Andininy
Protestanta Malagasy
1
Atsipazo eny ambonin'ny rano ny haninao, fa ho hitanao ihany izy rehefa ela.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D3DA609D-68D4-4B93-BF25-F9F5261556A3
2
Samy omeo anjara ny fito, ary na dia ny valo aza, fa tsy fantatrao izay fahoriana hanjo aty ambonin'ny tany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C7A64282-9093-4546-AAA0-ACD5B5F9E1D1
3
Raha feno ranonorana ny rahona, dia halatsany amin'ny tany izany; ary na mianjera mianatsimo na mianavaratra ny hazo dia eo amin'izay ianjerany ihany no handriany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|55E1BAAB-8542-4EEE-AFC6-24B9ECC23D38
4
Izay fatra-pihevitra ny rivotra tsy hamafy ary izay manahy ny rahona tsy hijinja.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|97123708-4B9B-4547-A1E8-D07696DFA67E
5
Toy ny tsy ahafantaranao ny amin'alehan'ny rivotra, na ny amin'ny fitombon'ny taolana ao an-kibon'izay manan-anaka, dia toy izany no tsy ahafantaranao ny asan'Andriamanitra, Mpanao ny zavatra rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BA6157A4-3BAD-42F1-A016-AC6D2D7E85E2
6
Amin'ny maraina dia afafazo ny voanao, ary amin'ny hariva dia aza atsahatra tànanao; fa tsy fantatrao izay ho vanona, na ny teo aloha, na ny teo aoriana, na angamba samy ho vanona avokoa izy tonta.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|88F3B927-BAC4-45F0-8E74-4C7451A60FF3
7
Mamy tokoa ny mazava, ary mahafinaritra ny maso ny mijery ny masoandro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2620D95A-E322-4887-AAB9-2E29A3CC2529
8
fa na dia ela velona aza ny olona, dia aoka ho faly amin'ny androny rehetra izy ka hahatsiaro ny andro maizina, fa ho maro ireny: izy rehetra ho avy dia zava-poana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F3657816-992D-4088-BAE2-D9105C59C289
9
Mifalia, ry zatovo, dieny mbola tanora hianao; ary aoka ny fonao hampifalifaly anao amin'ny andro fahatanoranao; ka mandehana any amin'izay sitraky ny fonao sy izay jeren'ny masonao; nefa aoka ho fantatrao fa ho entin'Andriamanitra hotsaraina hianao amin'izany rehetra izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|41F6FEDD-B9AC-4BDE-AFFC-430C9AFE32FE
10
Koa esory ao am-ponao ny alahelo, ary avilio tsy hikasika ny nofonao ny ratsy; fa ny fahatanorana sy ny fahatanjahana dia samy zava-poana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D2C1CF8C-AD60-49A6-A20B-76171D485FAB
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany