Mpitoriteny 1: 1-18

Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ny tenin'i Mpitoriteny, zanak'i Davida, mpanjaka tany Jerosalema.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D894470D-B560-42EB-B82A-161C6C2C82AB
2
Zava-poana dia zava-poana, hoy Mpitoriteny, zava-poana dia zava-poana, eny, zava-poana ny zavatra rehetra!
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|29379474-E4E2-4B12-9D13-05A850973D43
3
Inona no soa azon'ny olona amin'ny fisasarany rehetra izay isasarany aty ambanin'ny masoandro?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B54B2A2C-44FF-4F90-9300-C8EC61CB79B1
4
Lasa ny taranaka iray, ary mandimby kosa ny taranaka iray; fa ny tany mbola maharitra mandrakizay.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|87F56ABC-E5E7-4AC2-AA54-4C77B79C4A09
5
Ny masoandro koa miposaka, ary ny masoandro milentika sady miriotra ho any amin'ny fitoerana izay niposahany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|85D99F96-AAA3-4A70-A7D6-72E86FC2A94C
6
Mianatsimo ny rivotra, dia mihodina mianavaratra, mivezivezy mandrakariva izy ka miverimberina manodidina indray.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|07E0E50F-7F2B-4AE8-BCFB-4A19C62E7AA9
7
Ny renirano rehetra dia samy mankamin'ny ranomasina, nefa tsy tondraka ny ranomasina; any amin'izay falehan'ny renirano ihany no iverenany indray.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F76CDFDA-67AC-4A62-854B-52C04D81D89A
8
Maivana ny teny rehetra, ka tsy misy olona mahalaza; ny maso tsy mamo mijery, ary ny sofina tsy mamo mihaino.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2C4EA3D4-C108-45A8-861C-0AC8958E1A31
9
Izay efa teo ihany no ho tonga indray, ary izay efa natao ihany no mbola hatao indray; fa tsy misy zava-baovao akory aty ambanin'ny masoandro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|646928C0-8436-4DAB-AC70-F670163F5FB2
10
Raha misy zavatra azo lazaina hoe: He! ity no vaovao, dia ilay efa teo ela tany amin'ny andro talohantsika ihany izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|80145275-834A-4E79-B04C-B927D6259379
11
Tsy misy fahatsiarovana ny taloha; ary ny ho avy koa dia tsy hotsarovan'izay handimby azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FB700A78-5D4A-433D-A6F2-19AC240208E7
12
Izaho Mpitoriteny dia mpanjakan'ny Isiraely tany Jerosalema;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|66609C6E-1C3D-4F83-86BB-F3F02D993DA2
13
ary nampiasaiko ny foko mba hitady sy hikatsaka amim-pahendrena ny zavatra rehetra izay atao aty ambanin'ny lanitra; asa mahareraka omena'Andriamanitra hisaran'ny zanakan'olombelona izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7CD118A9-EDED-4EAF-8DD5-B9470A7F1028
14
Efa hitako ny zavatra rehetra izay atao aty ambanin'ny masoandro; fa, indro, zava-poana sy misambo-drivotra foana izany rehetra izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8655F2E4-68EB-4DC8-AA87-D64E851F9407
15
Ny meloka tsy mety tonga mahitsy; ary ny tsy ao tsy mba azo isaina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|65F3573A-1712-4891-BD55-634FC7CB9E61
16
Hoy izaho tamin'ny foko: Indro, izaho nahazo fahendrena be dia be mihoatra noho izay rehetra talohako teto Jerosalema; eny, ny foko nahita ny fahendrena sy ny fahalalana betsaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9E9D4AC8-7244-411D-969C-C960B1A7F94C
17
Ary nampiasaiko ny foko hahalala fahendrena sy hahalala fahaverezan-tsaina sy fahadalana; dia fantatro fa misambo-drivotra foana koa izany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|AF4CE8C4-CFCB-4858-B5BD-7467F6BA5048
18
satria izay be fahendrena dia be alahelo, ary izay mitombo fahalalana dia mitombo fahoriana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|34734D11-0B59-47DD-BB07-007C2FD6B4EE
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany