ny fonao hitandrina ny didiko;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1159CA15-F792-40BB-BEB1-058B4F1DE267
2
Fa andro maro sy taona ela iainana Ary fiadanana no hanampiny ho anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6DC590F3-F5C0-44D5-8826-384365F325E3
3
Aoka tsy handao anao ny famindrampo sy ny fahamarinana; Afehezo eo am-bozonao izany, Ary soraty ao amin'ny fonao tahaka ny amin'ny vato fisaka,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6F6DB8C5-C8D8-4A3F-9BF5-058D2054BFAD
4
Ka dia hahazo fitia sy fahalalana tsara Eo anatrehan'Andriamanitra sy ny olona hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9D215096-ADA3-4BA7-8479-49CA67560EC4
5
Matokia an'i Jehovah amin'ny fonao rehetra, Fa aza miankina amin'ny fahalalanao;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1881C24C-D261-4F5F-B2B1-8F0622BF0E4E
6
Maneke Azy amin'ny alehanao rehetra, Fa Izy handamina ny làlanao,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F73A736B-4FB9-4E8F-B644-42605CADDDCC
7
Aza manao anao ho hendry; Matahora an'i Jehovah, ka mifadia ny ratsy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B076B4E3-D1D2-4BA3-9F41-B9EE49CE8E59
8
Dia ho famelombelomana ny nofonao izany Sy ho fanamandoana ny taolanao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|48AB87A0-0D29-4993-B1AE-2A9D0AA5B09A
9
Mankalazà an'i Jehovah amin'ny fanananao Sy amin'izay voaloham-bokatrao rehetra;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DD516B0B-2056-40C3-9E1E-9F855BD95A39
10
Ka dia ho feno mitafotafo ny fitoeram-barinao, Ary hihoatra ny ranom-boaloboka eo amin'ny vata fanantazanao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BB7154C6-2A1A-4997-A934-FEBD071FED44
11
Anaka, aza manamavo ny famaizan'i Jehovah, Ary aza tofoka amin'ny fananarany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|765895F4-2F78-424F-94AC-CF6DB7594826
12
Fa izay tian'i Jehovah no anariny, Dia tahaka ny ataon'ny ray amin'ny zanaka tiany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AE7C480F-BAE0-46C3-A78B-6CBE7905A7AC
13
SAMBATRA izay olona mahita fahendrena Sy izay olona mahazo fahalalana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E90BEE26-697E-49DA-B07D-AD77132696E5
14
Fa ny fandrantoana azy dia tsara noho ny fandrantoana volafotsy, Ary ny tombom-barotra aminy dia mihoatra noho ny volamena tsara.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|66FC5F86-518B-4A2F-86D7-F44F04DDE8A0
15
Saro-bidy noho ny voahangy [Na: perla.] izy; Ary izay rehetra irinao tsy misy azo ampitahaina aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E31B6E94-A245-45F8-8852-D99CC44E7672
16
Fa andro maro no eo an-tànany ankavanana; Ary harena sy voninahitra no eo an-tànany ankavia.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D35E071C-4943-4F44-A0D8-1F783841E5CD
17
Làlana mahafinaritra ny làlany, Ary fiadanana ny alehany rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|34683C58-182C-48B6-B931-6A0924842B5A
18
Hazon'aina ho an'izay rehetra mifikitra aminy izy; Ary izay rehetra mitana azy no hatao hoe sambatra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|EF03747E-4ADA-4453-AE05-3AC8DF1860F3
19
Fahendrena no nanorenan'i Jehovah ny tany, Ary fahalalana no nampitoerany ny lanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|93CE0795-F9DD-4A99-B8F7-A1B660D93BFA
20
Ny fahalalany no entiny mampiboiboika ny rano any amin'ny lalina Sy ampitetevany ando avy amin'ny rahona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|62FA85FF-0567-43A7-927F-734C1475695C
21
Anaka, aoka tsy hiala amin'ny masonao izany; Raketo ny tena fahendrena sy ny fisainana mazava,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|54F06699-649A-4887-8864-E3A2A0FD3FD0
22
Ka dia ho ain'ny fanahinao izany Ary ho firavaky ny vozonao,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D64D3CB5-6BD0-4440-ACD0-CD41051638BD
23
Dia handroso aman-toky hianao, Ka tsy ho tafintohina ny tongotrao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5F9E2596-39B4-4A20-99CF-C7A7A0FBF779
24
Tsy hatahotra hianao, raha mandry; Eny, handry hianao, ary ho mamy ny torimasonao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D7A62CF7-7EDF-4672-B722-77E97AB8AC9F
25
Aza manahy ny tahotra avy tampoka, Na ny rivo-doza mamely [Na: ny fandringanana avy amin'ny.] ny ratsy fanahy, raha avy izany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9AC83775-35F5-482B-9C14-56091DCA5585
26
Fa Jehovah no ho tokinao Ka hiambina ny tongotrao tsy ho voafandrika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0A3DAE33-5B06-4B7B-B123-6F28D6ED4F8C
27
AZA mamihina ny soa amin'izay tokony homena azy, Raha azon'ny tananao atao ihany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|394CA783-08CE-4A1D-9986-46C319D792E6
28
Aza manao amin'ny namanao hoe Mandehana, ka avia indray, fa rahampitso no homeko; Kanefa manana ihany hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|043B83C0-179F-4EB1-93D3-BDC0788FA833
29
Aza mamorona sain-dratsy ho enti-mamely ny namanao, Saingy mitoetra matoky eo aminao izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|58A27A0F-2B77-42E9-B946-371A4DD0CC76
30
Aza miady amin'olona foana, Raha tsy mbola nanisy ratsy anao izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3A9CE3DA-D028-4C81-B52E-EBA0F0FF19F9
31
Aza mialona ny olon-dozabe, Na mifidy izay làlany akory,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|641FDFF9-A4AC-4BC6-9B4A-FB27E0C26DFF
32
Satria fahavetavetana eo imason'i Jehovah ny maniasia, Fa ao amin'ny marina kosa ny fisakaizany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D5D00C98-806D-4B51-B28A-EF1107661B2F
33
Ny ozon'i Jehovah dia ao an-tranon'ny ratsy fanahy; Fa ny fonenan'ny marina dia tahìny kosa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D9F94782-4BC1-41DA-A801-752E6CECFD6A
34
Na dia tsiratsirainy aza ny mpaniratsira, Dia omeny fahasoavana kosa ny mpandefitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7C3BF855-A590-43A3-B39A-FFA6176C37F9
35
Ny hendry handova voninahitra; Fa henatra kosa no ho anjaran'ny adala.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1626418A-E9F8-4CF5-8C80-9DB28E6A9750
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany