Andininy Protestanta Malagasy 1 Ary tsarovy ny Mpanao anao amin'ny andro fahatanoranao, dieny tsy mba tonga ny andro mahory, ary tsy mbola mihatra ny taona izay hanaovanao hoe: Tsy sitrako izao; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|13301969-687C-425C-A3AD-D6B2A894D489 2 dieny tsy mbola maizina ny masoandro sy ny fahazavana sy ny volana sy ny kintana, ary tsy mbola mitambatra indray ny rahona, rehefa latsaka ny ranonorana; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BD2936BF-CD81-4329-B158-B82333B3293D 3 fa amin'izay dia hangovitra ny mpiandry trano, ary hanjoko ny lehilahy matanjaka, ary hitsahatra ny ankizivavy mpitoto, satria efa vitsy ireo, ary ho maizina ny vehivavy mitsirika eo am-baravarankely, qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FBCC9834-985B-45CD-BB87-BC9052A87CE4 4 ary hirindrina ny varavarana kopa-droa mankeny an-dàlambe, rehefa malemy ny feon'ny fikosoham-bary; ary ho taitra ny olona, raha vao maneno ny voron-kely, ary halemy feo ny zazavavy mphira rehetra; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0AA39948-D5B9-41E2-B84F-205A2F0193C6 5 ary koa, hatahotra ny fiakarana izy, ary toa hisy zava-mahatahotra eny an-dàlana; ary hamony ny hazo amygdala, ary ny valala aza ho tonga mavesatra, ary ny voan-tsimperifery aza tsy hanan-kery intsony fa mandroso ho any amin'ny tranony mandrakizay ny olona, ary ny mpisaona mandehandeha any an-dàlambe qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9ED0C456-50D0-4D1F-A097-78D7B35638B0 6 dieny tsy mbola mivaha ny kofehy volafotsy, ary tsy mbola vaky ny vilia volamena fitoeran-diloilo, ary tsy mbola rava ny barika eo an-doharano, ary tsy mbola tapaka ny kodia eo an-davaka famorian-drano, qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4ED5B05B-DD61-440A-9E4F-1F3EFC86C84F 7 ka ny vovoka dia hiverina amin'ny tany ho toy ny teo, fa ny fanahy kosa hiverina amin'Andriamanitra, Izay nanome iny. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E726D13F-DC5C-4C4C-8573-1A744E9A3C05 8 Zava-poana dia zava-poana, hoy Mpitoriteny, eny, zava-poana ny zavatra rehetra! qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|775C441A-25BF-49C4-AFC8-2B5B259AB939 9 Ary koa, satria hendry Mpitoriteny, dia nampianatra ny olona fahalalana izy; eny, nandinika sy nieritreritra ary nandahatra ohabolana maro izy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D3974155-3434-41F7-93DA-E26E0F671A4A 10 Mpitoriteny nitady hahita teny mahafinaritra; ary izay mahitsy no voasorany, dia tenin'ny fahamarinana. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3B950157-7156-4348-90F6-213C84854E74 11 Ny tenin'ny hendry dia toy ny fanindroan-omby sy toy ny hombo voatsatoka, ry mpanangona, omen'ny mpiandry iray izy, qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|709B17ED-1270-4E2B-BB40-75DF9302F0A8 12 ary he koa, anaka! minoa anatra hianao; fa sy misy farany ny manao boky maro, ary manasatra ny tena ny fianarana be. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1A39EC6C-5586-457D-982C-24999DEA6E98 13 Ary rehefa re izany rehetra izany, dia izao no faran'ny teny: Andriamanitra no atahory, ary ny didiny no tandremo, fa izany no tokony hataon'ny olona rehetra. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|F991011B-E4BF-4483-8D39-F28065F54CD1 14 Fa ny atao rehetra dia ho entin'Andriamanitra ho amin'ny fitsarana ny zava-miafina rehetra, na soa na ratsy. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|87E7E7F8-153D-4BC9-9564-C4EFFA327BE6
|