Andininy Protestanta Malagasy 1 NY tenin'[Na: Ny teny ho an'.] i Lemoela mpanjaka, -dia ny teny mavesa-danja izay [Na: Lemoela, mpanjakan'i Masa, dia ilay.] nananaran-dreniny azy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BBDFFB6A-F73D-469D-A042-8B99EF5F8CA9 2 Ahoana, anaka? Ary ahoana, ry zanako naterako? Ary ahoana, ry zanaky ny voadiko? qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BD2B3684-9B3E-42B2-AD66-B06302CA50A1 3 Aza omena ny vehivavy ny herinao, Na ny fomban-piainanao [Heb. làlanao.] ho an'izay [Na: izay zavatra.] manimba mpanjaka. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|34E6C81E-537D-4089-B0A1-DDDEBAB97090 4 Tsy mety amin'ny mpanjaka, ry Lemoela, Eny, tsy mety amin'ny mpanjaka ny misotro divay, Na amin'ny mpanapaka ny ho fatra-paniry toaka; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3D6E5AE9-293A-4CFF-8EC6-1CE4B5334981 5 Fandrao, raha misotro Izy, dia manadino ny lalàna Ka mamily ny fitsarana ny zanaky ny fahoriana. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4FD2362C-724E-4084-B316-BD1ECB86E6D7 6 Omeo toaka izay efa ho faty, Eny, divay ho an'izay malahelo azon'ny fangidiam-panahy; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7CAFEAF0-EF50-41FA-A898-EADB03C8C021 7 Aoka hiotro izy mba hanadinoany ny alahelony, Ary tsy hahatsiarovany ny fahoriany intsony. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E73D96C1-82F3-4A41-8882-C850438C8B71 8 Sokafy ny vavanao hisolo ny moana, Hahazoan'ny kamboty ny rariny; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AEEDA9B5-C8C8-47A8-B736-1FF9D01F1BD5 9 Sokafy ny vavanao, ka tsarao marina, Ary omeo rariny ny ory sy ny malahelo. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2B8D7143-BA1F-43BB-B1FE-C09045EF8690 10 IZA no mahita vehivavy tsara? [Na: mahay.] Fa ny tombany dia mihoatra lavitra noho ny voahangy. [Na: perla.] qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|633E2C32-9232-4AC6-BD0F-B21B066C6C49 11 Matoky azy ny fon'ny lahy, Ary tsy mitsahatra ny fanambinana azy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DFC8B31F-7B4C-4A52-AA78-AC7E4B33728D 12 Soa no ataon-dravehivavy aminy, fa tsy ratsy, Amin'ny andro rehetra iainany. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|540A4C99-F326-4176-BB8C-017D1AC68EA0 13 Mizaha volon'ondry sy rongony izy Ary mazoto miasa amin'ny tànany. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FA0361F6-AD03-44E7-8D89-FD94D1F86C7A 14 Toy ny sambon'ny mpandranto izy, Ka avy any amin'ny lavitra no itondrany ny haniny. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0A4A9630-1683-4F2B-9A33-34D0576BC372 15 Mifoha izy, raha mbola alina, Ka manome hanina ho an'ny ankohonany Sy anjara ho an'ny ankizivaviny. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C881FC38-8361-485A-B79F-EB0EF5DE8247 16 Mihevitra saha izy ka mahazo azy; Ny vokatry ny tànany no anaovany tanimboaloboka. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|938B6F71-A264-4C30-A0B9-B3B797CE8076 17 Misikina hery izy, Ary hatanjahiny ny sandriny. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|572E3DBB-EE73-48B0-A376-D50480D71F4D 18 Hitany fa tsara ny tombom-barony, Ary tsy maty jiro mandritra ny alina izy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|381EB3F7-36B2-4D6A-8E51-48637DF8C185 19 Mandray ny fihazonam-bohavoha izy, Ary ny tànany mihazona ny ampela. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6BDCD0A2-0AFE-460E-877E-07B19ACD3FA7 20 Manatsotra ny tànany amin'ny ory izy, Eny, mamelatra ny tànany amin'ny mahantra. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6BFC348D-4B3F-472B-AB85-85FDD6BBF712 21 Tsy manahy ny orampanala ho amin'ny ankohonany izy; Fa ny ankohonany rehetra samy voatafy volon'ondry mena avokoa. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|39A95F92-7C08-4537-A6E8-BBE244B1E38C 22 Manao firakotra ho azy izy; Ny fitafiany dia rongony fotsy madinika sy lamba volomparasy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7251B51E-5CED-4876-8225-631878FF1CDA 23 Ny lahy dia hajaina eo am-bavahady, Raha miara-mipetraka eo amin'ny loholona. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|80F3695A-9B2D-4531-9C04-2FE7B2CE03B3 24 Manao akanjo hariry madinika ravehivavy ka mivarotra izany, Ary fehin-kibo no amidiny amin'ny mpandranto. [Heb. Kananita.] qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A2EE0FC5-E2B1-4A76-AB19-5539B52104AF 25 Hery sy voninahitra no fitafiany, Ary ny andro ho avy dia ihomehezany. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|348B2F2F-9D83-474C-87A0-9DF562A995AC 26 Manokatra ny vavany amin'ny fahendrena izy; Ary ny lalàn'ny famindrampo no eo amin'ny lelany. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A0486A5C-DA24-4143-AFB6-3112CDEA46E4 27 Mitandrina tsara ny ataon'ny ankohonany izy Ary tsy homana ny mofon'ny fahalainana. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|532EE4E8-5AC7-41F8-A63C-5265ACC45140 28 Ny zanany mitsangana ka midera azy hoe sambatra; Ny lahy koa mitsangana ka midera azy hoe: qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|70535D48-D2B0-480D-9369-79024AB1B0DD 29 Maro no zazavavy nanao soa, [Na: nahavory harena.] Fa hianao manoatra noho izy rehetra. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AF9AEEDC-4DA6-4A81-976F-F135C8EC7283 30 Fitaka ny fahatsaram-bika, ary zava-poana ny fahatsaran-tarehy; Fa ny vehivavy matahotra an'i Jehovah ihany no hoderaina. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FD71B58C-ADED-44D7-98D0-F1662DB8E8F6 31 Omeo azy ny avy amin'ny vokatry ny tànany; Ary aoka ny asany hidera azy eo am-bavahady. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B4B59AD6-DF6F-45F3-AE13-D232EA5B6A53
|