Andininy
Protestanta Malagasy
1
TSY miantso va ny fahendrena, Ary tsy manandra-peo va ny fahalalana?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F305192B-652B-4CE5-9BFB-606F90B924C8
2
Eo an-tampon'ny fitoerana avo amoron-dàlana Sy eo an-tsampanan-dàlana no ijoroany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CB0D3201-E3C1-4E99-B0DE-66EF250B20AF
3
Eo anilan'ny vavahady, amin'ny fidirana ho ao an-tanàna, Sy eo anaty vavahady no iantsoany mafy hoe:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2191B758-E24C-4498-8362-C50AC07C6A05
4
Hianareo no antsoiko, ry olona; Ary ny feoko ho amin'ny zanak'olombelona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|096E87AD-971E-49F1-8CD0-E03580A9417C
5
Fantaro ny fahendrena, ry kely saina; Ary fantaro ny fahalalana, ry adala.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0BA5D6FF-3654-4476-B048-DCD23D8E5BD2
6
Henoy, fa hilaza zava-tsoa aho; Ary ny hilaza ny mahitsy no isokafan'ny molotro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DD962BF2-3ED2-4216-B3D5-79D60F1FBD0B
7
Fa ny marina ihany no holazain'ny vavako; Ary ny ratsy dia fahavetavetana, raha amin'ny molotro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AC2C213D-630F-4A75-8471-435C0F4560CF
8
Marina ny teny rehetra aloaky ny vavako; Tsy misy fiolakolahana na fitaka ao aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D1BBBDAB-7FFE-4A05-8E68-CFE4DEBBCB95
9
Miharihary avokoa izy, raha amin'ny mazava saina, Ary mahitsy, raha amin'ny efa nahazo fahalalana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7C1BD149-70E8-4A20-9428-C62192F8CA3F
10
Aza ny volafotsy no raisina, fa ny anatro, Ary aleo ny fahalalana toy izay ny volamena voafantina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F9965FD6-853E-4DF5-9ABC-DBC3BFBB8B20
11
Fa ny fahendrena dia tsara noho ny voahangy; [Na: perla.] Ary ny zavatra irina rehetra tsy azo ampitahaina aminy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|78FD7696-21D5-481B-8A58-90614F15D58F
12
Izaho fahendrena dia miara-monina amin-tsaina, Ary hitan'ny fahalalako ny fisainana mazava.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D6DD9F09-20B5-4B07-BD34-362F53B2DDF7
13
Ny fankahalana ny ratsy no fahatahorana an'i Jehovah. Ny fiavonavonana sy ny fireharehana sy ny làlana ratsy Ary ny vava fandainga dia samy halako avokoa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|616CDA5A-8DEC-45A3-857D-17C7F11438A0
14
Ahy ny fisainana sy ny fanambinana; [Na: tena fahendrena.] Izaho no fahalalana, izaho no manan-kery;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4C02A9F3-9633-4889-9EF5-831F78D79DCA
15
Izaho no anjakan'ny mpanjaka Sy andidian'ny mpanapaka araka ny rariny;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|131C73B2-769A-4EDE-AA80-221F3B19514E
16
Izaho no anapahan'ny andriandahy sy ny lehibe, Dia ny mpitsara rehetra amin'ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B050ECC1-B043-4267-B2B1-068A59569A16
17
Tiako izay tia ahy; Ary izay fatra-pitady ahy dia hahita ahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2829F54E-77A8-4111-BEAA-0FB1898AA916
18
Ato amiko ny harena sy ny voninahitra, Eny, ny harena mateza sy ny fahamarinana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|562D13E8-FE97-4096-87B2-5006679ECB48
19
Ny vokatro dia tsara noho ny volamena, eny, noho ny tena volamena aza, Ary ny fitomboan'ny hareko mihoatra noho ny volafotsy voafantina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|51A067C0-7B02-4786-9CAC-F5FC4A7C7B70
20
Amin'ny alehan'ny fahamarinana no izorako, Dia ao amin'ny làlan'ny fitsarana marina,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7156AAE7-6383-494D-AE14-6DA9923ACD79
21
Mba hampandovako harena izay tia ahy, Sy hamenoako ny firaketany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5C48D200-A5D9-4838-9E8C-4EF94AA4C199
22
Jehovah nahary [Na: nahazo.] ahy ho fiandohan'ny alehany, Ho voalohany amin'ny asany hatramin'ny taloha.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3B418082-250B-4CB7-906F-392F90426EB3
23
Izaho notendreny hatramin'ny fahagola, Eny, hatramin'ny voalohany indrindra, dia fony tsy mbola ary ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|05B32794-2D80-480A-9145-423BB1CA84C5
24
Fony tsy mbola ary ny lalina, no efa teraka aho, Fony tsy mbola ary ny loharano miboiboika be,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|408C4E11-B5C3-46F7-9CE9-44B8C895A74F
25
Fony tsy mbola naorina ny tendrombohitra, Fony tsy mbola nisy havoana, no efa teraka aho,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|565392C3-3D6C-422E-9B19-F20B0005E26D
26
Fony tsy mbola natao ny tany, na ny saha, Na ny voalohan'ny vovo-tany ambonin'izao rehetra izao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|991AE088-4DF0-484A-B10A-EBDE8C861FE0
27
Raha namorona ny lanitra Izy, dia tany aho, Raha namaritra ny hababakaka tambonin'ny lalina Izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E5DD5FCC-2C6E-46D0-95E4-F8F1A37A3540
28
Raha nampitoetra ny rahona eny ambony Izy, Raha niboiboika fatratra ny loharanon'ny lalina,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|58DF8A1A-A025-440A-89B4-CADDABB976E4
29
Raha nanisy faritra ho an'ny ranomasina Izy, Mba tsy hahazoan'ny rano mihoatra ny fetrany, Ary nandidy ny amin'ny fanorenan'ny tany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1DA8D5FC-FF95-48EA-A68A-311C998BC8B3
30
Dia mpità-marika [Na: notezaina] teo anilany aho Sady ravoravo isan-andro isan-andro Ka nilalao mandrakariva teo anatrehany;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7C9C1520-793B-44E7-9148-98928674323A
31
Eny, nahafaly ahy ny tany nataony honenana, Ary naharavoravo ahy ny zanak'olombelona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DD32C9BE-4E6F-44AD-AE9E-57CB5A06DE05
32
Koa mihainoa ahy hianareo, anaka; Fa sambatra izay manaraka ny diako;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FF4069B1-E246-494C-9709-49B29DD1600E
33
Minoa anatra, ka hendre, Fa aza mandà.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0679F2B7-3B65-40F6-BE92-739AF1DE550F
34
Sambatra izay olona mihaino ahy Ka miari-tory mandrakariva eo am-bavahadiko, Ary miandry eo amin'ny tolam-baravarako.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|68ABBA25-8E60-4A5C-942A-C42D6E7147C9
35
Fa izay mahita ahy dia mahita fiainana Sady mahazo sitraka amin'i Jehovah;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|74AD7203-5182-4CC8-B551-E05360075B5D
36
Fa izay diso ahy kosa mampidi-doza amin'ny fanahiny; Ary izay, rehetra mankahala ahy tia fahafatesana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|143DFB1F-76C6-42E8-B9A3-6DD0975ACA24
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany