Andininy
Protestanta Malagasy
1
Anaka, tandremo ny teniko, Ary raketo ao aminao ny didiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CC0D1138-21EA-4C22-8BF3-8BAD05AADE01
2
Tandremo ny didiko, dia ho velona hianao; Ary tandremo toy ny anakandriamasonao ny lalàko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A3E90130-77E3-407E-8DBB-730CC74F2229
3
Afehezo eo amin'ny rantsan-tànanao izy, Soraty ao amin'ny fonao tahaka ny amin'ny vato fisaka izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3328717A-D154-4D71-9FE4-DC9BB2E8B6D8
4
Ny fahendrena dia ilazao hoe: Anabaviko hianao; Ary ny fahafantarana dia antsoy hoe: Sakaiza mahazatra hianao;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|16B19B1B-60B9-457B-B0B8-2E0E051A398B
5
Mba hiarovana anao amin'ny vehivavy jejo, [Heb. vehivavy tsy vadinao.] Dia amin'ny vahiny janga izay manao teny mandrobo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9C673A1B-A357-471A-85B0-6794EEB680F8
6
Fa teo amin'ny varavarankelin'ny tranoko, Dia teo amin'ny makarakara, no nitsirihako,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6DC432C6-E960-4E4C-A1BD-F9371595E482
7
Ka nahita anankiray tamin'ny kely saina aho, Eny, nandinika ny tovolahy aho ka nahita zazalahy anankiray tsy ampy saina,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|61631C05-EBB0-4941-8F47-9ED98591B222
8
Izay nandeha tamin'ny làlana akaikin'ny zoron-tranon'ny vehivavy janga Sy nizotra nankany an-tranony,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A36035F1-827E-4DD8-9B70-CD31468D8C09
9
Nony takariva ilay somambisamby iny Sy tamin'ny alina efa maizina dia maizina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A407419A-2B17-458C-9AA5-7EB5B8D549D2
10
Dia, indro, nisy vehivavy nitsena azy Sady manao fitafin'ny janga no mifetsy am-po,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5441EB3F-2C28-4A15-B554-BE86ED62CFBD
11
Sady vavana no maditra, Tsy mahajanona ao an-tranony ny tongony;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|27ECF07F-0CCC-4ABA-A6A2-A6741942C724
12
Fa vetivety mby eny an-dàlambe izy, ary vetivety mby eny an-tsena, Ary mamitsaka eny an-joron-trano rehetra eny izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B6D16621-F089-4A7C-9CB4-59C715809C66
13
Ka dia nisavika ilay tovolahy izy ka nanoroka azy Sady nisolantsolana taminy ka nilaza hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|78F1C7DA-B66D-4A17-B8ED-0A8CEFF8C2AB
14
Efa nivoady hanatitra fanati-pihavanana aho; Ary andro-any no nanefako ny voadiko.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B69D5B2D-915E-4184-91EC-759C0B697174
15
Koa dia nivoaka hitsena anao aho, Mba hitady fatratra ny tarehinao, ka dia nahita anao tokoa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B85705A0-0BC1-4B90-A164-8682D4A5A566
16
Ny fandriako efa nasiako firakotra tsara, Dia lambam-pandriana misoratsoratra voafoly hatrany Egypta.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|86D069C5-52EA-4BBC-B14E-C1225FCE09CB
17
Efa norarahako zava-manitra ny fandriako, Dia miora sy hazomanitra [Heb. ahalima.] ary havozo manitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8FBBD204-B251-49C9-B1EF-2AA6073098E7
18
Andeha, aoka isika hivoky fitia ambara-pahamarain'ny andro, Aoka ho feno fahafinaretana amin'ny fitiavana isika.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3F96B400-FF3E-4593-9242-15B64CBA0331
19
Fa tsy ao an-trano ny lehilahy, Fa lasa nivahiny lavitra izy;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|49D3678C-ABE3-4666-9896-682273FAF72A
20
Ny kitampom-bola dia nentiny any an-tànany, Ka tsy mbola hody izy mandra-pahafenon'ny volana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|55287BD2-8F38-4149-9D3F-CDA0D83BE28F
21
Tamin'ny teny maro no nampanekeny azy, Tamin'ny fandroboan'ny molony no nitaomany azy,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3BF3394B-8AD1-48C7-8685-5812E0EB018A
22
Ka dia nandeha nanaraka azy niaraka tamin'izay ilay zatovo, [Na: Na iza na iza mandeha manaraka azy dia.] Tahaka ny omby entina hovonoina, Ary tahaka ny adala hogadrana [Heb. tahaka ny gadra ho famaizana ny adala.]
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B74C0902-1CF7-4DF2-B9BB-93618B92D458
23
Ambara-piboroaky ny lefompohy amin'ny atiny, Ary tahaka ny vorona mipaoka ny fandrika, Fa tsy fantany hahafaty ny ainy izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7F50231E-74F3-407D-8D95-0FFEEFBD5F7C
24
Koa mihainoa ahy hianareo, anaka, Ary tandremo ny teny aloaky ny vavako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|67891D28-EE44-4D55-ADB2-8F1B8DEE8CE6
25
Aoka tsy hivily ho any amin'ny làlany ny fonareo, Ary aza mania ho amin'ny alehany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D8914B89-69D3-4B9D-807E-843DE199680B
26
Fa betsaka no naripany ka maty; Ary maro be no efa matiny.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|21D0695D-A85E-49BC-B06D-3A3CDEC2E996
27
Ny tranony dia làlana mankany amin'ny fiainan-tsi-hita, [Heb. Sheola.] Eny, midina ho any amin'ny efitranon'ny fahafatesana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7453C422-A1D8-440F-80D7-E0977F37FBA4
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany