Andininy
Protestanta Malagasy
1
Hoy izaho anakampo: Aoka mba hizahako toetra amin'ny hafaliana hianao, ka dia mifalia amin'ny fahitana ny fahafinaretana; kanjo, indro, zava-poana koa izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6E0821F0-B5E9-4F95-82CB-A2E32C45F526
2
Hoy izaho, miantso ny fihomehezana: Fahadalana, ary ny fifaliana hoe: Mahefa inona?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|479EF752-31C3-46FA-9FF5-788F288B14E6
3
Nisaina tato am-poiko hamalifaly ny nofoko tamin'ny divay aho (ny foko anefa mbola hitondra azy amin'ny fahendrena ihany) ary hitana ny fahadalana, mandra-pahitako izay tsara ho an'ny zanak'olombelona ka tokony hataony aty ambanin'ny lanitra amin'ny andro vitsy iainany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B90145C9-B243-4A51-8F18-F1F3C852D0EC
4
Nanao asa lehibe ho ahy aho, nanao trano, nanao tanimboaloboka,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C50145E0-E453-476C-8B5E-80808F1BE8B7
5
nanao tanimboly sy saha aho ka namboly hazo fihinam-boa samy hafa karazana tao;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3E194E88-799D-4EB8-BD7D-23A2BE948B7A
6
nanao kamory aho handemana ny ala be zana-kazo;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|87F77AB9-EEBD-4F17-93CF-5B82120A8E62
7
nahazo ankizilahy sy ankizivavy aho sady nanana ompikely; ary nanana fananana be aho, dia omby sy ondry aman-osy mihoatra noho izay rehetra talohako teto Jerosalema.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7009079F-2F3D-4A0C-8441-4C5C647623FE
8
Nihary volafotsy sy volamena koa aho ary fanaka tsara fanan'ny mpanjaka sy izay avy amin'ny tany samy hafa; ary nahazo mpihiralahy sy mpihiravavy aho mbamin'izay mahafinaritra ny zanak'olombelona, dia vady sy vaditsindrano betsaka.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|694B3135-87C7-4E2F-8BEC-286B8DCDF833
9
Dia efa nisandratra mihoatra noho izay rehetra talohako teto Jerosalema aho; ary ny fahendreko anefa dia mbola tato amiko ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E335F1DB-A2A8-4582-8071-09B3E1FABC4B
10
Ary na inona na inona nirin'ny masoko dia tsy nisy narovako taminy; tsy nisakana ny foko tamin'izay mety ho fifaliana aho; fa nahazo hafaliana avy tamin'ny fisasarako rehetra ny foko; ary izany no anjarako tamin'ny fisasarako rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4F5857F1-0A2F-467E-B4D4-A2986E04E719
11
Kanefa nitodika aho nandinika ny asa rehetra nataon'ny tànako sy ny fisasarana nisasarako, ka, indreo, zava-poana sy misambo-drivotra foana izany rehetra izany, tsy nisy nahasoa taty ambanin'ny masoandro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9CF16594-12BD-4B5E-AE4C-125E94F16317
12
Ary nitodika aho hijery ny fahendrena sy ny fahaverezan-tsaina ary ny fahadalana fa inona no hataon'ny olona izay handimby ny mpanjaka? Izay efa natao hatramin'ny ela ihany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C4745782-CCF5-4F5C-98E1-DEC16CE9E324
13
Dia hitako fa ny fahendrena dia tsara noho ny fahadalana, toy ny fahatsaran'ny mazava noho ny maizina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|146BF51E-9EEA-4BD8-9246-E568D7C17105
14
Ny mason'ny hendry dia eo an-dohany, fa ny adala kosa mandeha amin'ny maizina; nefa hitako fa mitovy ihany ny manjo azy roa tonta.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|087B755E-1B8F-4A64-B79B-7377A24B333E
15
Dia hoy izaho anakampo: Mitovy amin'ny manjo ny adala ihany ny manjo ahy; koa nahoana ary no nanan-tombom-pahendrena aho? Dia hoy izaho anankam-po: Zava-poana koa izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|62053805-FA47-4294-82AD-826B0BD7C329
16
Fa samy tsy misy fahatsiarovana mandrakizay na ny hendry na ny adala; fa amin'ny andro ho avy dia samy ho hadino ela izy. Indrisy! samy ho faty na ny adalana ny hendry.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8E6CBB35-890A-41BC-ACB3-BC309D7168DD
17
Dia efa halako ny aina, satria nataoko ho ratsy ny asa atao aty ambanin'ny masaondro; fa zava-poana sy misambo-drivotra foana izy rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C3D3B0B8-BF8F-477D-A622-0DB948613AAB
18
Eny, efa halako ny fisasarako rehetra izay nisasarako taty ambanin'ny masoandro, fa havelako ho an'ny olona izay handimby ahy izany,
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4EAE7CC2-AF31-4F2C-9629-D2CD93F71909
19
ary iza no mahalala na ho hendry na ho adala izy? Nefa izy tompon'izay rehetra nisasarako sy nataoko tamin'ny fahendreko taty ambanin'ny masoandro. Zava-poana koa izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0FABF092-F4CB-416A-B4CD-2E3417A64773
20
Dia nitodika aho hampamoy amin'ny fahakiviana ny amin'ny fisasarana rehetra izay nisasarako taty ambamin'ny masoandro.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C67671E2-1E8C-48A1-A62A-9EC178FCAFB5
21
Fa misy olona izay misasatra amin'ny fahendrena sy ny fahalalana ary ny fahaizana, nefa ny olona izay tsy nisasatra tamin'izany akory no tsy maintsy hamelany azy ho lovany. Zava-poana sy faharatsiana lehibe koa izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9517A5B1-F8DA-4287-BB6F-34F70C5BA660
22
Fa Inona no azon'ny olona amin'ny fisasarany rehetra sy ny amin'ny fikatsahan'ny fony, izay nisasarany taty ambanin'ny masoandro?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4662949A-B520-4957-BC55-ED2100991872
23
Fa ny androny rehetra dia fanaintainana avokoa, ary ny fisasarany dia fahasorisorena; eny, na dia amin'ny alina aza dia tsy manam-pitsaharana ny fony. Zava-poana koa izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CD818AA8-6EE3-4906-B5E4-061D7C708893
24
Tsy misy mahasoa ny olona mihoatra noho ny mihinana sy misotro ary ny mampahafinaritra ny tenany amin'ny fisasarany. Izany koa aza dia efa hitako fa avy amin'ny tànan'Andriamanitra
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|528E56E4-04D2-4C28-B03D-FCB7947CE816
25
(fa iza no mahalany, ary iza no mahazo manararn-po mihoatra noho izaho?).
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|928225E0-18D0-46AA-827E-51A21EFAAF22
26
Fa ny olona izay ankasitrahan'Andriamanitra dia omeny fahendrena sy fahalalana ary fifaliana; fa ny mpanota kosa ampiasainy hanangona sy hamory, mba hisy homeny izay ankasitrahan'Andriamanitra. Zava-poana sy misambo-drivotra foana koa izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C14DD7AD-FC6E-445F-A0AF-067B44C3267A
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany