Andininy Protestanta Malagasy 1 Ny zavatra rehetra samy manana ny fotoany avy, ary samy manana ny androny avy ny raharaha rehetra aty ambanin'ny lanitra. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|13742830-7075-4E2D-850F-A4FBFBC3234B 2 Ao ny andro ahaterahana, ary ao ny andro ahafatesana; Ao ny andro ambolena, ary ao ny andro anongotana ny nambolena; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|615E4EDE-864C-4954-894F-1E0D2FF1CF86 3 Ao ny andro amonoana, ary ao ny andro anasitranana; Ao ny andro andravana, ary ao ny andro ananganana; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|99BCF49A-7F1A-4E5D-825B-422405477668 4 Ao ny andro itomaniana, ary ao ny andro ihomehezana; Ao ny andro isaonana, ary ao ny andro andihizana; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|ADBA4D55-130C-4766-803D-EEDD5919DACE 5 Ao ny andro anariam-bato, ary ao ny andro anangonam-bato; Ao ny andro anohonana, ary ao ny andro ifadiana tsy hanohona; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|FD0A31C0-9974-4477-9759-FF7D21D1F5A4 6 Ao ny andro itadiavana, ary ao ny andro ahaverezana; Ao ny andro itehirizana, ary ao ny andro anariana; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B0B50438-C62F-4A31-B234-D3959E1EA9C9 7 Ao ny andro andriarana, ary ao ny andro anjairana; Ao ny andro anginana, ary ao ny andro itenenana; qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0F2CE7C1-DD44-42D8-BF4D-7F15097B3394 8 Ao ny andro itiavana, ary ao ny andro ankahalana; Ao ny andro iadiana, ary ao ny andro ihavanana. qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E38B11EE-0AD9-4E3C-A0F0-B7FD66C502A1
|