Andininy
Protestanta Malagasy
1
Dia hitako koa ny fampahoriana rehetra atao aty ambanin'ny masoandro; ary indro ny ranomason'ny ampahorina, sady tsy nisy mpanony azy; ary loza no ataon'ny tànan'ny mpampahory azy, sady tsy nisy mpanony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4CCE2878-5CFF-4458-9ED3-85224B1C9DF2
2
Ary ny maty izay efa maty ela dia nataoko ho sambatra noho ny velona izay mbola velona, nefa tsara indray noho izy roa tonta aza ny tsy ary, izay tsy nahita ny ratsy atao aty ambanin'ny masoandro akory.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7C78BBCE-E8A0-4A93-89C4-4AAA61CE4F03
4
Ary hitako ny fisasarana rehetra sy ny fahaizan-javatra rehetra, fa avy amin'ny fifampialonan'ny olona izany. Zava-poana sy misambo-drivotra foana koa izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|32B088E8-90FD-4A8E-BA74-5F6C59A4D42A
5
Ny adala manohon-tànana ka homana ny tenany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|9295777E-3B3F-4861-B803-2D3EC8922B2D
6
Tsara ny eran-tànan'ila misy fiadanana noho ny eran-tànan-droa misy fisasarana sady misambo-drivotra foana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8A286679-4CA5-4D61-9E0C-E122C87EFE95
7
Ary izao koa no zava-poana hitako aty ambanin'ny masoandro:
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4DE71360-E389-4D7A-9109-A17742F94D53
8
Misy mitoetra irery ka tsy mana-namana, eny, tsy manan-janaka na rahalahy aza, nefa tsy misy farany ny fisasarany rehetra, ary ny masony tsy afapo amin'ny harena, hanaovany hoe: Ho an'iza no isasarako sy tsy ampananako soa ny fanahiko? Zava-poana sy asa mahareraka koa izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|147AFB4E-794A-4BA4-AEFE-F3D4D6A4A8D9
9
Tsara ny roa noho ny iray; fa misy valiny tsara ny fisasarany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7E946E87-BB3A-4C77-B7AB-5D09A5014410
10
Raha misy lavo izy, dia arenin'ny namany; fa mahantra ny lavo izay tsy manana namana hanarina azy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|847843A3-0F22-47FB-B92F-23E357F82CC7
11
Ary koa, raha miara-mandry ny roa, dia mafana izy; fa hatao ahoana no hampahafana ny irery?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1B9C190E-35BD-4405-BFEC-CCFDFEE914FF
12
Raha misy maharesy ny irery aza, ny roa tsy ho leony tsy akory; ary ny mahazaka telo olana tsy mora tapahina.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8FD12447-BB23-4261-B22C-25C8C80D299F
13
Aleo zatovo malahelo hendry toy izay mpanjaka antitra adala ka tsy laitra anarina intsony;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|D2867607-D5F4-4D09-A43A-8130077E12E8
14
fa avy ao an-tranomaizina no nivoahany hanjaka, na dia nateraka tamin'alahelo tamin'ny fanjakany aza izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C747101C-B3EA-4618-A73A-4285C1A66A38
15
Hitako ny miaina rehetra izay miriaria aty ambanin'ny masoandro manotrona ilay zazalahy dia ilay faharoa izay mitsangana handimby ny teo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A6E05877-5900-45B2-818A-E0E241A66814
16
Tsy hita isa ny olona rehetra, dia izay rehetra anjakany; nefa izay any aoriana tsy mba hifaly aminy; fa zava-poana sy misambo-drivotra foana koa izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|577DD849-845C-4FCB-99D8-C2CA115B658C
17
Tandremo ny tongotrao, raha mankao an-tranon'Andriamanitra hianao; fa ny manatona hihaino no tsara noho ny fanateran'ny adala fanatitra; fa tsy fantatr'ireny ho manao ratsy izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DE75D7D4-BD2F-4C7D-B2C9-67EBD0CC508B
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany