Andininy
Protestanta Malagasy
1
RY zanaka, henoy ny anatry ny ray, Ary tandremo mba hahazoanareo ry fahalalana tsara.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|00A84D08-6460-4867-A51F-A7F63856ADA5
2
Fa anatra tsara no omeko anareo; Aza mahafoy ny lalàko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D74E2657-1C27-4A47-B9AD-795C8E68C5C6
3
Fa zanak'ikaky aho, Sady tiana [Heb. malemilemy.] no hany malala teo imason'ineny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|938CF0E7-2FFA-45D4-B5D0-D41F71C7A693
4
Ary nampianatra ahy izy ka nanao tamiko hoe: Aoka ny fonao hitana ny teniko; Tandremo ny didiko, dia ho velona hianao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|70D3AA3F-41B0-4169-AB12-BDE58E8B8993
5
Mahazoa fahendrena, mahazoa fahalalana; Fa aza hadinoina na ihemorana ny teny aloaky ny vavako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C97E8BC3-8111-4E12-87C4-50C08FE5872F
6
Aza mahafoy azy, fa hiaro anao izy: Tiavo izy, dia hitandrina anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|04AAA889-103C-4AB2-914E-840167DF064A
7
Ny voaloham-pahendrena dia izao: [Na: Fahendrena no ambony indrindra.] Mahazoa fahendrena; Eny, lanio ny fanananao rehetra hamidy fahalalana tsara.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AFBC909B-71BD-4A90-B016-E712767C0631
8
Asandrato izy, dia hanandratra anao kosa Eny, hanome voninahitra anao izy, raha tànanao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|730CB68A-4628-4AE1-AED5-1A8043FCAD81
9
Dia hasiany fehilona mahafinaritra ny lohanao; Eny, satroboninahitra tsara tarehy no homeny anao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BBE66638-AE00-4A55-AE08-31B34787B62F
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany