Andininy Protestanta Malagasy 1 Hoy izaho anakampo: Aoka mba hizahako toetra amin'ny hafaliana hianao, ka dia mifalia amin'ny fahitana ny fahafinaretana; kanjo, indro, zava-poana koa izany. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6E0821F0-B5E9-4F95-82CB-A2E32C45F526 2 Hoy izaho, miantso ny fihomehezana: Fahadalana, ary ny fifaliana hoe: Mahefa inona? qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|479EF752-31C3-46FA-9FF5-788F288B14E6 3 Nisaina tato am-poiko hamalifaly ny nofoko tamin'ny divay aho (ny foko anefa mbola hitondra azy amin'ny fahendrena ihany) ary hitana ny fahadalana, mandra-pahitako izay tsara ho an'ny zanak'olombelona ka tokony hataony aty ambanin'ny lanitra amin'ny andro vitsy iainany. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B90145C9-B243-4A51-8F18-F1F3C852D0EC 4 Nanao asa lehibe ho ahy aho, nanao trano, nanao tanimboaloboka, qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C50145E0-E453-476C-8B5E-80808F1BE8B7 5 nanao tanimboly sy saha aho ka namboly hazo fihinam-boa samy hafa karazana tao; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3E194E88-799D-4EB8-BD7D-23A2BE948B7A 6 nanao kamory aho handemana ny ala be zana-kazo; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|87F77AB9-EEBD-4F17-93CF-5B82120A8E62 7 nahazo ankizilahy sy ankizivavy aho sady nanana ompikely; ary nanana fananana be aho, dia omby sy ondry aman-osy mihoatra noho izay rehetra talohako teto Jerosalema. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7009079F-2F3D-4A0C-8441-4C5C647623FE 8 Nihary volafotsy sy volamena koa aho ary fanaka tsara fanan'ny mpanjaka sy izay avy amin'ny tany samy hafa; ary nahazo mpihiralahy sy mpihiravavy aho mbamin'izay mahafinaritra ny zanak'olombelona, dia vady sy vaditsindrano betsaka. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|694B3135-87C7-4E2F-8BEC-286B8DCDF833 9 Dia efa nisandratra mihoatra noho izay rehetra talohako teto Jerosalema aho; ary ny fahendreko anefa dia mbola tato amiko ihany. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E335F1DB-A2A8-4582-8071-09B3E1FABC4B 10 Ary na inona na inona nirin'ny masoko dia tsy nisy narovako taminy; tsy nisakana ny foko tamin'izay mety ho fifaliana aho; fa nahazo hafaliana avy tamin'ny fisasarako rehetra ny foko; ary izany no anjarako tamin'ny fisasarako rehetra. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4F5857F1-0A2F-467E-B4D4-A2986E04E719 11 Kanefa nitodika aho nandinika ny asa rehetra nataon'ny tànako sy ny fisasarana nisasarako, ka, indreo, zava-poana sy misambo-drivotra foana izany rehetra izany, tsy nisy nahasoa taty ambanin'ny masoandro. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9CF16594-12BD-4B5E-AE4C-125E94F16317
|