Andininy
Protestanta Malagasy
1
Ny zavatra rehetra samy manana ny fotoany avy, ary samy manana ny androny avy ny raharaha rehetra aty ambanin'ny lanitra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|13742830-7075-4E2D-850F-A4FBFBC3234B
2
Ao ny andro ahaterahana, ary ao ny andro ahafatesana; Ao ny andro ambolena, ary ao ny andro anongotana ny nambolena;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|615E4EDE-864C-4954-894F-1E0D2FF1CF86
3
Ao ny andro amonoana, ary ao ny andro anasitranana; Ao ny andro andravana, ary ao ny andro ananganana;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|99BCF49A-7F1A-4E5D-825B-422405477668
4
Ao ny andro itomaniana, ary ao ny andro ihomehezana; Ao ny andro isaonana, ary ao ny andro andihizana;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ADBA4D55-130C-4766-803D-EEDD5919DACE
5
Ao ny andro anariam-bato, ary ao ny andro anangonam-bato; Ao ny andro anohonana, ary ao ny andro ifadiana tsy hanohona;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FD0A31C0-9974-4477-9759-FF7D21D1F5A4
6
Ao ny andro itadiavana, ary ao ny andro ahaverezana; Ao ny andro itehirizana, ary ao ny andro anariana;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B0B50438-C62F-4A31-B234-D3959E1EA9C9
7
Ao ny andro andriarana, ary ao ny andro anjairana; Ao ny andro anginana, ary ao ny andro itenenana;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0F2CE7C1-DD44-42D8-BF4D-7F15097B3394
8
Ao ny andro itiavana, ary ao ny andro ankahalana; Ao ny andro iadiana, ary ao ny andro ihavanana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E38B11EE-0AD9-4E3C-A0F0-B7FD66C502A1
9
Inona no soa azon'ny miasa amin'izay isasarany?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E4909DBD-448E-4DEE-85C4-7532E0A241D5
10
Efa hitako ny asa mampahory izay nomen'Andriamanitra ny zanak'olombelona hisasarany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|98EBC9B2-DFDD-49B2-85C6-4989E4864306
11
Ny zavatra rehetra samy nataony ho miendrika amin'ny fotoany avy; ary ny mandrakizay dia efa nataony tao am-pony, kanefa tsy hitan'ny olona ny asan'Andriamanitra hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny farany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|47970BF9-38C0-4A57-A455-0FF0B839EC76
12
Fantatro fa tsy misy tsara amin'ny olombelona afa-tsy ny mifaly sy ny manao tsara, raha mbola velona koa izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|5F77949A-7446-4344-ADEF-51E99BAC8041
13
Ary koa, raha mihinana sy misotro ary finaritra amin'ny fisasarany rehetra ny olombelona, dia fanomezan'Andriamanitra izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4DA46937-89D7-42B2-AA16-062C8FE5276E
14
Fantatro fa izay rehetra ataon'Andriamanitra dia haharitra mandrakizay; tsy azo ampiana ary tsy azo analana izany; ka dia ataon'Andriamanitra matahotra eo imasony ny olona.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CF7D291D-1F83-432F-BC43-12508D79A33E
15
Izay atao izao dia efa natao fahiny; ary izay mbola ho avy dia efa nisy fahiny ihany koa; ary mbola tadiavin'Andriamanitra indray izay efa lasa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D11EB483-5621-4831-80E5-26655F7AFD69
16
Ary izao koa no efa hitako aty ambanin'ny masoandro: ny fitoeran'ny fitsarana nisy faharatsiana tao; ary ny fitoeran'ny fahamarinana nisy faharatsiana koa tao.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7C0D218F-5F7F-4584-9331-EB8D2C80DE4B
17
Hoy izaho anakampo: Samy hotsarain'Andriamanitra na ny marina na ny meloka; fa any dia samy manana ny androny avy ny zavatra rehetra sy ny asa rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|28785EA2-97B7-46B1-8834-918AF36B1863
18
Hoy Izaho anakampo: Noho ny amin'ny zanak'olombelona izany, mba hizahan'Andriamanitra toetra azy, ka ho hitany fa raha ny tenany ihany, dia biby izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|CF29E525-077F-4327-81BE-B099C45C8C13
19
Fa zavatra sendrasendra foana ny zanak'olombelona, ary zavatra sendrasendra foana koa ny biby, mitovy ihany ny mihatra amin'izy roa tonta; fa toy ny ahafatesan'ny iray no ahafatesan'ny iray koa; eny, iray ihany no fofonaina ananan'izy rehetra; ary tsy misy ihoaran'ny olona noho ny biby; fa samy zava-poana izy rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|2B5D3223-6908-46DB-B6D7-927EB020D674
20
Izy rehetra samy mankamin'ny fitoerana iray: avy tamin'ny vovoka izy rehetra, ary hiverina ho amin'ny vevoka indray izy rehetra.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C3DD7E39-56B7-422A-9CD5-97A2BE37AA6D
21
Iza no mahalala ny fanahin'ny olombelona, na miakatra any ambony Izy, na tsia, ary ny fanahin'ny biby, na midina amin'ny tany izy, na tsia?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|3CA4178A-1A88-4D3E-A203-202B2339832F
22
Dia efa hitako fa tsy misy tsara noho ny ifalian'ny olona amin'ny asany, satria izany no anjarany; fa iza no hampahalala azy izay ho avy any aoriany?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1A2C74FE-84FE-4ECE-8EC1-02611E33A6D7
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany