Andininy
Protestanta Malagasy
1
RY zanaka, henoy ny anatry ny ray, Ary tandremo mba hahazoanareo ry fahalalana tsara.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|00A84D08-6460-4867-A51F-A7F63856ADA5
2
Fa anatra tsara no omeko anareo; Aza mahafoy ny lalàko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D74E2657-1C27-4A47-B9AD-795C8E68C5C6
3
Fa zanak'ikaky aho, Sady tiana [Heb. malemilemy.] no hany malala teo imason'ineny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|938CF0E7-2FFA-45D4-B5D0-D41F71C7A693
4
Ary nampianatra ahy izy ka nanao tamiko hoe: Aoka ny fonao hitana ny teniko; Tandremo ny didiko, dia ho velona hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|70D3AA3F-41B0-4169-AB12-BDE58E8B8993
5
Mahazoa fahendrena, mahazoa fahalalana; Fa aza hadinoina na ihemorana ny teny aloaky ny vavako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C97E8BC3-8111-4E12-87C4-50C08FE5872F
6
Aza mahafoy azy, fa hiaro anao izy: Tiavo izy, dia hitandrina anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|04AAA889-103C-4AB2-914E-840167DF064A
7
Ny voaloham-pahendrena dia izao: [Na: Fahendrena no ambony indrindra.] Mahazoa fahendrena; Eny, lanio ny fanananao rehetra hamidy fahalalana tsara.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AFBC909B-71BD-4A90-B016-E712767C0631
8
Asandrato izy, dia hanandratra anao kosa Eny, hanome voninahitra anao izy, raha tànanao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|730CB68A-4628-4AE1-AED5-1A8043FCAD81
9
Dia hasiany fehilona mahafinaritra ny lohanao; Eny, satroboninahitra tsara tarehy no homeny anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BBE66638-AE00-4A55-AE08-31B34787B62F
10
Anaka, mihainoa, ka raiso ny teniko; Dia hihamaro ny taona hiainanao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|332E833B-F605-4018-B55C-867C5CF71356
11
Làlam-pahendrena no atoroko anao; Eny, mitarika anao amin'ny làlana mahitsy aho.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|09DA4AA9-B3D6-4801-B695-CD88C68A5B6A
12
Raha mandeha hianao, dia tsy ho ety ny làlanao; Ary raha mihazakazaka hianao, dia tsy ho tafintohina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D5FF2E75-3240-4D46-AB38-05D87F7AC51D
13
Tano mafy ny fananarana, ka aza avela hiala; Hazony izy, fa ainao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BD78E28F-B662-44ED-8646-4604C7A07B89
14
Aza mankany amin'ny alehan'ny ratsy fanahy, Ary aza mizotra amin'ny làlan'ny ratsy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4256E211-4A58-4912-A243-874A807A955F
15
Manalavira azy; aza mandalo eo akory; Mivilia azy, ka mizora.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1BBE51D3-724A-4352-BF77-A37C6899F927
16
Fa tsy matory ireny, raha tsy efa nanao ratsy; Ary tsy mahita torimaso izy, raha tsy efa nanafintohina ny sasany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8C74D5C1-0A8B-4937-BEB4-4F4C084708A9
17
Fa mihinana ny mofon'ny faharatsiana izy, Sy misotro ny divain'ny fahalozana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B7B7C258-37AC-45B3-9D3B-41F2C8410410
18
Fa ny làlan'ny marina dia toy ny fipoak'andro maraina, Izay mihamazava mandra-pitataovovonan'ny andro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B0F7C89D-4277-4EE8-8210-8CE78E6C6FC7
19
Ny alehan'ny ratsy fanahy dia toy ny aizim-pito; Tsy fantany akory izay manafintohina azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|24F2635B-98AB-4424-94BD-70FB709EA146
20
Anaka, tandremo ny teniko; Atongilano ny sofinao hihaino ny filazako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D94AE2E8-F6AE-4DAC-BA1D-2D25A5C5CDD1
21
Aza avela hiala eo imasonao izy, Fa raketo ao am-ponao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AB164D3C-F135-4D9A-9E87-43DD44A321C7
22
Fa aina ho an'ny mahazo azy izy Ary fahasalamana ho an'ny nofony rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|74BCCFBB-4107-4ED4-B948-6C608E866B33
23
Tandremo ny fonao mihoatra noho izay rehetra tokony hotandremana; Fa avy ao aminy no ihavian'[Heb. fivoahan'.] ny aina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3372A9A9-BEAF-40DA-B89D-DC709A5D05DA
24
Esory aminao ny vava mandainga, Ary ampanalaviro anao ny molotra mamitaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|12341D1B-FD8F-46CD-8F83-B96FC3D78A39
25
Aoka ny masonao hijery mahitsy, Ary ny hodimasonao hibanjina eo anoloanao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|93B22C1C-F42E-4453-9991-1AC19DEA9AB7
26
Ataovy marina ny [Na: Saino tsara izay.] alehan'ny tongotrao, Dia ho voalamina ny alehanao rehetra;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2CFEDB4F-EEF7-48A5-9DC2-0D3E4D0FB957
27
Aza mivily, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia; Esory amin'ny ratsy ny tongotrao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2D5266BD-E6BB-4868-8950-1CA074DB37A3
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany