Andininy
Protestanta Malagasy
1
Tsara ny laza soa noho ny menaka manitra; ary ny andro ahaterahana tsy mahaleo ny andro ahafatesana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|83BCB17A-627F-430E-86F4-C0207181FAE0
2
Tsara ny mankamin'ny trano misy fisaonana noho ny mankamin'ny trano misy fanasana; fa ho amin'iny no hiafaran'ny olombelona rehetra, ary ny velona handatsaka am-po izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C627CC18-0E34-41E0-B817-E3063D749FE9
3
Tsara ny alahelo noho ny hehy; fa na dia malahelo aza ny tarehy, mety tsara ihany ny fo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|0B0A740F-4991-40E3-B519-43712E44508A
4
Ny fon'ny hendry dia ao amin'ny trano misy fisaonana; fa ny fon'ny adala kosa dia ao amin'ny trano misy fifaliana.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|18D3016D-9ACE-47AF-ADCC-903D8D083E68
5
Tsara ny mihaino ny anatra mafy ataon'ny hendry noho ny mihaino ny hiran'ny adala.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|900E8FF3-4351-4E72-988E-DC093D77BD40
6
Toy ny firefodrefotry ny tsilo eo ambanin'ny vilany, dia tahaka izany ny fihomehezan'ny adala; zava-poana koa izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|14C90645-22AB-43B2-9B1C-700E2A60A6FB
7
Fa ny fampahoriana dia mahavery saina ny hendry; ary ny kolikoly mahasimba ny fo.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|8EEA3495-F933-4657-BF97-764DBEFA62AE
8
Tsara ny iafaran'ny raharaha noho ny iandohany; tsara ny mahari-po noho ny miavonavom-panahy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|DEB6F539-178A-4D25-8366-134666F87445
9
Aoka tsy halaky tezitra ny fanahinao; fa ny fahatezerana mitoetra ao an-tratran'ny adala.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4A57FEA4-E728-47D1-8F84-C22A9DCA7CB7
10
Aza manao hoe: Ahoana no nahatsara ny andro taloha noho ny ankehitriny? fa tsy avy amin'ny fahendrena no anontanianao izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4A776B63-0521-4A4B-B902-367677A0B928
11
Tsara tahaka ny lova ny fahondrena, sady zava-mahasoa ho an'izay mahita masoandro izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|92DA1009-2FF0-4457-AF2B-B99D1B9183C6
12
Fa fialokalofana ny fahendrena, ary fialokalofana ny vola; ary ny mahatsara ny fahalalana dia izao: Maharo ny ain'ny manana azy ny fahendrena.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B8694AA7-F002-4175-995F-50DC46FA09BF
13
Saino ny asan'Andriamanitra; fa iza moa no mahahitsy izay nataony ho meloka?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4ABCD685-7EB1-4C5A-8F95-AD8F9D30FA67
14
Amin'ny andro mahafaly dia mifalia ary amin'ny andro mahory mieritrereta; fa nampifanandrifin'Andriamanitra ireo, mba tsy hahitan'ny olona akory izay ho avy any aoriany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|53CCD448-D27B-4ED6-BE11-3DDE54602BBE
15
lzao rehetra izao dia efa hitako tamin'ny androko mandalo foana: misy marina maty amin'ny hamarinany; ary misy meloka ela velona amin'ny haratsiany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|35495963-1B90-4B53-A513-3CC5DDA8F8F5
16
Aza marina loatra, ary aza miseho ho hendry loatra; nahoana noho simbanao ny tenanao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|BCC98D96-BB86-4AC3-84B0-D8903ED7574B
17
Aza ratsy loatra hianao, ary aza adala; nahoana no ho faty hianao, raha tsy efa tonga ny andronao?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|C43CAF2C-9F75-4667-84A7-B7512412568A
18
Tsara raha mitana iroa hianao, nefa aza mampiala ny tànanao amin'itsy; fa izay matahotra an'Andriamanitra dia ho afaka amin'izany rehetra izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|E69D5A3A-E52A-46E2-9274-220C4F49879F
19
Ny fahendrena no maharo ny hendry mihoatra noho ny mpanapaka folo ao an-tanàna.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|1CBD4911-674B-416F-9325-A482D7950FE2
20
Fa tsy misy olona marina ambonin'ny tany izay manao tsara ka tsy manota.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|61525E56-E8EC-4183-9629-3EABBDA9E431
21
Aza mihainohaino ny teny rehetra tenenina, fandrao handre ny mpanomponao manozona anao hianao;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4044FB63-D914-4F70-ABF8-3FEF2925AB94
22
fa fantatry ny fonao fa na dia ny tenanao aza dia mba efa nanozona ny sasany matetika ihany koa.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|30D378B8-E073-4659-AA5E-9D106D2D3B2A
23
Izany rehetra izany dia notsapaiko tamin'ny fahendrena. Hoy izaho: Ho hendry aho; kanjo lavitra ahy izany.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6296576E-5263-4075-BB0F-4EB96A2988FE
24
Eny, izay rehetra lavitra sady lalina dia lalina, iza no mahatakatra azy?
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|962759D3-B8F2-41CE-A22C-99372E22234F
25
Nitodika aho, ka nampiasaiko ny foko hahalala sy handinika ary hitady fahendrena sy izay anton-javatra ary hahafantatra ny faharatsiana ho fahadalana, ary ny fahadalana ho fahaverezan-tsaina;
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|A685D9A7-DCD9-4E05-B532-6A61BAFBF79A
26
ka hitako fa mangidy noho ny fahafatesana ny vehivavy, izay fandrika sy harato ny fony, sady famatorana ny tànany, nefa izay ankasitrahan'Andriamanitra dia ho afa-mandositra azy, fa ny mpanota ihany no ho azony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|7B10A03A-06B5-42DA-A70D-645A64AA2002
27
Indro, izany no hitako, hoy Mpitoriteny, raha nandinidinika ny zavatra tsirairay aho mba hahitana izay antony.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|6AE14138-703E-475E-84A7-D5540ECD4FAC
28
Izay notadiaviko koa, fa tsy hitako, dia izao: lehilahy iray no hitako ho marina tao amin'ny arivo; fa tao amin'ny vehivavy arivo dia tsy nisy hitako na dia iray akory aza.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|4BE3A22C-5F5D-4C46-95D2-45EC5FAF638D
29
Indro, izao ihany no hitako: nataon'Andriamanitra mahitsy ny olona, kanjo namorona sain-kafa maro izy.
qt8gt0bxhw|0000001747DC|Baiboly|Bible|text|B21156F8-34D2-4801-A565-4336D9818CD0
Boky  Toko  Andininy  Andininy farany